Toko 1

1 Ny fanambarana ny tenin'i Yaveh tamin'Israely tamin'ny alalan'ny tanan'i Malakia. 2 "Efa nitia anareo Aho," hoy Yaveh. Saingy hoy ianareo hoe: "Ahoana no nitiavanao anay?" "Tsy rahalahin'i Jakoba ve i Esao?" hoy nambaran'i Yaveh. "Jakoba no efa tiako, 3 fa Esao efa nankahalaiko. Ny tendrombohiny dia efa nataoko lao, ary efa nataoko ho toerana ho an'ireo ambodia avy any an'efitra ny lovany. 4 Raha milaza i Edoma hoe: "Nolavoina izahay, kanefa hamerina hanangana ny rava izahay," dia hilaza i Yaveh Tompon'ny maro hoe: "Mety hanangana izy ireo, saingy ho ravaiko indray. Ireo hafa dia hiantso azy ireo hoe: 'TanĂ nan'ny faharatsiana' sy hoe: 'Ireo vahoaka izay nozonin'i Yaveh mandrakizay.' 5 Hahita izany ny masonareo, ary hiteny ianareo hoe: 'Yaveh dia lehibe mihoatra ireo faritanin'Israely.'" 6 "Toy ny zanaka lahy manome voninahitra ny rainy, sy ny mpanompo manome voninahitra ny tompony. Raha ray Aho, aiza ny voninahitro? Raha tompo Aho, aiza ny fanehoana fanajana Ahy?" hoy Yaveh Tompon'ny maro tamin'ireo mpisorona, izay nanao tsinontsinona ny anarako. "Saingy hoy ianareo hoe: 'Ahoana no nanaovanay tsinontsinona ny anaranao?' 7 Tamin'ny fanolorana mofo voaloto eo amin'ny alitarako. Saingy hoy ianareo hoe: 'Ahoana no nandotoanay Anao?' Tamin'ny filazana fa tsy misy dikany ny latabatr'i Yaveh. 8 Rehefa manolotra biby jamba ho atao sorona ianareo, moa tsy ratsy ve izany? Rehefa manolotra ny kilemaina sy marary ianareo, moa tsy ratsy ve izany?" Asehoy any amin'ny governoranareo izany! Handray anareo ve izy na hampitraka ny tavanareo?" hoy Yaveh Tompon'ny maro. 9 Ankehitriny ianareo dia mbola manontany ny endrik'Andriamanitra, mba hamindrany fo antsika. Fa Yaveh Tompon'ny maro nilaza fa amin'ny fanatitra toy izany eny an-tananareo, moa hampitraka ny tarehinareo ve Izy? 10 "Raha mba nisy iray taminareo mantsy nanakatona ny vavahadin'ny tempoly, mba tsy ho zava-poana ny andrehetanareo afo eo amin'ny alitarako! Tsy mankasitraka anareo Aho," hoy Yaveh Tompon'ny maro: "ary tsy handray fanatitra avy amin'ny tananareo Aho. 11 Fa ny anarako dia ho lehibe eo amin'ireo firenena ary isaky ny toerana rehetra manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro mandra-piletiny ary ditin-kazo manitra sy fanatitra madio no hatolotra amin'ny anarako. Fa ny anarako dia lehibe eo amin'ireo firenena." hoy Yaveh Tompon'ny maro. 12 "Fa maniratsira izany ianareo rehefa milaza fa maloto ny latabatry ny Tompo, ary ireo vokany, ireo sakafony, dia ho atao tsinontsinona. 13 Hoy koa ianareo hoe: 'Mandreraka koa izy izany,' dia niherona tamin'izany ianareo," hoy i Yaveh Tompon'ny maro. "Nitondra izay nesorina tamin'ny bibi-dia ianareo na kilemaina na marary; ary nentinareo ho fanatitrareo izany. Tokony handray izany avy eny an-tananareo ve Aho?" hoy Yaveh. 14 "Aoka hozonina ny mpamitaka izay manana ondry lahy ao amin'ny ondriny sy mivoady hanome Ahy izany, ary mbola manome sorona izay misy kilema Ahy, Tompo! Fa Izaho dia mpanjaka lehibe," hoy Yaveh Tompon'ny maro," ary ny Anarako dia homen-boninahitra eo amin'ireo firenena."