1 Aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo. 2 Fa amin'ny fitsarana nataonareo, no hitsarana anareo, ary amin' ny fandrefesana andrefesanareo, no handrefesana anareo. 3 Nahaoana ianao no mijery ny singa-mololo kely izay ao anatin'ny mason'ny rahalahinao, nefa tsy tsikaritrao ny andry ao anaty masonao? 4 Ahoana no hitenenanao ny rahalahinao hoe: 'Avelaho aho hanala ny singa-mololo izay ao anaty masonao,' raha mbola ao anatin'ny masonao ilay andry? 5 Ry mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny andry izay ao anaty masonao, ary avy eo ianao hahita tsara rehefa manala ny singa-mololo izay eo amin'ny mason'ny rahalahinao. 6 Aza omena ny alika izay masina, ary aza hatsipy eo anoloan'ny kisoa ny vatosoanareo. Raha tsy izany dia mety ho voahitsany ny tongotr'izy ireo, ary avy eo hifotitra sy hamiravira anareo amin'ny fahapotehana. 7 Mangataha, dia omena anareo izany. Mitadiava, dia hahita ianareo. Dondony, fa hisokatra ho anareo izany. 8 Fa izay rehetra mangataka, dia mahazo; ireo rehetra izay mitady, dia mahita; ary ho an'ny olona mandondòna, dia ho vahana. 9 Sa iza aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanolotra vato ho azy? 10 Na koa raha nangatahiny trondro, ka hanolotra bibilava azy? 11 Noho izany, raha ianareo izay ratsy aza mahay manome ireo fanomezana izay tsara ho an'ny zanakareo, moa tsy lehibe mihoatra va ny zavatra tsara omen'ny Rainareo izay any an-danitra ho an'ireo izay mangataka aminy? 12 Noho izany, na inona na inona zavatra tianareo ho ataon'ny olona amin'ny tenanareo, dia tokony hanao toy izany amin'izy ireo ihany koa ianareo, fa izany no lalàna sy ireo mpaminany. 13 Midira amin'ny vavahady tery. Fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mitondra any amin'ny fahaverezana, ary maro ireo olona izay mandeha amin'izany. 14 Fa tery ny vavahady ary sarotra ny lalana izay mitarika mankany amin'ny fiainana, ary vitsy ireo izay mahita izany. 15 Mitandrema amin'ireo mpaminany sandoka, izay manatona anareo amin'ny fitafian'ondry nefa amboadia tena mpihaza. 16 Amin'ny alalan'ny voany no hahafantaranareo azy ireo. Mioty voaloboka eny amin'ny tsilo va ny olona, na koa aviavy eny amin'ny songosongo? 17 Mitovy amin'izany, ny hazo tsara rehetra dia mamokatra voa tsara, fa ny hazo ratsy dia mamokatra voa ratsy. 18 Ny hazo tsara dia tsy afaka ny hamokatra voa ratsy, na koa ny hazo ratsy dia tsy afaka mamokatra voa tsara. 19 Ny hazo rehetra izay tsy mamokatra voa tsara dia kapaina ary hatsipy any anaty afo. 20 Ka noho izany, ho fantatrareo izy ireo amin'ny alalan'ny voany. 21 Tsy ireo rehetra izay miteny amiko hoe: 'Tompo, Tompo,' dia hiditra ny fanjakan'ny lanitra, fa ireo izay manao ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra ihany. 22 Maro ireo olona hiteny amiko amin'izany andro izany hoe: 'Tompo, Tompo, tsy efa naminany tamin'ny anaranao ve izahay, tsy efa namoaka ireo demonia tamin'ny anaranao, ary nanao ireo asa lehibe tamin'ny anaranao?' 23 Avy eo Aho hanambara amin'izy ireo ampahibemaso hoe: 'Tsy nahafantatra anareo mihitsy Aho! Mialà lavitra Ahy, ry mpanao ratsy!' 24 Noho izany, ireo rehetra izay mandre ny teniko ary mankatoa izany dia ho tahaka ny olona hendry izay nanorina ny tranony eny ambony vatolampy. 25 Nirotsaka ny orana, tonga ny tondran-drano, ary nifofofofo sy namely ilay trano ny rivotra, fa tsy nianjera izany, satria nahorina teo ambony vatolampy. 26 Fa ny rehetra izay mandre ireo teniko ka tsy mankatò azy ireny dia tahaka ny olona adala izay manorina ny tranony eny ambony fasika. 27 Nirotsaka ny orana, tonga ny tondra-drano, ary nifofofofo sy namely ilay trano ny rivotra, ka dia nianjera izany, ary feno ny faharavany." 28 Ary rehefa avy nanambara ireo teny ireo Jesosy, talanjona tamin'ny fampianarany ireo vahoaka, 29 satria nampianatra azy ireo tahaka ny olona izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ireo mpanora-dalànan'izy ireo.