Toko faha 49

1 Raha ny momban'ny vahoakan'i Amona, izao no ambaran'i Yaveh: "tsy manan-janaka ve ny Israely? Moa tsy misy olona iray handova na inona na inona any Israely ve? Nahoana Malkana no hibodo an'i Gada, ary ny vahoakany honina any amin'ny tanànany? [Fanamarihana: raha toa ka "Malkana", ny dikan-teny vaovao sasany manao hoe "ny mpanjakany"] 2 Koa indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa hampaneno ny feo famantarana ho an'ny ady hanohitra an'i Raba eo amin'ny vahoakan'i Amona Aho, koa ho tonga atontan-paharavana izany ary ny zana-bohitrany dia ho dorana amin'ny afo. Fa Israely hanana ireo izay tsy nananany," Hoy Yaveh. 3 "Midradradradrà amin'ny fitarainana, ry Hesbona, fa ho rava i Ay! Mihikià, ry zanaka vavin'i Raba! Manaova lamba fisaonana. Manaova fitarainana ary mihazakazaha fahatany, fa i Malkana dia ho lasan-ko babo, miaraka amin'ireo mpisorony sy mpitarikany rehetra. 4 Nahoana ianao no mirehareha amin'ireo lohasahanao, ireo lohasahanao izay tena mahavokatra be, ry zanaka vavy tsy manam-pinoana? Ianao izay mitoky amin'ny harenao ka manao hoe, 'Iza no ho avy hanohitra ahy?' 5 Indro, hitondra fampihorohorona aminao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro—izany fampihorohorona izany dia ho tonga amin'ireo izay manodidina anao rehetra. Ny tsirairay aminareo dia hiparitaka manoloana izany. Tsy hisy na iray aza hanangona ireo izay mitsoaka. 6 Nefa aorin'izany dia hamerina ireo harenan'ny vahoakan'i Amona Aho—izany no fanambaran'i Yaveh." 7 Ny amin'i Edoma, izao no ambaran'i Yaveh Tompon'ny maro: "tsy misy fahendrena intsony ve hita ao Temana? Nisy toro-hevitra tsara ve avy amin'ireo izay nanana fahazavan-tsaina? Niha-simba ve ny fahendren'izy ireo? 8 Mandosira! miverena! mitoera any an-davaky ny tany, ry mponin'i Dedana. Fa mitondra ny lozan'i Esao eo aminy Aho amin'ny fotoana izay hamaizako azy. 9 Raha tonga aminao ny mpioty voaloboka, moa tsy hanajanona kely amin'izany ve izy ireo? Raha tonga amin'ny alina ny mpangalatra, tsy hangalatra mihoatra noho izay ilainy ve izy ireo? 10 Fa efa nampitanjaka an'i Esao Aho. Nampiseho ireo toerany miafina Aho. Ary tsy ho afaka hanafina ny tenany izy. Ny zanany, ireo rahalahiny, ary ireo mpiara-monina aminy dia noravana, dia lasa izy. 11 Ilaozy aoriana ireo kambotinao. Hiahy ny fiainan'izy ireo Aho, ary ny mpitondratenanao dia afaka mitoky amiko." 12 Fa izao no fanambaran'i Yaveh: "Indro, ireo izay tsy mendrika izany dia tokony hisotro amin'ny kapoaka tokoa. Mieritreritra ve ny tenanao fa handeha tsy ho saziana ianao? tsia, satria hisotro tokoa ianao. 13 Fa efa nianiana tamin'ny tenako Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—fa i Bozra dia ho lasa horohoro, ho fahafaham-baraka, hampalahelo be, ary ho zavatra fanozonana. Ny tanàna rehetra ho tonga faharavana mandrakizay. 14 Nandre vaovao tamin'i Yaveh Aho, ary nisy iraka nalefa tany amin'ireo firenena, 'Mivondrona ary tafio izy. Mivonòna amin'ny ady.' 15 " Fa indro, nataoko kely ianao raha ampitahaina amin'ireo firenena hafa, ary tsinotsiniavin'ny amin'ny olona. 16 Raha ny fahatahorana anao, dia namitaka anao ny avonavon'ny fonao, ry mponina eny amin'ny toeran'ny hantsana, ianao izay nibahana ny havoana ambony indrindra mba hanaovanao ny akaninao ho ambony toy ny an'ny voromahery. Ho ampidiniko avy eny ianao—izany no fanambaran'i Yaveh. 17 Ho horohoro ho an'izay mandalo eny amin'izany i Edoma. Ny olona rehetra toy izany dia hangovitra ary hisiotsioka noho ny amin'ireo loza rehetra ireo. 18 Toy ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora ary ireo mpiara-belona aminy, "hoy Yaveh, "tsy hisy olona honina any; tsy misy vahoaka hijanona any. 19 Indro, hiakatra toy ny liona avy any amin'ny alan'i Jordana izy ho any amin'ireo tanin'ahi-maitso. Fa ho ampandosiriko haingana amin'izany i Edoma, ary hametraka olona izay handray an-tanana izany aho. Fa iza no toa ahy, ary iza no hiantso ahy? Mpiandry ondry iza no afaka hanohitra ahy?" 20 "Koa henoy ny hevitra izay notapahin'i Yaveh hanoherana an'i Edoma, ny fikasana izay efa nataony hanoherana ireo mponin'i Temana. Ho taritarisiny eny rehetra eny tokoa izy ireo, na dia ny kely indrindra amin'ny ondry aza. Ireo tanin'ahiny ho tonga toerana noravaina. 