1 Izao no ambaran'i Yaveh: "Indro, handeha hampitsoaka ny rivotra mpandringana amin'i Babylona sy ireo izay monina ao Leba-Kamay Aho. 2 Handefa ireo vahiny ao Babylona Aho. Hanaparitaka azy izy ireo ary handravarava ny taniny, fa ho avy hanohitra azy avy amin'ny manodidina rehetra izy ireo amin'ny andron'ny loza. 3 Aza avela handefa ireo zana-tsipíkany ireo mpandefa tsipíka, aza avela hanao ny akanjo fiarovany izy ireo. Aza mamindra fo amin'ireo tovolahiny; hatokany amin'ny fandravana ny tafiny rehetra. 4 Fa ny olona maratra dia hianjera ao amin'ny tanin'ireo Kaldeana, ireo izay voavono dia hianjera eny amin'ireo lalany. 5 Fa Israely sy Joda dia tsy nafoin'ny Andriamaniny, Yaveh Tompon'ny maro, na dia feno ireo fandikan-dalàna manohitra ny Masin'Israely aza ny taniny. 6 Mandosira amin'ny afovoan'i Babylona. Aoka ny olona tsirairay samy hanavotra ny tenany. Aoka tsy ho ringana ao anatin'ny helony. Fa izao no fotoana hanaovan'Yaveh valifaty. Honerany ho azy ny rehetra amin'izany. 7 Kapoaka volamena eo an-tanan'i Yaveh i Babylona izay nahamamo izao tontolo izao; nisotro ny divainy ireo firenena ka lasa very saina. 8 Hianjera tampoka Babylona ary ho ravaina. Midradradradrà ho azy! Omeo fanafody amin'ny fanaitainany izy; dia ho sitrana izy angamba. 9 'Naniry ny hahasitrana an'i Babylona izahay, fa tsy sitrana izy. Aoka isika rehetra handao azy sy handeha lavitra , ho any amin'ny tanintsika. Fa mahatakatra lanitra ny helony; misavovona hatreny amin'ireo rahona izany. 10 Efa nanambara ny tsy fananantsika tsiny Yaveh. Avia, andeha isika hilaza amin'i Ziona ireo asan'i Yaveh Andriamanitsika. 11 Ranito ireo zana-tsipíka ary alaivo ireo ampinga. Yaveh dia misarika ny mpanjakan'i Medesa amin'ny fikasana hamotika an'i Babylona. Izany dia ho an'ny valifatin'Yaveh, famaliana faty tamin'ny nandravana ny tempoliny. 12 Manandrata faneva eo ambonin'ireo mandan'i Babylona. Hamafiso ny fiambenana; mametraha mpiambina; ataovy vonona ireo otrika; fa hotanterahin'ny TOMPO ireo izay nolazainy mahakasika ny mponin'i Babylona. 13 Ianareo mponina izay mipetraka eny amin'ireo moron-drano; Ianareo mponina izay manan-karena zava-tsarobidy, tonga ny fiafaranareo. Ny tadin'ny fiainanareo dia nafohezina ankehitriny. 14 Nianina tamin'ny ainy manontolo i Yaveh Tompon'ny maro hoe: "Ho fenoiko fahavalonao ianareo, tahaka ny fandringanan'ny valala; hanangana adim-pihorahana aminao izy ireo.' 15 Nanao ny tany tamin'ny alalan'ny fahefany Izy; nametraka ny tany tamin'ny toerany izy avy tamin'ny fahendreny; namelatra ireo lanitra tamin'ny fahazavan-tsainy Izy. 16 Rehefa mitrerona Izy, dia misy rano mierona any an-danitra, Fa mitondra ny zavona avy any am-paran'ny tany izy. Manao tselatra ho an'ny orana Izy ary mamoaka ireo tafio-drivotra ao amin'ireo trano fitehirizany. 17 Lasa bado ny olona rehetra, tsy manam-pahalalana. Ireo mpanefy vy rehetra dia ho menatra noho ireo sampiny. Fa fitaka ireo sarin-javatra an-idinany, ary tsy misy fiainana ao amin'izy ireny. 18 Tsy ilaina izy ireny, ireo asan'ny mpaniratsira; ho faty izy ireo amin'ny fotoanan'ny famaizana azy. 19 Fa Andriamanitra, ilay anjaran'i Jakoba, dia tsy mba tahaka izany, fa Izy no mpamolavola ny zavatra rehetra. Israely no fokon'ny lovany; Yaveh Tompon'ny maro no Anarany. 20 Fa Ianao no fitaovam-piadiko, langilangy amin'ny adiko. Ianao no hanorotoroko ireo firenena sy hamotehiko ireo fanjakana. 21 Ianao no hanorotoroko ireo soavaly sy ireo mpitaingina azy; miaraka Aminao no hanorotoroko ireo kalesy sy ireo mpitondra azy. 22 Ianao no hanorotoroko ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay avy; Ianao no hanorotoroko ny antitra sy ny tanora. Miaraka aminao no hanorotoroko ireo zatovo lahy sy ireo virjiny vavy. 23 Miaraka aminao no hanorotoroko ireo mpiandry ondry sy ireo ondry aman'osiny. Miaraka aminao no hanorotoroko ny mpiasa tany sy ireo tariny. Miaraka aminao no hanorotoroko ireo governora sy ireo manam-pahefana. 