Toko faha 50

1 Izao ny teny nambaran'i Yaveh ny mahakasika an'i Babylona, ilay tanin'ireo Kaldeana, tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany: 2 "Tantero any amin'ireo firenena ary asaivo mihaino izy ireo. Asandrato ny famantarana ary asaivo mihaino izy ireo. Aza afenina izany. Lazao hoe: 'Babo i Babylona. Nalaina baraka i Bela. Nivadi-po i Merodaka. Nalaim-baraka ireo sampiny; nivadi-po ireo sarin-javany.' 3 Hitsangana hamely azy ny firenena avy any avaratra, mba hahatonga ny taniny ho faharavana. Tsy misy, na olona na biby, hiaina ao amin'izany. Handositra izy ireo. 4 Amin'izany andro izany ary amin'izany fotoana izany—izany no fanambaran'i Yaveh_ny vahoakan'Israely sy ny vahoakan'i Joda dia hiara-tonga mba handeha amim-pitomaniana ary hitady an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. 5 Hanontany ny lalana mankany Ziona izy ireo ary hamakivaky izany, manao hoe: Handeha izahay ary hanatona an'i Yaveh amin'ny fanekena mandrakizay izay tsy ho adinoina." 6 Ondry very ny oloko. Nitarika azy ireo any amin'ny lalan-diso any an-tendrombohitra ireo mpiandry ondrin'izy ireo; navilin'izy ireo erakin'ny havoana izy ireo. Nandeha izy ireo, ka nanadino ny toerana izay nonenany. 7 Ny olona rehetra izay nivoaka teo amin'izy ireo dia namiravira azy ireo. Hoy ireo fahavalony hoe: "Tsy meloka izahay, satria izy ireo dia nanota tamin'i Yaveh, fonenany marina izy ireo—dia i Yaveh, ilay fanantenan'ireo razamben'izy ireo.' 8 Mialà ao afovoan'i Babylona; mivoaha avy ao amin'ny tanin'ny Kaldeana, aoka ianareo ho tahaka ireo osy lahy izay miala alohan'ny andehanan'ny ondry sisa. 9 Fa indro, efa an-dalam-pametrahana ny hetsika sy hanangana ny vondron'ireo firenena lehibe avy any avaratra hamely an'i Babylona Aho. Hifandamina hanohitra azy izy ireo. Ho samborina avy any i Babylona. Ho tahaka ny mpiady mahay izay tsy miverina tanam-polo ny zana-tsipìkan'izy ireo. 10 Ho lasa babo i Kaldea. Ho afa-po ireo rehetra izay mambabo azy—izany no fanambaran'i Yaveh. 11 Mifaly, mankalaza ny fahababoan'ny lovako ianareo; mitsambikimbikina tahaka ny zanak'ondry eny amin'ny fihinanam-bilony ianareo; maneno tahaka ny soavaly mahery ianareo. 12 Ka ho afa-baraka tokoa ny reninareo; izay niteraka anareo dia ho menatra. Indro, ho kely indrindra amin'ireo firenena izy, ho tany efitra, tany maina, ary tany hay. 13 Nohon'ny fahatezeran'i Yaveh, dia tsy honenana intsony, fa ho faharavana tanteraka i Babylona. Ny olona rehetra izay mandalo dia hangovitra noho i Babylona ary hisiotsioka nohon'ny feriny rehetra. 14 Mifandamìna hamely an'i Babylona sy ny manodidina azy rehetra ianareo. Tsy maintsy hitifitra azy ny olona rehetra izay manenjana ny tsipìkany. Aza misy ajanona ny zana-tsìpikanareo, fa efa nanota tamin'i Yaveh izy. 15 Asandrato manodidina azy rehetra ny hiakiaka! Efa voadidina izy; efa nianjera ireo tilikambony; voarodana ireo mandany, fa izany no valifatin'i Yaveh. Manaova valifaty eo aminy! Dia ataovy tahaka izay efa nataony! 