Toko faha 4

1 Avy eo Jesosy notarihan'ny Fanahy ho any an'efitra mba halain'ny devoly fanahy. 2 Rehefa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina izy, dia noana. 3 Nanatona ny mpaka fanahy ka niteny taminy hoe: "Raha Zanak'Andriamanitra Ianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto." 4 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: "Voasoratra hoe: 'Tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa izay teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra."' 5 Avy eo ny devoly nitondra azy tany amin'ny tanàna masina ka nametraka azy teo amin'ny faratampon'ny tempoly, 6 ary niteny taminy hoe: "Raha Zanak'Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any, fa voasoratra hoe: 'Izy handidy ireo anjeliny hiahy anao' sy 'hanandratra Anao eo amin'ny tanan'izy ireo, ka tsy ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.'" 7 Jesosy niteny taminy hoe: "Dia mbola voasoratra indray hoe: 'Tsy tokony hitsapa ny Tompo Andriamanitrao Ianao.'" 8 Noentin'ny devoly hankany amin'ny toerana avo indray Izy ary nampiseho azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao sy ny hatsaran'ireo. 9 Hoy izy taminy hoe: "Ireo rehetra ireo dia homeko anao, raha toa ka miankohoka eto anatrehako sy midera ahy ianao." 10 Avy eo Jesosy niteny taminy hoe: "Mialà eto ianao, ry Satana! Fa efa voasoratra hoe: 'Ianao dia hidera ny Tompo Andriamanitrao, ary izy irery ihany no ho tompoinao.'" 11 Avy eo nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy. 12 Ary nony ren'i Jesosy fa voasambotra Jaona, dia niverina nakany Galilia izy. 13 Nandao an'i Nazareta izy ka nandeha ary nonina tao Kapernaomy, izay eo amoron-dranomasin'ny Galilia, ao amin'ny zara-tanin'i Zebolona sy Naftaly. 14 Izany no nitranga mba hahatanteraka izay nambaran'Isaia mpaminany hoe: 15 "Ny tanin'i Zebolona sy ny tanin'i Naftaly, mankany amin'ny ranomasina, any an-dafin'i Jordana, Galilia an'ireo Jentilisa! 16 Ireo olona nipetraka tamin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nipetraka tamin'ny faritra sy ny aloky ny fahafatesana, dia teo amin'izy ireo no niposahan'ny fahazavana." 17 Ary tamin'izany fotoana izany Jesosy dia nanomboka nitory teny sy nilaza hoe: "Mibebaha, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra." 18 Raha nandeha teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy, dia nahita mpirahalahy roa, Simona izay nantsoina hoe Petera, ary Andrea rahalahiny, nanipy ny haratony teny amin'ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. 19 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Andeha, hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo." 20 Teo no eo ihany dia nandao ireo harato izy ireo ka nanaraka Azy. 21 Ary raha mbola nandroso Jesosy dia nahita mpirahalahy roa hafa, Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny. Nanamboatra ny haratony tao an-tsambo izy ireo niaraka tamin'i Zebedio rain'izy ireo. Niantso azy ireo Izy, 22 ka teo no eo ihany dia nandao ny sambokeliny sy ny rainy izy ireo ka nanaraka Azy. 23 Nandeha eran'i Galilia Jesosy, nampianatra tao amin'ny synagogan'izy ireo, nitory ny filazantsaran'ny fanjakana, ary nanasitrana ireo karazan'aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra teo amin'ny olona. 24 Niely eran'i Syria ny vaovao mahakasika Azy, ka dia nentin'ny olona teo Aminy ireo izay marary rehetra, mararin'ny karazan'aretina sy fangirifiriana, ireo demoniaka, sy izay mararin'ny androbe sy mararin'ny paralysisa. Nositranin'i Jesosy izy ireny. 25 Vahoaka maro avy tany Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia ary ny avy any an-dafin'i Jordana no nanaraka Azy.