24 Fa eo imasonao no hamaliko an'i Babylona sy ireo mponin'i Kaldea nohon'ny amin'ireo haratsiana rehetra izay nataon'izy ireo tao Ziona—izany no fanambaran'i Yaveh. 25 Indro, manohitra anao Aho, ry tendrombohitry ny faharavana—izany no fanambaran'i Yaveh—izay mandrava ny tany manontolo. Haninjitra ny tanako hanohitra anao Aho ary hampikodiadia anao any amin'ireo hantsana, ary hanao anao ho tendrombohitra mirehitra Aho. 26 Ka tsy haka vato hanorenana zoron-trano sy fototra avy aminao izy ireo; fa ho lasa faharavana mandrakizay ianao_izany no fanambaran'i Yaveh. 27 Manangàna faneva manerana ny tany. Tsofy manerana ireo firenena ny anjomara. Antsoy ireo firenena hamely azy: Ararata, Miny ary Askenaza. Manendre mpibaiko hamely azy; mitondrà soavaly tahaka ireo valala voloina. 28 Vonony ireo firenena hamely azy: ny mpanjakan'i Mediana sy ireo governorany, ny manam-pahefany rehetra ary ireo tany rehetra izay eo ambanin'ny fahefany. 29 Fa hihorohoro sy ho ao anaty hirifiry ny tany, satria nitohy ny fikasan'i Yaveh hanohitra an'i Babylona, mba hahatonga ny tanin'i Babylona ho tany ngazana izay tsy misy mponina. 30 Efa nijanona nitolona ireo miaramilan'i Babylona; nijanona tao amin'ireo fiarovany mafy izy ireo. Lefy ny herin'izy ireo; lasa vehivavy izy ireo—mirehitra ny tranon'izy ireo, tapaka ireo hidim-bavahadiny. 31 Ny mpitondra hafatra mihazakazaka mba hanambara hafatra any amin'ny mpitondra hafatra iray hafa, ary ny mpihazakazaka iray miteny amin'ny mpihazakazaka iray hafa mba hitatitra any amin'ny mpanjakan'i Babylona fa ity tanàna ity dia efa voasambotra hatrany farany. 32 Ka azo ireo fiampitana eny ambonin'ny rano, mandoro ireo volotara amin'ny afo miheniheny ireo fahavalo, ary very hevitra ireo lehilahy mpiadin'i Babylona. 33 Fa Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, no miteny izao: tahaka ny famoloana ny zanaka vavin'ny Babylona. Fotoana hanosena azy izao. Ho avy aminy anaty fotoana fohy ny fotoam-pijinjana. 34 Nolevonin'i Nebokadnezara mpanjakan'ny Babylona aho; nitondra ahy amin'ny fahaverezan-kevitra izy. Ary nataony ho vilany foana aho, nanatelina ahy tahaka ny biby goavam-be izy; nameno ny kibony tamin'ny hanim-piako izy; nandroaka ahy izy. 35 Izay monina ao Ziona hiteny hoe: "Aoka ny herisetra natao ahy sy tamin'ny nofoko ho amin'i Babylona." Ary hoy Jerosalema hoe: "Aoka ny rako ho amin'ireo mponin'i Kaldea." 36 Koa izao no lazain'i Yaveh: "Handeha hisolo vava anao Aho ary hitondra valifaty ho anao. Fa ho ritiko ny ranon'i Babylona ary hanamaina ny loharanony Aho. 37 Fa ho lasa korontam-bato i Babylona, lavaka fieren'ny ambodia, horohoro, zavatra mampisiotsioka, izay tsy misy mponina. 38 Hierona miaraka tahaka ireo liona tanora ireo Babyloniana. Hierona toy ny zana-diona izy. Raha lasa anaty fitiavam-bola tafahoatra izy ireo, hanao 39 fihinanambe ho azy ireo Aho, hamamoiko izy ireo ka ho faly ary dia hatory anaty torimaso tsy mety tapitra ka tsy hifoha intsony—izany no fanambaran'i Yaveh— 40 Ho alefako hidina any amin'ny famonoana tahaka ireo zanak'ondry, tahaka ny omby aman'ondry miaraka amin'ireo osy izy ireo. 41 Endrey ny nahazoana an'i Babylona! Ka azo ny fideran'ny tany manontolo. Endrey fa tonga toerana ngazana eo amin'ireo firenena i Babylona. 