16 Aringano ny mpamboly izay mamafy ny voa sy izay mampiasa ny antsy fijinjana amin'ny fotoam-pijinjana ao Babylona. Aoka hiverina avy any amin'ny sabatry ny mpampahory ho any amin'ny vahoakany ny olona tsirairay; aoka izy ireo hiverina any amin'ny taniny. 17 Israely dia ondry naparitaka sy noroahan'ny liona. Ny mpanjakan'i Asyria no namiravira azy ireo voalohany; ary taorian'izay, dia notapahin'i Nabokadnezara mpanjakan'i Babylona ireo taolany. 18 Noho izany izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'Israely: "Indro, efa manafay ny mpanjakan'i Babylona sy ny taniny Aho, tahaka ny namaizako ny mpanjakan'i Asyria. 19 Hamerina an'Israely any amin'ny tanindrazany Aho, hihinana Karmela sy Basana izy. Ary ho afa-po ao amin'ny tany havoan'i Efraima sy Gileada izy. 20 Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy i Yaveh, ho tadiavina ao Israely ny heloka, nefa tsy hahita. Hanontany ny momban'ny fahotan'i Joda Aho, nefa tsy hahita, fa hamela heloka ny sisa tavela izay namindrako fo Aho." 21 "Mitsangàna hamely ny tanin'i Merataima, hamely izany sy ireo izay mponina Pekoda. Apetraho eo amin'ny sabatra izy ireo ary atokany ho an'ny faharavana—izany no fanambaran'i Yaveh—ataovy izay rehetra andidiako anareo. 22 Ao amin'ny tany ny feon'ny ady sy ny faharavana lehibe. 23 Endrey ny nanapahana sy namotehana ny tantanan'ny tany rehetra. Indrisy fa tonga horohoro eo amin'ireo firenena i Babylona. 24 Nametrahako fandrika ianao ka tratra, ry Babylona, ary tsy nahafantatra izany ianao! Tratra sy voasambotra ianao, satria nanohitra an'i Yaveh. 25 Efa nanokatra ny fitoeran'ny fitaovam-piadiany i Yaveh ary nentiny mivoaka ireo fitaovam-piadiana ho fanehoany ny fahatezerany. Misy asa ho an'i Yaveh Tompon'ny maro ao amin'ny tanin'ny Kaldeana. 26 Tafio avy lavitra izy. Sokafy ny fitoeram-bokany ary akorotano tahaka ny antontam-bary izy. Atokano ho an'ny faharavana izy. Aza avela hisy tavela ny aminy. 27 Vonoy ny ombilahiny rehetra. Ampidino any amin'ny toerana famonoana ireo. Loza ho azy ireo, fa efa tonga ny androny—dia ny fotoana famaizana azy ireo. 28 Injany ny feon'ny fandosiran'izy ireo, dia ireo sisa tsy maty, avy tany amin'ny tany Babylona. Izy ireo no hitatitra ny valifatin'i Yaveh Andriamanitsika ho an'i Ziona, sy valifaty ho an'ny tempoliny." 29 "Antsoy ireo mpandefa zana-tsipìka hamely an'i Babylona—ireo rehetra izay manenjana ny tsipìkany. Mitobia hamely azy, ary aza avela hisy afa-mandositra. Valio amin'izay efa nataony izy. Ataovy aminy araka ny izay efa fataony. Fa efa niantsy an'i Yaveh izy, dia ilay Masin'Israely. 30 Ka dia ho lavo eny amin'ny zoron-tanàna ireo tovolahiny, ary ho ringana ireo lehilahy mpiadiny rehetra amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh." 31 "Indro, mamely anao Aho, ry mpirehareha—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro—fa efa tonga ny andronao, ry mpirehareha, dia ny fotoana izay hamaizako anao. 32 Ka ho tafintohina sy ho lavo ireo mpirehareha. Tsy hisy hanangana azy ireo. Handrehitra afo eo amin'ireo tanànan'izy ireo Aho; handevona ny zava-drehetra manodidina azy izany. 