21 Nihozongozona ny tany tamin'ny feon'ny fianjeran'izy ireo. Ny feon'ny fitarainana dia re hatrany amin'ny Ranomasina Mena. 22 Indro, misy olona hanafika toy ny voromahery, ka hidina ary hamelatra ny elany eo amin'i Bozra. Ary amin'izany andro izany, ny fon'ireo miaramilan'i Edoma dia ho tonga toy ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza." 23 Ny amin'i Damaskosy: "Ho menatra i Hamata sy Arpada, fa nahare ny vaovao momba ny loza izy ireo. Ketraka izy ireo! hangovitra noho ny ranomasina izy ireo, izay tsy mety tony. 24 Mihaosa tokoa Damaskosy. Mivily handositra izany; azon'ny horohoro izany. Azon'ny fahoriana sy fanaintainana izany, toy ny fanaintainan'ny vehivavy miteraka. 25 Nahoana no tsy nafoy ny tanàna fiderana, ny tanàn-dehiben'ny fifaliako? 26 Noho izany dia ho lavo eo amin'ny toerany ireo tovolahy, ary ireo lehilahy mpiady rehetra dia ho faty amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro." 27 "Fa handrehitra afo eo amin'ny rindrin'i Damaskosy Aho, ary handevona ireo fiarovana mafy ho an'i Beni-hadada izany." 28 Ny amin'ny Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izao no nambaran'i Yaveh tamin'i Nebokadnezara(ary Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona dia hanafika ireo toerana ireo): "Mitsangana ka tafio Kedara ary aringano ireo vahoakan'ny atsinanana. 29 Ho alaina ireo lainy sy ireo ondry aman'osiny, miaraka amin'ireo lainy lamba ary ireo fitaovany rehetra; ho alaina amin'izy ireo ireo ramevany, ary hanao hiaka fifaliana amin'izy ireo ny olona, "Horohoro no eo amin'ny manodidina rehetra!" 30 Mandosira! mandehana alavitra! Mijanona eo amin'ny ireo lavakin'ny tany, ry mponin'i Hazora—izany no fanambaran'i Yaveh—fa i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona dia efa nanao tetika hanoherana anao. Mandosira! miverena! 31 Mitsangana! tafio ny firenena ao am-pitoniana, izay miaina amin'ny fiarovana," Hoy Yaveh. "Tsy manana vavahady na fanidiana any aminy izy ireo, ary ireo olony dia miaina amin'izy ireo. 32 Ho robaina ireo ramevany, ary horobaina amin'ny ady ireo fananany maro be. Ary haeliko eny amin'ny rivotra rehetra eny ireo izay nanety ny sisim-bolony, ary hitondra loza amin'zy ireo eo amin'ny lafiny rehetra Aho—izany no fanambaran'i Yaveh. 33 Ho tonga fonenan'ny ambodia i Hazora, ho tany ngazana maharitra. Tsy misy honina any, tsy misy olona hijanona any." 34 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'i Elama. Izao no nitranga tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Zedekia mpanjakan'ny Joda, ary hoy izy: 35 "Izao no nambaran'i Yaveh Tompon'ny maro: Indro, hanapaka ireo mpandefa tsipìka an'i Elama Aho, ain-dehibe ny herin'izy ireo. 36 Fa hitondra ireo rivotra efatra avy any amin'ny zoron'ny lanitra efatra Aho, ary hampiely ny vahoakan'i Elama amin'izany rivotra rehetra izany aho. Tsy misy firenena izay tsy ho alehan'ireo izay nahely tao Elama ireo. 37 Ary hanorotoro an'i Elama eo anoloan'ireo fahavalony Aho ary eo anoloan'ireo izay mitady ny ainy. Fa hitondra loza hanoherana azy ireo Aho, ny fahatezerana amin'ny fahavinirako—izany no fanambaran'i Yaveh— ary handefa ny sabatra amin'izy ireo aho mandra-pahalany tamingana azy ireo. 38 Dia hametraka ny seza fiandrianako eo amin'i Elama Aho ary handringana ny mpanjakany sy ireo mpitarika avy ao—izany no fanambaran'i Yaveh— 39 ary hitsangana izany amin'ny andro farany izay hitondrako hiverina ireo harenan'i Elama—izany no fanambaran'i Yaveh."