Toko faha 6

1 Mitandrema mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo eo anatrehan'ny olona ianareo mba ho itan'izy ireo, fa raha tsy izany dia tsy hahazo ny valisoa avy amin'ny Rainareo izay any an-danitra. 2 Noho izany rehefa maneho fihantrana ianareo, dia aza mitsoka trompetra misarika ny hafa tahaka ny ataon'ny mpiatsara velatsia any amin'ny synagoga sy eny amin'ny lalana, ka mba mety hahazo ny fideran'ny olona izy ireo. Lazaiko marina aminareo, fa izy ireo dia efa nandray ny valisoany. 3 Fa rehefa maneho fihantrana ianareo, aza atao fantatrin'ny tananareo havia izay ataon'ny tananareo havanana, 4 ka mba homena mangingina ny fanomezanareo. Avy eo ny Rainareo izay mahita amin'ny mangingina no hamaly soa anareo. 5 Rehefa mivavaka ianareo, aza manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, fa izy ireo tia mijoro sy mivavaka eo amin'ny synagoga sy eo amoron-dalana, ka mba mety ho itan'ny olona. Lazaiko marina aminareo, fa izy ireo dia efa nandray ny valisoany. 6 Fa ianareo, rehefa mivavaka, midira ao amin'ny efi-tranonareo. Hidio ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainareo izay ao amin'ny mangingina. Avy eo ny Rainareo izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly soa anareo. 7 Rehefa mivavaka ianareo, aza manao teny maro tsy misy ilàna azy tahaka ny ataon'ny Jentilisa, ny amin'ny fiheverany fa ho re izy ireo nohon'ny teny maro izay ataony. 8 Noho izany, aza manao tahaka azy ireo, fa ny Rainareo dia efa mahafantatra ireo zavatra izay ilainareo mialohan'ny angatahanareo Aminy. 9 Noho izany mivavaha tahaka izao hoe: 'Rainay izay any an-danitra, ho hamasinina anie ny anaranao. 10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. 11 Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay. 12 Mamelà ny helokay, tahaka ny hamelanay izay meloka taminay. 13 Ary aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy.'"[Fanamarihana: Ny dika teny taloha tsara indrindra dia manala ny hoe: "Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amen."] 14 Fa raha mamela ny hadisoan'ny olona ianareo, dia hamela anareo ihany koa ny Rainareo izay any an-danitra. 15 Fa raha tsy mamela ny hadisoan'izy ireo ianareo, dia tsy hamela ny hadisoanareo mihintsy ny Rainareo. 16 Ankoatra izay, rehefa mifady hanina ianareo, aza mampiseho endrika mampalahelo tahaka ny ataon'ny mpiatsaravelatsihy, fa manaratsy tarehy izy ireo ka mba mety ho itan'ny olona fa tena mifady hanina. Lazaiko marina aminareo, fa efa nandray ny valisoany izy ireo. 17 Fa ianao, rehefa mifady hanina, osory menaka ny lohanao ary sasao ny tarehinao, 18 ka mba tsy ho itan'ny hafa hoe mifady hanina, fa amin'ny Rainao izay ao amin'ny mangingina ihany; ary ny Rainao izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly soa anao. 19 Aza mitahiry ny harenareo ety an-tany, izay simbain'ny kalalao sy harafesina, ary hidiran'ireo mpangalatra an-keriny ka hangalatra. 20 Fa kosa, tehirizo ny harenareo any an-danitra, izay tsy ho simban'ny kalalao sy harafesina, ary tsy hidiran'ireo mpangalatra an-keriny ka hangalatra. 21 Fa izay misy ny harenao, no itoeran'ny fonao ihany koa. 22 Ny maso no jiron'ny vatana. Noho izany, raha tsara ny masonao, dia ho feno fahazavana ny vatana rehetra. 23 Fa raha ratsy ny masonao, dia ho feno haizina ny vatanao rehetra. Noho izany, raha maizina ny fahazavanaizay ao anatinao amin'izao, manao ahoana ny halehibehin'izany haizana izany! 24 Tsy misy afaka hanompo tompo roa, fa hankahala ny iray izy ary hitia ny iray, raha tsy izany hanolo-tena ho an'ny iray ka hankahala ny iray hafa. Ianao dia tsy afaka hanompo an'Andriamanitra sy ny harena. 25 Noho izany lazaiko aminareo, aza miahiahy momba ny ainareo, izay hohaninareo na izay hosotroinareo - na momba ny vatanareo, izay hotafianareo. Fa tsy lehibe noho ny sakafo va ny fiainana, ary ny vatana lehibe noho ny fitafiana? 26 Jereo ireo vorona eny amin'ny habakabaka. Izy ireny dia tsy mamafy na mijinja na manangona ao an-tsompitra, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamahana azy ireny. Tsy sarobidy kokoa mihoatra ireny ve ianareo? 27 Iza aminareo no afaka manampy hakio iray amin'ny andro hiainany amin'ny fanahiana? 28 Nahoana ianareo no miahiahy momba ny fitafianareo? Saino ny momban'ny lilia eny amin'ny saha, ahoana ny fanirin'izy ireny. Tsy mba miasa izy ireny, ary tsy mamoly fitafiana. 29 Lazaiko aminareo, fa na i Solomona aza amin'ny voninahiny rehetra dia tsy nitafy tahaka ny iray amin'ireny. 30 Raha ampitafian'Andriamanitra tahaka izany ny ahitra any an-tsaha, izay rehetra misy anio sy rahampitso dia hatsipy ao am-patana, toy ny ahoana no ampitafiany anareo bebe kokoa, ianareo ry kely finoana? 31 Noho izany aza miahiahy ka milaza hoe: 'Inona no hohaninay?' na hoe: 'Inona no hosotroinay?' na hoe: 'Inona ny fitafiana ho anaovanay?' 32 Fa ireo Jentilisa mitady ireo zavatra ireo, ary ny Rainareo izay any an-danitra dia mahafantatra fa mila ireo ianareo. 33 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia homena anareo ireo zavatra ireo. 34 Noho izany, aza miahiahy ny ampitso, fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro tsirairay ny ratsy ao aminy.