1 Tamin'izany andro izany dia nandeha nitory tany an'efitr'i Jodia i Jaona mpanao Batisa manao hoe: 2 "Mibebaha, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra." 3 Fa izy no ilay nolazain'Isaia mpaminany, manao hoe: "Misy feo iray miantso mafy any an'efitra hoe: 'Amboary ny lalan'ny Tompo, ahitsio ny lalany.'" 4 Ary Jaona nitafy volon-drameva sy nanao fehikibo hoditra tamin'ny valahany. Valala sy tantely remby no nataony fihinana. 5 Ary Jerosalema, Jodia manontolo, sy ny faritra rehetra manodidina ny reniranon'i Jordana dia nanatona azy. 6 Nataony batisa teny amin'ny reniranon'i Jordana izy ireo, rehefa niaiky ny fahotany. 7 Fa nony nahita ireo Fariseo sy Sadoseo maro nanatona azy mba ho atao batisa izy, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Ry taranaka menarana feno poizina, iza no nampitandrina anareo hitsoaka ny fahatezerana izay ho avy? 8 Mamoaza voa miendrika ny fibebahana. 9 Ary aza misaina ny hilaza anankam-po hoe: 'Manana an'i Abrahama ho rainay izahay.' Fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra dia mahavita manangana zanaka ho an'i Abrahama na dia avy amin'ireto vato ireto aza. 10 Ary efa napetraka eo am-pototrin'ny hazo ny famaky. Koa ireo hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia ho kapaina ary hatsipy any anaty afo. 11 Manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana aho. Fa mahery noho izaho izy izay tonga aoriako, ary izaho dia tsy mendrika akory na dia ny hitondra ny kapany aza. Hanao Batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo Izy. 12 Efa eny an-tanany ny fikororohany mba hanadiovana ny famoloany ary hanangonana ny variny any an-tsompitra. Fa izy dia handoro ireo akofa amin'ny afo izay tsy mety maty." 13 Avy eo Jesosy avy tany Galilia ka tonga teo amin'ny reniranon'i Jordana mba ho ataon'i Jaona batisa. 14 Nefa i Jaona dia niezaka nanakana azy, manao hoe: "Izaho no mila ataonao batisa, nefa ianao indray va no manatona ahy?" 15 Jesosy namaly ary niteny taminy hoe: "Ekeo izany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra." Avy eo Jaona nanaiky azy. 16 Nony vita batisa Izy, dia nivoaka ny rano avy hatrany Jesosy, ary indro, nisokatra taminy ny lanitra. Hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina toy ny voromailala ary nankeo amboniny. 17 Ary indro, nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: "Ity no Zanako malalako. Izay sitrako indrindra."