33 Izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Nampahoriana ireo vahoakan'Israely, miaraka amin'ireo vahoakan'i Joda. Mbola notanan'ireo rehetra nisambotra azy izy ireo; nandà ny hamela azy ireo andeha izy ireo. 34 Mahery Ilay mpamonjy azy ireo. Yaveh Tompon'ny maro no Anarany. Handahatra ny amin'izy ireo marina Izy, mba hitondra fitsaharana ao amin'ny tany, ary mba hitondra fifandirana ho an'ireo mponin'i Babylona. 35 Ny sabatra dia hamely an'ireo Kaldeana—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hamely ny mponin'i Babylona, ireo mpitariny, ary ireo lehilahy hendriny. 36 Tonga hamely ireo izay manao tenin-tsikidy ny sabatra, mba hitonon-tena ho toy ny adala izy ireo. Tonga hamely ireo miaramilany ny sabatra, ka dia ho feno tahotra izy ireo. 37 Tonga hamely ireo soavaliny, ireo kalesiny ary ireo olona rehetra izay ao afovoan'i Babylona ny sabatra ka dia ho tonga tahaka ny vehivavy izy ireo. Tonga hamely ireo trano fitehirizany ny sabatra, ka ho voaroba izy ireo. 38 Ho tonga eo amin'ireo ranony ny hain-tany, ka dia ho maina ireo. Fa tanin'ireo sampy tsy misy ilàna azy izy, ary miasa tahaka ny olona noverezin-tsain'ireo sampiny mahatsiravina izy ireo. 39 Ka ireo bibin'ny tany efitra miaraka amin'ireo ambodia no honina any, ary ny aostrisy tanora no hitoetra ao aminy. Fa amin'ny fotoana rehetra, dia tsy honenana intsony izy. Hatramin'ny taranaka fara mandimby, dia tsy honenana ao aminy. 40 Dia tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora ary ireo manodidina azy—izany no fanambaran'i Yaveh—tsy hisy honina ao; tsy hisy olona hijanona ao aminy." 41 "Indro,tonga ny vahoaka avy any avaratra, ho an'ny firenena lehibe sy ireo mpanjaka maro efa nisandratra avy any an-tany lavitra. 42 Haka tsipìka sy lefona izy ireo. Lozabe Izy ireo ary tsy manana fangoraham-po. Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina ny feon'izy ireo, ary mitaingin-tsoavaly mitan-dahatra tahaka ny lehilahy mpiady, hamely anareo izy ireo, ry zanaka vavin'i Babylona. 43 Nandre ny tatitr'izy ireo ny mpanjakan'i Babylona, ary nalemy nohon'ny horohoro ny tanany. Namely azy tahaka ny vehivavy miteraka ny fahoriana. 44 Indro! Miakatra tahaka ny liona avy any ambonin'ny Jordana ho any amin'ny fitoeram-bilona maharitra izy. Fa ho ataoko mandositra faingana ao amin'izany izy ireo, ary hametraka olona voafidy hiandraikitra izany Aho. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hiantso Ahy? Mpiandry ondry tahaka ny ahoana no ahatohitra Ahy? 45 Koa henoy ary ireo fikasana izay nataon'i Yaveh hamelezana an'i Babylona, ireo fikasana izay efa nalaminy hamelezana ny tanin'ireo Kaldeana. Ho viraviraina tokoa izy ireo, eny fa na dia ny ondry kely indrindra aza. Ho lasa toerana rava ny tany fihinanam-bilon'izy ireo. 46 Amin'ny feon'ny faharesen'i Babylona dia mihorohoro ny tany, ary re amin'ireo firenena ny hiakam-pahorian'izy ireo."