Took faha 52

1 Iraika amby roapolo taona i Zedekia raha nanomboka nanjaka; nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Hamotala no anaran-dreniny; izy dia zanaka vavin'i Jeremia avy any Libna. 2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy; nanao izay rehetra efa nataon'i Joiakima izy. 3 Tamin'ny fahatezeran'i Yaveh, no nitrangan'ireo zavatra rehetra ireo tany Jerosalema sy Joda, ambara-pandroahany azy ireo tsy ho eo anoloany. Ary nikomy tamin'ny mpanjakan'i Babylona i Zedekia. 4 Ary tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia mpanjaka, tamin'ny volana fahafolo, ary tamin'ny andro fahafolon'ny volana, dia tonga niaraka tamin'ireo tafiny i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mba hanohitra an'i Jerosalema. Nitoby tandrifin'izany izy ireo, ary nanorina tilikambo nanodidina izany. 5 Koa dia natao fahirano ny tanàna hatramin'ny fahiraika ambin'ny folon'ny taona nanjakan'i Zedekia mpanjaka. 6 Tamin'ny volana fahefatra, tamin'ny andro fahasivy tamin'izany taona izany, dia nirongatra tao an-tanàna ny mosary fa tsy nisy sakafo ho an'ny mponin'ny tany. 7 Ary dia rava ny tanàna, ary ireo lehilahy mpiady rehetra dia nirifatra nandositra sy nivoaka ny tanàna ny alina teo amin'ny vavahady izay teo anelanelan'ny rindrina anankiroa, teo akaikin'ny zaridain'ny mpanjaka, na dia nanodidina ny tanàna aza ny Kaldeana. Dia nizotra nankany Araba izy ireo. 8 Kanefa nanenjika ny mpanjaka ireo tafiky ny Kaldeana ary nahatratra an'i Zedekia teo amin'ny tany hain'ny lohasahan'ny Ony Jordana izay akaikin'i Jeriko. Naparitaka niala teo aminy ireo tafiny rehetra. 9 Nosamborin'izy ireo ny mpanjaka ary nentiny niakatra tany amin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla tao amin'ny tany Hamata, izay nitsarany azy. 10 Namono ireo zanaka lahin'i Zedekia teo imasony ny mpanjakan'i Babylona, ary tany Ribla dia namono ireo mpitarika ny Joda rehetra ihany koa izy. 11 Ary nesoriny ny mason'i Zedekia, ka nofatorana tamin'ny rojo varahina izy, ary nentina tany Babylona. Nalefan'ny mpanjakan'i Babylona tany am-ponja izy ambara-pahafatiny. 12 Ary tamin'ny volana fahadimy, tamin'ny andro fahafolon'ny volana, izay fahasivy ambin'ny folo taona nanjakan'i Nebokadnezara mpanjaka, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema i Nebozaradana. Izy no mpifehy ireo mpiambina ny mpanjaka ary mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona. 13 Nandoro ny tranon'i Yaveh, ny lapan'ny mpanjaka, ary ireo tranon'i Jerosalema rehetra izy; ary nodorany ihany koa ny trano lehibe manan-danja rehetra. 14 Raha ny amin'ireo manda manodidina an'i Jerosalema, dia efa namotika azy ireo ny tafiky ny Babyloniana rehetra izay niaraka tamin'ny mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka. 15 Raha ny amin'ireo olona mahantra indrindra, ireo olona sisa tavela tao an-tanàna, ireo izay efa nandositra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo sisa tamin'ireo mpanao asa tanana_dia nataon'i Nebozaradana, ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka ho babo ny sasany tamin'izy ireo. 16 Fa i Nebozaradana, ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka, namela ny sasany tamin'ireo mahantra indrindra an'ilay tany mba hiasa ireo tanim-boaloboka sy ireo saha. 17 Raha ny amin'ireo andry varahina izay an'ny tranon'i Yaveh, sy ireo fitoeran-tavin-drano ary ireo tavin-drano varahina izay an'ny tranon'i Yaveh, dia nopotehin'ireo Kaldeana ary nentiny niverina tany Babylona avokoa ireo varahina rehetra. 