1 Raha mba afaka mamokatra rano mantsy ny lohako, ary ny masoko ho loharanon-dranomaso! Fa maniry ny hitomany andro aman'alina aho ho an'ireo zanaka vavin'ny oloko izay novonoina. 2 Raha mba misy olona afaka manome ny toerana ho an'ireo mpivahiny ho ahy honenana any an'efitra mantsy, izay ahafahako mandao ny oloko. Raha mba afaka mandao azy ireo mantsy aho , satria izy rehetra dia mpijangajanga sy andiana mpamadika! 3 Yaveh dia nanambara hoe :" Manenjana ny tsipìkan-daingany amin'ny lelany izy ireo, nefa tsy nohon'ny fahatokian'izy ireo no mampatanjaka azy amin'ny tany. Niala tamin'ny asa ratsy iray izy ireo dia miditra amin'ny iray hafa. Tsy mahafantatra Ahy izy ireo." 4 Ianareo tsirairay avy, mitandrema amin'ny namanareo ary aza mahatoky ireo rahalahy. Fa ny rahalahy rehetra dia mpamitaka tokoa, ary ny namana rehetra dia mandeha amin'ny fanedrikendrehana. 5 Ny olona tsirairay dia maniratsira ny namany ary tsy milaza ny marina. Ny lelan'izy ireo dia mampianatra zavatra fitaka. Reraka amin'ny fanaovan-dratsy izy ireo. 6 Ny fonenanareo dia eo afovoan'ny fitaka; tao anatin'ny famitahan'izy ireo dia mandà ny hanaiky Ahy izy ireo—izany no fanambaran'Yaveh." 7 Yaveh Tompon'ny maro milaza hoe: "Indro, Izaho efa hizaha toetra sy hitsapa azy ireo, fa inona ihany koa no afaka ataoko, nohon'ny amin'izay nataon'ny oloko? 8 Ny lelan'izy ireo dia zana-tsipika maranitra; miresaka zavatra tsy mahatoky izy ireo. Amin'ny vavany no hanambarany fiadanana amin'ireo namany, fa amin'ny fony no hanaovany otrika ho azy ireo. 9 Tsy tokony hanasazy azy ireo ve Aho noho ny amin'ireo zavatra ireo—fanambaran'i Yaveh izany— ary tsy tokony hamaly faty amin'ny firenena tahaka izao ve ny tenako? 10 Hihira hira fisaonana sy fidradradradrana ho an'ireo tendrombohitra Aho, ary ny hiram-pandevenana dia hiraina eo amin'ireo tanin'ahitra. Fa nodorana izy ireo ka tsy misy afaka mandalo amin'izany. Tsy handre feon'ny biby fiompy intsony izy ireo. Ireo voron'ny lanitra sy ireo biby dia nandositra avokoa. 11 Koa dia hataoko ho antonta-paharavana i Jerosalema, sy fieren'ireo ambodia. Ireo tanàn'i Joda dia hataoko toerana rava tsy misy mponina." 12 Iza no olon-kendry mahatakatra an'izany? Ho an'iza no niresahan'ny vavan'i Yaveh, ka hanambara izany izy? Fa inona no nahasimba ilay tany sy nandravana azy tahaka ny efitra izay tsy ahafahan'iza n'iza mandalo? 13 Hoy Yaveh hoe: "Satria izy ireo nahafoy ny lalàko izay napetrako teo anoloany, satria tsy nihaino ny feoko na nandeha tamin'izany izy ireo. 14 Satria izy ireo dia nandeha tamin'ny ditran'ny fony sy nanaraka ireo Bala toy izay nampianarin'ireo razambeny azy ireo hatao. 15 Noho izany Yaveh Tompon'ny maro, ilay Andriamanitrin'ny Israely, milaza hoe: 'Indro, hampihinaniko hazo mangidy sy hampisotroiko rano misy poizina ity vahoaka ity. 16 Ary haeliko manerana ireo firenena izay tsy mbola fantatr'izy ireo, na izy ireo na ny razamben'izy ireo. Handefa sabatra hamely azy ireo Aho mandra-paharava azy ireo tanteraka."' 17 Yaveh Tompon'ny maro nilaza hoe: "Hevero izao: Miantsò mpihiram-pandevenana; aoka izy ireo ho avy. Mampiantsoa vehivavy manam-pahaizana amin'ny fitomaniana; aoka izy ireo ho avy. 18 Aoka izy ireo ho avy faingana ka hihira hira fisaonana eto amintsika, ka ho feno ranomaso anie ny masontsika ary ho tobakin'ny rano ny hodi-masontsika. 19 Fa ny feon'ny fidradradradrana dia heno any Ziona, 'Endrey ny faharavantsika. Menatra tanteraka isika, satria nandao ny tany isika hatramin'ny nandravany ny tranontsika.' 20 Koa ianareo ry vehivavy, henoy ny tenin'i Yaveh; tandremo ireo hafany izay avy amin'ny vavany. Koa ampianaro hira fisaonana ny zanakareo vavy, ary hira fandevenana ny vehivavy namanareo tsirairay avy. 21 Fa ny fahafatesana dia tonga avy eo amin'ny varavarankelintsika; niditra ao amin'ireo lapantsika izany. Mandringana ireo ankizy avy any ivelany izany, sy ireo tovolahy eny an-kianjan'ny tanàna. 22 Ambarao izao, "Izany no fanambaran' i Yaveh—ny fatin'ireo lehilahy dia hiraraka toy ny zezika eny an-tsaha, ary ho toy ny amboaram-bary ao aorian'ireo mpinjinja, ary tsy hisy olona hanangona an'izany."' 23 Izao no lazain'Yaveh: "Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, na ny lehilahy mpiady amin'ny heriny. Aoka ny mpanankarena tsy hirehareha amin'ny harenany. 24 Fa raha misy olona mirehareha amin-javatra, dia avelao amin'izao izany, fa manfatatra Ahy sy ny ao anatiko izy. Fa Izaho no Yaveh, izay miasa amin'ny fanekena tsy mivadika, ny rariny sy ny hitsiny eo an-tany. Fa amin'izany no ahazoako fafinaretana —izany no fanambaran'i Yaveh." 25 "Indro, tonga ireo andro—izany fanambaran'i no Yaveh—rehefa hanasazy ireo rehetra voafora amin'ny nofony ihany Aho. 26 Hanafay an' i Egypta sy Joda, Edoma, ny vahoakan'ny Amona, Moaba, ary ny olona rehetra izay manapaka ny volon-dohany ho tena fohy Aho. Fa ireo firenena rehetra ireo dia tsy voafora, ary ny ankohonan'Israely rehetra dia manana fo tsy voafora."