Toko faha 7

1 Izao ny teny izay tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Yaveh: 2 "Mijoroa eo am-bavahadin'ny tranon'i Yaveh ary ambarao ity teny ity! Lazao hoe: "Henoy ny tenin'i Yaveh, ianareo ry Joda rehetra, ianareo izay miditra ao amin'ireo vavahady ireo mba hanompo an'i Yaveh. 3 Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nilaza hoe: amboary ny lalanareo ary manaova ny tsara, dia hanohy ny hiaina ao amin'ity toerana ity Aho. 4 Aza mitoky amin'ireo teny mamitaka manao hoe: "Tempolin'i Yaveh! Tempolin'i Yaveh! Tempolin'i Yaveh!" 5 Fa raha manamboatra ny lalanareo tokoa ianareo sady manao ny tsara; raha tena manatanteraka feno ny rariny eo amin'ny olona sy ny mpiara-belona aminy tokoa ianareo— 6 raha tsy manararaotra ilay mijanona eo amin'ilay tany, ireo kamboty, na ireo mpitondratena ianareo ary aza mandatsa-dràn'olona tsy manan-tsiny eo amin'izany toerana izany, ary aza manaraka ireo andriamanin-kafa ampahory ny tenanareo ihany— 7 dia hamela anareo hitoetra eo amin'ity toerana ity Aho, any amin'ny tany izay nomeko an'ireo razanareo tamin'ny andro fahiny ary ho mandrakizay. 8 Indro! Ianareo dia matoky ireo teny fitaka izay tsy manampy anareo. 9 Moa ve ianareo mangalatra, mamono, sy mijanganjanga? Mianiana amin'ny fitaka ve ianareo ary manolotra ditin-kazo manitra ho an'i Bala ary manaraka ireo andriamanin-kafa izay tsy mbola fantatrareo? 10 Dia tonga hijoro eo anatrehako ato amin'ity trano ity izay nantsoina amin'ny anarako ve ianareo ary hiteny hoe: "Avotra izahay," mba ahafahanareo manao ireo fahavetavetana rehetra ireo? 11 Moa ve ity trano ity, izay mitondra ny anarako, zohin-jiolahy eo imasonareo? Kanefa indro, efa hitako izany— izany no fanambaran'i Yaveh.' 12 Koa mandehana any amin'ny fitoerako izay any Silo, izay namelako ny anarako hitoetra tany am-piandohana, ary jereo ny nanaovako azy nohon'ny faharatsian'ny vahoakan'Israely. 13 Koa ankehitriny, nohon'ny fanaovanareo ireo fanaonareo rehetra ireo— izao no fanambaran'i Yaveh—nilaza taminareo ombieny ombieny Aho, nefa tsy nihaino ianareo. Nampiantso anareo Aho, nefa tsy namaly ianareo. 14 Noho izany, izay nataoko tamin'i Silo, dia ho ataoko amin'ity trano izay nantsoina amin'ny anarako ity, ilay trano izay nitokianareo, ity toerana izay nomeko anareo sy ny razanareo ity. 15 Fa handroaka anareo tsy ho eto anatrehako Aho tahaka ny efa nandroahako ireo rahalahinareo rehetra, ireo taranak'i Efraima rehetra.' 16 Raha ny aminao, ry Jeremia, aza mivavaka ho an'ity vahoaka ity, ary aza manandratra ny fidradradradrana fitomaniana na manonona vavaka amin'ny anaran'izy ireo, aza mangataka amiko, fa tsy hihaino anao Aho. 17 Moa ve tsy hitanao ny ataon'izy ireo ao amin'ireo tanànan'i Joda sy eny amin'ireo lalan'i Jerosalema? 18 Manangona hazo ireo ankizy ary ireo ray mandrehatra afo! Ireo vehivavy mitoto koba hanaovana mofo mamy ho an'ny mpanjaka vavin'ny lanitra sy mandraraka fanatitra sotroina ho an'ireo andriamanin-kafa mba hiantsian'izy ireo Ahy. 19 Tena mihantsy Ahy tokoa ve izy ireo?—izao ny fanambaran'i Yaveh—moa ve tsy ny tenan'izy ireo ihany no hihantsian'izy ireo, koa ao amin'izy ireo ihany izany fahamenarana izany? 20 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako dia ho avy amin'ity toerana ity, amin'ny olona sy ny bibidia, amin'ny hazo eny amin'ireo saha sy ny voa eo amin'ny tany. Hirehitra izany ary tsy ho faty mihitsy.' 21 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely: 'Hatovano amin'ireo soronareo sy ny hena avy aminy ireo fanatitra doranareo. 22 Fa rehefa nitondra ny razanareo hiala avy tao amin'ny tany Egypta Aho, dia tsy nitaky na inona na inona tamin'izy ireo. Tsy nanome didy azy ireo momba ny raharahan'ny fanatitra dorana sy ny sorona Aho. 23 Izao didy izao ihany no nomeko azy ireo: "Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho oloko. Koa mandehana amin'ny lalana rehetra izay nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.'' 24 Kanefa tsy nihaino izy ireo ary tsy nitandrina. Niaina tamin'ny fikasan-dratsin'ny fon'izy ireo ihany izy ireo, ka nihemotra, fa tsy nandroso. 25 Hatramin'ilay andro nivoahan'ny razanareo avy tao amin'ny tany Egytpa ka hatramin'izao andro izao, dia efa nandefa ny tsirairay tamin'ireo mpanompoko, ireo mpaminaniko, tany aminareo Aho. Nikiry tamin'ny fandefasana azy ireo Aho. 26 Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo. Tsy niraharaha izy ireo. Fa kosa, nanamafy hatoka izy ireo. Ratsy fanahy mihoatra noho ny razambeny izy ireo.' 27 Koa ambarao amin'izy ireo ireo teny rehetra ireo , fa tsy hihiaino anao izy ireo. Ambarao amin'izy ireo izany zavatra rehetra izany, fa tsy hamaly anao izy ireo. 28 Lazao izy ireo fa ity no firenena tsy mihaino ny feon'i Yaveh Andriamaniny ary tsy mandray fananarana. Rava ny fahamarinana ary niala tamin'ny vavan'izy ireo. 29 Tapaho ny volonao dia arato ny tenanao, ary ario ny volonao. Mihirà hira fisaonana eny ankalamanjana. Fa Yaveh dia efa nandà sy nahafoy ity taranaka ity tamin'ny fahatezerany. 30 Fa nanao ratsy teo imasoko ny zanak'i Joda—izany no fanamabaran'i Yaveh—nandefa ny zava-maharikorikon'izy ireo tao amin'ny trano izay antsoina amin'ny anarako izy ireo, mba handoto izany. 31 Avy eo dia nanorina ny toerana avon'ny Tofeta izay any amin'ny lohasahan'i Ben-Hinema izy ireo. Nanao izany izy ireo handorana ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo amin'ny afo—zavatra izay tsy nandidiko, na niditra tao amin'ny saiko akory. 32 Koa indro, ho avy ireo andro—izany no fanambaran'i Yaveh—rehefa tsy ho antsoina ho Tofeta na lohasahan'i Ben-Hinema intsony izany. Ho lohasahan'ny famonoana izany; handevina ny faty ao Tofeta izy ireo mandra-paha tsy misy toerana intsony. 33 Ny fatin'ity vahoaka ity dia ho sakafon'ny voron'ny lanitra sy ho an'ireo bibin'ny tany, ary tsy misy na iza na iza hampatahotra azy ireo intsony. 34 Ho faranako ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema, ny feon'ny fifaliana sy ny feo ny firavoravoana, ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, fa ho lao ny tany.''