18 Ireo vilany, angady, fanaovan-jiro, lovia, ary ireo kojakoja vita amin'ny varahina izay nanompoan'ireo mpisorona tao an-tempoly—dia nentin'ireo Kaldeana avokoa. 19 Ny tavy fanaovana lavenon-jiro sy ireo fandorana ditin-kazo manitra, ireo lovia, ireo vilany, ireo fitoeran-jiro, ireo lasitra, ireo tavin-drano izay vita tamin'ny volamena, sy ireo vita tamin'ny volafotsy—dia nentin'ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka ihany koa. 20 Ireo andry roa, ny tavin-drano, ary ireo omby varahina izay teo ambanin'ireo fitoeran-tavin-drano, zavatra izay namboarin'i Solomona ho an'ny tranon'i Yaveh, dia feno varahina maromaro izay nisinisy lanjany ihany. 21 Ireo andry dia samy valo ambin'ny folo hakiho avokoa ny haavony, ary ny tsipika manodidina azy ireo dia nirefy roa ambin'ny folo hakiho. Samy fanondro efatra ny hateviny ary samy poakaty . 22 Kapitaly varahina no teo an-tendron'izany. Dimy hakiho no haavon'ilay kapitaly, miaraka amin'ny harato sy ampongabendanitra manodidina azy. Vita tamin'ny varahina daholo izany. Ilay andry iray hafa sy ny ampongabendaniny dia mitovy amin'ilay iray voalohany ihany. 23 Koa dia ampongabendanitra enina amby sivi-folo noho izany no teo ankilan'ilay kapitaly, ary ampongabendanitra zato no teo ambonin'ilay harato manodidina. 24 Ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka dia nisambotra an'i Seraia, ilay mpisoronabe, niaraka tamin'i Zefania, ilay mpisorona faharoa, ary ireo mpiandry vavahady telo. 25 Tao an-tanàna no nisamborany manam-pahefana iray izay nisahana ireo miaramila, sy lehilahy fito tamin'ireo izay nanolo-tsaina ny mpanjaka, izay mbola tao an-tanàna. Nisambotra ny manamboninahitry ny tafiky ny mpanjaka izay mpandrafitra ny tafika, miaraka tamin'ireo olona manan-kaja enimpolo avy amin'ny tany izay tao an-tanàna ihany koa izy. 26 Ary dia nalain'i Nebozaradana, ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka izy ireo ary nentiny tany amin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla. 27 Novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla tany amin'ny tanin'i Hamata izy ireo. Tamin'izany fomba izany, no nitondrana ny Joda ho babo niala tao amin'ny taniny. 28 Ireto no olona nobaboin'i Nebokadnezara: tamin'ny taona fahafito, Jiosy 3.023. 29 Tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taona nanjakan'i Nebokadnezara dia naka olona 832 avy tany Jerosalema izy. 30 Tamin'ny fahatelo amby roapolo taona nanjakan'i Nebokadnezara, dia nambabo vahoaka Jiosy 745 i Nebozaradana, ilay mpifehy ireo mpiambina ny mpanjaka. Miisa 4600 ny fitambaran'ireo babo rehetra. 31 Ary tamin'ny andro fahadimy amby roapolon'ny volana, tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo, tamin'ny faraparan'ny taona fahafito amby telopolo naha-babo an'i Jekonia, dia nanafaka an'i Joiakina mpanjakan'ny Joda tany am-ponja i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona. Tamin'ny fotoana nanombohan'i Evila-Merodaka nanjaka no nisehoan'izany. 32 Niresaka am-pahatsorana taminy izy ary nanome azy toerana ambony kokoa noho ireo mpanjaka hafa izay niaraka taminy tany Babylona. 33 Nanala ny fitafiana maha-voafonja an'i Joiakina i Evila-merodaka, ary nihinana tsy tapaka teo an-databatry ny mpanjaka tamin'ny andro sisa niainany i Joiakina, 34 ary nomena hanina ara-dalàna isan'andro izy tamin'ny andro sisa niainany ambara-pahafatiny.