1 Rehefa nahita ireo vahoaka Jesosy, dia niakatra teo an-tendrombohitra. Rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ireo mpianany. 2 Nanokatra ny vavany Izy ary nampianatra azy ireo, manao hoe: 3 "Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra. 4 Sambatra ireo misaona, fa hampiononina izy ireo. 5 Sambatra ireo malemy fanahy, fa izy ireo no handova ny tany. 6 Sambatra ireo izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho vokisana izy ireo. 7 Sambatra ireo mpamindra fo, fa hahazo famindram-po izy ireo. 8 Sambatra ireo madio am-po, fa hahita an'Andriamanitra izy ireo. 9 Sambatra ireo mpampihavana, fa izy ireo no antsoina hoe zanak'Andriamanitra. 10 Sambatra ireo izay enjehina nohon'ny fahamarinana, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra. 11 Sambatra ianareo raha maniratsira anareo sy manenjika anareo ny olona, ary miteny ny karazana lainga ratsy rehetra hanohitra anareo nohon'ny amiko. 12 Mifalia sy miravoravoa, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa toy izany ny fomba nanenjehan'ny olona ireo mpaminany izay niaina talohanareo. 13 Ianareo no siran'ny tany. Fa raha ny sira no tonga matsatso, amin'ny fomba ahoana no ampasira izany indray? Tsy ho tsara na amin'ny inona na amin'ny inona intsony izany fa hariana sy ho hitsahin'ny tongotry ny olona sisa. 14 Ianareo no fahazavan'izao tontonlo izao. Ny tanàna miorina eo amin'ny havoana dia tsy azo hafenina intsony. 15 Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka izany any ambany harona, fa eo amin'ny fitoeran-jiro, ka manazava ny rehetra ao an-trano izany. 16 Aoka hazava eo anoloan'ny olona toy izany fomba izany ny fahazavanareo mba ahitan'izy ireo ny asa tsara ataonareo ary ankalazany ny Rainareo izay any an-danitra. 17 Aza mieritreritra hoe tonga handrava ny lalàna na ireo mpaminany Aho. Tsy tonga hamotika ireo Aho, fa hanatanteraka azy ireo. 18 Fa lazaiko marina aminareo fa mandra-pahalevon'ny lanitra sy ny tany, dia tsy ho foana amin'ny lalàna na dia litera iray sy tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanteraky ny zavatra rehetra. 19 Noho izany na iza na iza mandika na dia ny kely indrindra amin'ireo didy ireo sy mampianatra ny hafa anao toy izany dia ho antsoina hoe kely indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra. Fa na iza na iza mankatoa sy mampianatra ireo dia ho antsoina hoe lehibe ao amin'ny fanjakan'ny lanitra. 20 Fa lazaiko aminareo fa raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. 21 Efa renareo fa voalaza tamin'izy ireo fahiny hoe: 'Aza mamono olona,' ary 'Na iza na iza mamono olona dia ho helohina any amin'ny fitsarana.' 22 Fa lazaiko aminareo fa izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika ny ho helohina any amin'ny fitsarana; ary na iza na iza miteny ny rahalahiny hoe: 'Ianao dia olom-poana!' dia ho helohina any amin'ny filan-kevitra; ary na iza na iza milaza hoe: 'Adala ianao!' dia mendrika ny ho any amin'ny farihy mirehitra afo. 23 Noho izany raha manolotra ny fanatitrao eo amin'ny alitara ianao ka tsaroanao teo fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, 24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana zory ny lalanao. Mihavàna aloha amin'ny rahalahinao, ary avy eo miverena dia atolory ny fanatitrao. 25 Mihavàna faingana amin'ny mpiampanga anao raha mbola miara-dia aminy any amin'ny fitsarana ianao, fandrao ny mpiampanga anao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara mety hanolotra anao amin'ny manam-boninahitra, ka hatao ao an-trano maizina ianao. 26 Lazaiko marina aminareo, fa tsy ho afaka mivoaka ao mihintsy ianao mandra-pandohanao ny vola faran'ny kely indrindra amin'ny trosanao. 27 Efa renareo fa voalaza hoe: 'Aza mijangajanga.' 28 Kanefa lazaiko aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka maniry azy dia efa nijangajanga tao am-pony sahady. 29 Raha manafintohina anao ny masonao ankavanana, dia esory izany ary atsipazo lavitra anao. Fa tsara kokoa ho anao raha ny ampahany iray amin'ny vatanao no tokony ho simbaina fa tsy ny tenanao rehetra no atsipy any amin'ny helo. 30 Raha manafintohina anao ny tananao ankavanana, dia tapaho ary atsipazo lavitra hiala aminao. Fa tsara kokoa ho anao raha ny ampahany iray amin'ny vatanao no tokony ho very fa tsy ny tenanao rehetra no atsipy any amin'ny helo. 31 Ary efa voalaza ihany koa hoe: 'Na iza na iza misaraka amin'ny vadiny, dia aoka izy hanome azy ny taratasy fisaraham-panambadiana.' 32 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy nohon'ny fijangajangana, dia mampijangajanga azy. Na iza na iza manambady azy aorian'ny fisarahany dia mijangajanga. 33 Ary koa, renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: 'Aza mianiana fianianana diso, fa ento eo anatrehan'ny Tompo ny fianiananao.' 34 Fa Izaho kosa milaza aminareo, aza mianiana amin'ny zavatra rehetra, na amin'ny lanitra aza, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany; 35 na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na koa amin'ny Jerosalema, fa tanànan'ny mpanjaka lehibe izany. 36 Aza mianiana amin'ny lohanao, fa tsy afaka manafotsy na manamainty ny singam-bolo iray ianao. 37 Fa aoka ny teninao ho, 'Eny, eny,' na 'Tsia, tsia.' Izay mihoatra izany dia avy amin'ny ilay ratsy. 38 Renareo fa voalaza hoe: 'Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify.' 39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe, aza manohitra izay ratsy. Fa kosa, na iza na iza mamely ny takolakao ankavanana dia atolory azy koa ny ilany. 40 Ary raha misy olona maniry ny hiaraka aminao ho any amin'ny fitsarana ka manendaka ny akanjonao, dia avelao ho azy ihany koa ny lambanao. 41 Na iza na iza manery anao andeha kilometatra iray, mandehana miaraka aminy amin'ny kilometatra roa. 42 Omeo izay mangataka aminao, ary aza mandà na iza na iza maniry ny hindrana aminao. 43 Efa renareo fa voalaza hoe: 'Tsy maintsy mitia ny mpiara-belona aminao ianao ary mankahala ny fahavalonao.' 44 Fa lazaiko aminareo, tiavo ny fahavalonareo ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, [Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara indrindra dia manala ny hoe: ""Misaora ireo izay manozona anareo, manaova ny tsara aminin'ireo izay mankahala anareo.""] 45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Fa Izy dia mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy sy ny tsara, ary mampilatsaka ny orana amin'ny marina sy ny tsy marina. 46 Fa raha ireo izay tia anareo no tiavinareo, inona no valisoa azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao tahaka izany koa? 47 Raha ny rahalahinareo irery ihany no arahabainareo, inona no mba ataonareo mihoatra ny hafa? Moa na dia ny Jentilisa aza tsy mba manao tahaka izany koa? 48 Noho izany dia tsy maintsy tanteraka ianareo, tahaka ny fahatanterahan'ny Rainareo izay any an-danitra.