Toko faha 8

1 "Amin'izany fotoana izany—izao no fanambaran'Yaveh—ho entin'izy ireo hivoaka ireo fasana ny taolan'ireo mpanjakan'i Joda sy ireo manam-pahefany, ireo taolan'ireo mpisorona sy ireo mpaminany, ary ireo taolan'ireo mponin'i Jerosalema. 2 Ary ho aparitak'izy ireo eo amin'ny fahazavan'ny masoandro sy ny volana ary ireo kintana rehetra eny amin'ny lanitra ireo; ireo zavatra eny amin'ny lanitra izay narahin'izy ireo sy notompoiny, izay notompoiny sy nofotopotorin'izy ireo, ary niankohofan'izy ireo. Tsy hangonina ireo taolana ary tsy halevina intsony. Ho tahaka ny zezika eny amin'ny velaran-tany izy ireo. 3 Eny amin'ny toerana rehetra sisa tavela izay nitondrako azy ireo, dia hifidy ny fahafatesana izy ireo fa tsy ny miaina, ny rehetra mbola velona amin'ity firenena ratsy ity—izany no fanambaran'Yaveh tompon'ny maro. 4 Koa lazao izy ireo hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: Nisy nianjera ve ka tsy niarina? Nisy olona very ve ka tsy nanandrana ny hiverina? 5 Fa nahoana ity vahoaka ity, ry Jerosalema, no nivily maharitra tamin'ny tsy fananam-pinoana? Mifikitra amin'ny fitaka izy ireo ary mandà ny hibebaka. 6 Nitandrina tsara Aho ary nihaino, fa tsy niteny marina izy ireo; tsy nisy niala tsiny tamin'ny haratsiany, tsy nisy na iray aza milaza hoe: "Inona no nataoko?" Nandeha tany amin'izay niriany avy Izy rehetra, tahaka ny soavaly lahy mihazakazaka amin'ny ady. 7 Na ny vano eny amin'ny lanitra aza mahalala ny fotoana mety; sy ireo domoina, sidintsidina, ary ny vanobe. Mandeha amin'ny fifindra-moniny izy ireo amin'ny fotoana mety, fa ny oloko dia tsy mahalala ny didin'i Yaveh. 8 Ahoana no hilazanareo hoe: "Hendry isika, fa ny lalàn'Yaveh dia momba antsika"? Eny tokoa, indro! Ny penina mpamitakin'ny mpanora-dalàna dia efa namorona fitaka. 9 Ny lehilahy hendry dia ho afa-baraka. Raiki-tahotra izy ireo ary voafandrika. Indro! Nandà ny tenin'i Yaveh izy ireo, koa atao inona ny fahendren'izy ireo? 10 Ka hanome ny vadin'izy ireo ho an'ny hafa Aho, ary ireo tanimbolin'izy ireo ho an'izay manana ireo ho fananana, satria manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, izy rehetra dia tia vola azo avy amin'ny tsy rariny. Hatramin'ny mpaminany ka hatramin'ny mpisorona, izy rehetra dia manao fitaka. 11 Nanasitrana ny ratran'ireo vahoakako mora fotsiny izy ireo, niteny hoe: " Fiadanana, fiadanana," tamin'ny tsy nisy fiadanana tao. Menatra ve izy ireo rehefa nanao ireo fahavetavetana? 12 Tsy menatra izy ireo; tsy fantatr'izy ireo izay hoe mivoara-mena! Ka hianjera eo amin'ireo lavo izy ireo; ho entina midina izy ireo rehefa voasazy, hoy Yaveh. 13 Hanala azy ireo tanteraka Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—tsy hisy voaloboka amin'ny hazom-boaloboka, na amin'ny hazon'aviavy aza dia tsy hisy aviavy. Ary halazo ny ravina, ary izay nomeko azy ireo dia ho levona. 14 Nahoana isika no mipetraka eto? Andeha hiaraka; handeha isika ho any amin'ireo tanàna voaaro mafy, ary hanjary hangina amin'ny fahafatesana any isika. Fa hampangina antsika i Yaveh Andriamanitsika. Hampisotro rano misy poizina antsika Izy, satria efa nanota Taminy isika. 15 Manantena fiadanana isika, nefa tsy hisy zavatra tsara. Manantena fotoam-panasitranana isika, nefa indro, hisy horohoro. 16 Re avy any Dana ny feonfiefon'ireo soavaly lahiny. Mihozongozona ny tany manontolo noho ny feon'ny fieron'ireo soavaly matanjaka. Fa ho avy izy ireo ary hamotika ny tany sy ny hareny, ny tanàna sy ireo izay mipetraka ao. 17 Fa indro, handefa bibilava aminareo Aho, dia vipera izay tsy ho azonareo tambatambazana. Hanaikitra anareo ireo—izany no fanambaran'i Yaveh.'" 18 Tsy manam-pahataperana ny alaheloko, ary marary ny foko. 19 Indro! Ny feo mihiakan'ny zanakavavin'ny vahoakako avy any an-tany lavitra! Tsy ao Ziona ve Yaveh? Na tsy ao ve ny mpanjakany? Nahoana izany izy ireo no manafintohina ahy amin'ireo endrik'asa voasokiny sy ireo sampy vahiny tsy misy dikany? 20 Efa nandalo ny fotoam-pijinjana, tapitra ny fahavaratra. Nefa tsy voavonjy isika. 21 Naratra aho nohon'ny ratran'ny zanaka vavin'ny vahoakako. Malahelo ny amin'ireo zavatra mahatsiravina izay nahazo azy aho; raiki-tahotra aho. 22 Tsy misy fanafody ve ao Gileada? Tsy misy mpanasitrana ve ao? Nahoana no tsy hitranga ny fanasitranana ny vahoakako?