42 Miakatra manerana an'i Babylona ny ranomasina! Voarakotrin'ireo onjany mierona izy. 43 Tonga faharavana ireo tananany, tany maina sy efitra, tany izay tsy misy monina, ary tsy handalovana na olona iray aza. 44 Ka ho faiziko ao Babylona i Bela; ho entiko hivoaka ny vavany izay nateliny ary ireo firenena dia tsy hikoriana aminy miaraka amin'ireo fanatitr'izy ireo. Hirodana ny mandan'i Babylona. 45 Mivoaha eo amin'ny afovoany, ry oloko. Aoka ny tsirairay samy hanavotra ny tenany amin'ny fahaviniran'ny fahatezerako. 46 Aza avela ho menatra ny fonareo na hatahotra ny vaovao izay heno ao amin'ilay tany, fa ho avy amin'ny taona iray ireo vaovao. Aorian'izany amin'ny taona manaraka ihany koa dia hisy vaovao, ary ny herisetra dia ho ao amin'ny tany. Mpanapaka hanohitra mpanapaka. 47 Koa, indro, tonga ny andro izay hanafaizako ireo sampy voasokitr'i Babylona. Ho menatra ireo taniny rehetra, ary ireo fatiny rehetra dia hianjera eo afovoany. 48 Ary ny lanitra sy ny tany, ary izay rehetra ao amin'izy ireo dia hifaly amin'ny Babylona. Fa ho avy aminy avy any avaratra ny mpandringana—izany no fanambaran'i Yaveh. 49 "Tahaka ny nampianjeran'i Babylona ny Israely voavono, no hianjeran'ireo voavono tao amin'ny taniny rehetra ao Babylona." 50 Ry sisa velona amin'ny sabatra, mandeana! Aza mijanona. Tsarovy avy eny alavitra i Yaveh; aoka hotsaroina i Jerosalema. 51 Menatra izahay, fa naheno ireo teny maloto; nandrakotra ny tavanay ny fanamelohana, fa niditra tao amin'ireo fitoerana Masin'ny tranon'i Yaveh ireo vahiny. 52 Koa, indro, tonga ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hanafaizako ireo sampy voasikony, dia hisento amin'ny taniny rehetra ny vahoaka maratra. 53 Fa na dia miakatra eny amin'ny lanitra aza i Babylona na manamafy ireo fiarovany mafy avo indrindra aza izy, dia ho avy aminy ireo mpandringana avy amiko—izany no fanambaran'i Yaveh. 54 Ny hiakan'ny fahoriana dia avy any Babylona, firodanana lehibe avy any amin'ny tanin'ireo Kaldeana. 55 Fa Yaveh dia mandrava an'i Babylona. Izy no mampitsahatra ireo fihorakorahana mafy. Mierona tahaka ireo onjan-drano ireo fahavalony; mihamafy ireo tabatabany. 56 Fa tonga hanohitra azy ny mpandringana—manohitra an'i Babylona!—ary ireo lehilahy mpiadiny dia efa voasambotra. Tapaka ireo tsipíkany, fa Yaveh no Andriamanitrin'ny famaliana; fa hitondra izany famaliana izany tokoa Izy. 57 Fa hataoko mamo ireo andriandahiny, ireo olo-kendriny, ireo manam-pahefany, ary ireo miaramilany, dia hatory anaty torimaso tsy misy fiafarany izy ireo ary tsy hifoha intsony—izao no fanambaran'ny mpanjaka: Yaveh Tompon'ny maro no anarany. 58 Yaveh Tompon'ny maro miteny izao: "Ho rava tanteraka ny manda matevin'i Babylona ary hodorana ireo vavahadiny avo. Dia ireo vahoaka izay tonga hanampy azy dia ho sasa-poana; ny zava-drehetra izay ezahin'ireo firenena atao ho azy dia hodorana." 59 Izao no teny izay nandidian'i Jeremia mpaminany an'i Seraia zanaka lahin'i Neria zanaka lahin'i Mahaseia rehefa nandeha ho any Babylona izy niaraka tamin'i Zedekia mpanjakan'ny Joda tamin'ny taona fahaefatra nanjakany. Fa tonga ho lehiben'ny manam-pahefana i Seraia. 60 Fa efa nanoratra ireo loza rehetra izay ho avy amin'i Babylona tao anaty horonan-taratasy i Jeremia—ireo teny rehetra izay voasoratra mahakasika an'i Babylona. 61 Niteny tamin'i Seraia i Jeremia hoe: "Rehefa mankany Babylona ianao, dia hahita sy hamaky mafy ireo teny ireo. 62 Dia hiteny ianao hoe: "Yaveh, Ianao mihintsy no nanambara fa ho ravainao ity toerana ity, ary tsy hisy olona na biby hiaina ao aminy, ary ho rava mandrakizay izy. 63 Dia rehefa vitanao ny famakiana io horonan-taratasy io, dia afatory amin'ny vato izany ary atsipazo eny afovoan'ireo Eofrata. 64 Lazao hoe: "Ho rendrika tahaka izany i Babylona. Tsy ho tafatsangana izy noho ireo loza izay alefako hanohitra azy, dia hianjera izy." Tapitra eto ny tenin'i Jeremia.