1 Ary ianareo mpisorona, ho anareo ity didy ity. 2 "Raha tsy hihaino ianareo, ary raha tsy hametraka izany ao am-ponareo mba hamomezana voninahitra ny anarako ianareo," hoy Yaveh Tompon'ny maro, "dia handefa hozona aminareo Aho, ary hanozona ny fahasoavanareo Aho. Eny tokoa, efa nanozona azy ireo Aho, satria tsy nataonareo tao am-ponareo ny didiko. 3 Indro, hiteny mafy ny taranakareo Aho, ary hanaparitaka zezika eny amin'ny tavanareo Aho, zezika avy amin'ny firavoravonareo, ary hanaisotra anareo hiaraka amin'izany Izy. [Fanamarihana: Raha tokony ho: "hiteny mafy ny taranakareo Aho" izay ao amin'ny lahatsoratra Hebreo, dia misy amin'ireo dikan-teny taloha sy vaovao manao hoe "Hanapaka ny sorokareo" (na "sandry"). Ny sasany amin'ireo dikan-teny amin'izao fotoana manao hoe "Hamotika ny taranakareo".] [Fanamarihana: Raha tokony hoe: "hanaisotra anareo hiaraka amin'izany Izy", izay ao amin'ny lahatsoratra Hebreo, dia misy amin'ireo dikan-teny taloha sy vaovao manao hoe: "Hanaisotra anareo tsy ho eo anilako Aho", izany hoe: "eo amin'ny fanatrehako".] 4 Dia ho fantatrareo fa efa nandefa io didy io taminareo Aho, ary ny fifanekeko dia hitohy amin'ireo Levi," hoy Yaveh Tompon'ny maro. 5 Ny fifanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana, ary nomeko azy ireo izy; nomeko tahotra izy, ary natahotra Ahy izy, ary nijoro tamin'ny tahotry ny anarako izy. 6 Fampianarana marina no tao am-bavany, ary tsy nisy diso teo amin'ny molony. Niaraka tamim-piadanana sy tamim-pahamarinana tamiko izy ary niamboho tamin'ny fomba maro tamin'ny ota. 7 Fa ny molotry ny mpisorona dia tokony hanam-pahalalana ary ny vahoaka dia tokony hitady fampianarana avy any am-bavany, satria mpitondra hafatr'i Yaveh Tompon'ny maro izy. 8 Fa ianareo dia niala tamin'ny lalana marina. Nahatonga ny maro ho tafintohina amin'ny fanajana ny lalàna ianareo. Nandika ny fanekem-pihavanan'i Levy ianareo," hoy Yaveh Tompon'ny maro. 9 "Noho izany Izaho ihany koa, dia efa nanao anareo ho tsinontsinona sy ratsy teo anoloan'ny vahoaka rehetra, satria tsy nitandrina ny lalako ianareo, fa kosa nampiseho fanavakavahana tamin'ny fampianarana." 10 Tsy ray tokana ihany ve no antsika rehetra? Tsy Andriamanitra tokana ihany ve no nahary antsika? Nahoana isika olona tsirairay avy no kely finoana amin'ny rahalahiny, maniratsira ny faneken'ireo razambentsika? 11 Joda dia kely finoana. Zavatra maharikoriko no nisy tao Israely sy tao Jerosalema. Fa naniratsira ny fitoerana masin'i Yaveh izay tiany i Joda, ka nanambady ny zanaka vavin'andriamani-kafa. 12 Aoka Yaveh hanala ireo lain'i Jakoba ilay lehilahy izay nanao izany, ilay nifoha sy ilay namaly, na dia nitondra fanatitra ho an'i Yaveh Tompon'ny maro aza izy. [Fanamarihana: Raha tokony hoe: "ilay nifoha, sy ilay namaly", dia misy amin'ireo dikan-teny sasany manana fomba fiteny toy ny hoe: "Ny tompo sy ilay nianatra".] 13 Ataovinareo ihany koa izao: Rakofanareo amin'ny ranomaso ny alitaran'i Yaveh, amin'ny fitomanina sy fisentoana, satria izy dia tsy mbola mitodika amin'ilay fanatitra na mandray izany amim-pankasitrahana avy eny an-tananareo. 14 Fa hoy ianareo hoe: "Nahoana Izy no tsy manao an'izany?" Satria Yaveh dia vavolombelona teo aminareo sy ny vady tamin'ny fahatanoranareo, tamin'izay naha kely finoana anareo, na dia mpiara-dia aminareo sy vadinareo tamin'ny alalan'ny fifanekena aza izy. 15 Tsy natambany ho iray ve izy ireo, miaraka amin'ny silaky ny fanahiny? Koa nahoana ianareo no nataony ho iray? Satria izy dia nitady taranaka avy amin'Andriamanitra. Koa ambeno ao amin'ny fanahinareo ny tenanareo, ary aza tsy mahatoky ny vadin'ny fahatanoranareo. 16 "Fa mankahala ny fisarahana Aho," hoy Yaveh, Andriamanitr'Israely, "ary ilay manarona ny fitafiany amin'ny herisetra," hoy Yaveh Tompon'ny maro. "Koa ambeno ao amin'ny fanahinareo ny tenanareo ary aza kely finoana." 17 Nandreraka an'i Yaveh tamin'ny teninareo ianareo. Fa hoy ianareo hoe: "Ahoana no nandrerahanay Azy?" Tamin'ny fitenenana hoe: "Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Yaveh, ary mankasitraka azy ireo Izy," na hoe: "Aiza ny Andriamanitry ny fahamarinana?"