1 Rehefa nidina avy eny an-tendrombohitra Jesosy, dia vahoaka maro no nanaraka Azy. 2 Indro, nisy boka iray nanatona Azy ary nitsaoka teo anoloany, nanao hoe: "Tompo, raha sitrakao, dia afaka manadio ahy Ianao." 3 Nanatsotra ny tanany Jesosy ary nikasika azy, nanao hoe: "Sitrako. Mahadiova." Teo no ho eo dia nadio tamin'ny fahabokany izy. 4 Hoy Jesosy taminy hoe: "Aoka mba tsy hilaza na inona na inona na amin'iza na amin'iza ianao. Mandehana amin'ny lalanao, ka asehoy amin'ny mpisorona ny tenanao ary atolory ilay fanatitra izay nodidian'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona amin'izy ireo." 5 Rehefa niditra tao Kapernaomy Jesosy, dia nanatona Azy ny kapiteny iray ary nanontany Azy, 6 nanao hoe: "Tompo, mandry ao an-trano ny mpanompoko fa malemy ary ao anatin'ny fanaintainana mafy." 7 Hoy Jesosy taminy hoe: "Ho avy Aho ary hanasitrana azy." 8 Namaly ilay kapiteny ary nanao hoe: "Tompo, tsy mendrika aho ny tokony hidiranao ao ambany tafon-tranoko, teneno fotsiny ny teny dia ho sitrana ny mpanompoko. 9 Fa izaho ihany koa dia lehilahy izay napetraka ao ambany fahefana, ary manana miaramila izay feheziko aho. Miteny amin'ny anankiray aho hoe: 'Mandehana', dia mandeha izy, ary amin'ny hafa iray hoe: 'Avia,' dia manatona izy, ary amin'ny mpanompoko hoe: ''Ataovy izao,' dia ataony izany." 10 Rehefa ren'i Jesosy izany, dia gaga Izy ary niteny tamin'ireo izay nanaraka Azy hoe: "Lazaiko marina aminareo, fa tsy mbola nahita olona nanam-pinoana toy izany Aho teto Israely. 11 Lazaiko aminareo, fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no ho avy, ary izy ireo dia hipetraka eo an-databatra miaraka amin'i Abrahama, Isaka ary Jakoba, any amin'ny fanjakan'ny lanitra. 12 Fa ireo zanaky ny fanjakana dia hatsipy any ivelan'ny aizina lavitra any, izay hisy fitomaniana sy fikitroha-nify." 13 Hoy Jesosy tamin'ilay kapiteny hoe: "Mandehana! Araka ny ninoanao, dia aoka izany ho atao ho anao." Ary dia sitrana tamin'izany ora izany mihitsy ilay mpanompo. 14 Rehefa niditra tao an-tranon'i Petera Jesosy, dia nahita ny rafozam-bavin'i Petera nandry nararin'ny tazo Izy. 15 Nokasihan'i Jesosy ny tanany, ary niala taminy ny tazo. Dia nitsangana izy ary nanomboka nandroso sakafo Azy. 16 Rehefa tonga ny hariva, dia maro ireo nofehezin'ny demony noentin'ny olona teo amin'i Jesosy. Nandroaka ireo fanahy tamin'ny teny Izy ary nanasitrana ireo rehetra izay narary. 17 Toy izany no nahatanteraka izay nambara tamin'Isaia mpaminany, nanao hoe: "Izy tenany naka ny faharariantsika sy nitondra ireo aretintsika." 18 Ary rehefa hitan'i Jesosy ireo vahoaka nanodidina Azy, dia nanome toromarika mba hialana ho eny ampitan'ny ranomasina Galilia Izy. 19 Avy eo ny mpanora-dalàna iray nanatona Azy ary nanao hoe: "Ry mpampianatra, hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao." 20 Hoy Jesosy taminy hoe: "Ny amboahaolo manan-davaka, ary ireo voron'ny lanitra manana akany, fa ny Zanak'Olona tsy manana na aiza na aiza ampandriana ny lohany." 21 Iray hafa tamin'ireo mpianatra niteny taminy hoe: "Tompo, avelao aho aloha andeha ary andevina ny raiko." 22 Fa hoy Jesosy taminy hoe: "Manaraha Ahy, ary avelao ny maty andevina ny maty ao aminy manokana." 23 Rehefa niditra tao amin'ny sambokely iray Jesosy, dia nanaraka Azy tao anatin'io ireo mpianany. 24 Indro, nisy tafio-drivotra lehibe nitranga teo amin'ny ranomasina, ka dia rakotry ny onja ny sambo. Fa resin-tory Jesosy. 25 Nankeo Aminy ireo mpianatra ary namoha Azy, nanao hoe: "Vonjeo isika, Tompo; ho faty isika!" 26 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no matahotra, ry kely finoana?" Dia nitsangana Izy avy eo ary niteny mafy ny rivotra sy ny ranomasina. Dia nisy fitoniana be avy teo. 27 Gaga ireo lehilahy ary niteny hoe: "Fa karazana lehilahy inona ity, fa na dia ny rivotra sy ranomasina aza mankatoa Azy?" 28 Rehefa tonga teny ampita sy teo amin'ny tanànan'ny Gadarenesa Jesosy, dia nisy lehilahy roa izay nofehezin'ny demonia nifanena Taminy. Izy ireo dia nivoaka avy any amin'ireo fasana ary tena nahery setra, noho izany dia tsy nisy mpandeha afaka nandalo izany lalana izany. 29 Indro, nihiaka mafy izy ireo ary nanao hoe: "Moa mpifaninona akory izahay sy Ianao, ry Zanak'Andriamanitra? Tonga eto va Ianao hampihorohoro anay mialohan'ny fotoana voatondro?" 30 Ary nisy andian-kisoa maro nisakafo teo, tsy dia lavitra azy ireo. 31 Mbola niangavy an'i Jesosy ihany ireo demonia ary nanao hoe: "Raha mandroaka anay Ianao, dia alefao ao anatin'ireo andian-kisoa ireo izahay." 32 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana!" Dia nivoaka ireo demonia ka nankao amin'ireo kisoa; ary indro, ireo andiany rehetra nirifatra nidina ny tendrombohitra mideza nankany an-dranomasina ary maty tao anaty rano izy ireo. 33 Ireo izay nikarakara ireo kisoa dia nihazakazaka ary nankany amin'ny tanàna izy ireo ary nitatitra ny zavatra rehetra, ary indrindra izay nitranga tamin'ireo lehilahy izay nofehezin'ireo demonia. 34 Indro, nivoaka ireo tao an-tanàna rehetra mba hihaona amin'i Jesosy. Rehefa hitan'izy ireo Izy, dia nangataka Azy mba handao ny faritanin’izy ireo.