1 Ary i Zedekia zanaka lahin'i Josia dia nanjaka tamin'ny toeran'i Jekonia zanak'i Joiakima. Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona no nanao an'i Zedekia ho mpanjaka teo amin'ny tanin'i Joda. 2 Fa i Zedekia, ireo mpanompony, sy ny vahoakan'ny tany dia tsy nihaino ireo tenin'i Yaveh izay nambarany tamin'ny alalan'ny tanan'i Jeremia mpaminany. 3 Ary Zedekia mpanjaka, Jehokala zanak'i Selemia, ary Zefania zanak'i Mahaseia mpisorona dia nandefa hafatra ho an'i Jeremia mpaminany. Hoy izy ireo: " Mivavaha amin'i Yaveh Andriamanitsika ho antsika." 4 Ary tonga i Jeremia ary nankeo amin'ny vahoaka, satria mbola tsy natao an-tranomaizina izy. 5 Tonga avy tany Egypta ny tafik'i Farao, ary ny Kaldeana izay nanao fahirano an'i Jerosalema dia nahare ny vaovao momba azy ireo ka niala tao Jerosalema. 6 Dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny Tenin'i Yaveh, manao hoe:" 7 Yaveh, Andriamanitr'Israely, milaza izao: Izao no ho lazainareo amin'ny mpanjakan'i Joda, satria nandefa anareo haka hevitra Amiko Izy, 'Indro, fa efa an-dalana hiverina ho any Egypt, izay taniny ny tafik'i Farao, izay tonga hanampy anao. 8 Ary hiverina ny Kaldeana. Hiady hanohitra ity tanàna ity izy ireo, hisambotra, sy handoro izany. 9 Hoy Yaveh hoe:" Aza mamitaka ny tenanareo amin'ny filazana hoe:' Efa nandao anay tokoa ireo Kaldeana,' fa tsy handao izy ireo. 10 Na dia efa naharesy ireo tafiky ny Kaldeana manontolo izay niady taminareo aza ianareo mba ho ireo lehilahiny maratra ihany no havela ao amin'ireo lainy, fa hiarina izy ireo ary handoro ity tanàna ity." 11 Ka tamin'ny nandaozan'ny tafikin'ny Kaldeana an'i Jerosalema no nahatongavan'ny tafik'i Farao, 12 dia nivoaka tao Jerosalema i Jeremia mba ho any amin'ny tanin'i Benjamina. Fa nikasa ny haka ny ampahany amin'ilay tany teo amin'ny vahoakany tao izy. 13 Raha teo amin'ny Vavahadin'i Benjamina izy, dia teo ny lehiben'ny mpiambina. Jiria zanak'i Selemia zanak'i Hanania no anarany. Nihazona an'i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: "Mandositra ireo Kaldeana ianao." 14 Nefa hoy Jeremia: " Tsy marina izany. Tsy mandositra ireo Kaldeana aho." Fa tsy nihaino azy i Jiria. Nalainy i Jeremia ary nentiny teo amin'ireo manam-pahefana. 15 Tezitra tamin'i Jeremia ireo manam-pahefana. Novelesin'izy ireo izy ary nampidiriny tao an-tranomaizina, izay tranon'i Jonatana mpanora-dalàna, satria navadik'izy ireo ho tranomaizina izany. 16 Ka natao tao amin'efitra ambanin'ny tany i Jeremia, izay nijanonany andro maromaro. 17 Ary nandefa olona hitondra azy ao an-dapa i Zedekia mpanjaka. Nanontany azy mangingina ny mpanjaka tao an-tranony hoe:" Misy teny avy amin'i Yaveh ve?" Namaly i Jeremia hoe:" Misy teny: ho atolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'ny Babilona ianao." 18 Dia hoy i Jeremia tamin'i Zedekia Mpanjaka:" Ahoana no nanotako taminao, ireo mpanomponao, na ity vahoaka ity ka dia nametrahanao ahy tany an-tranomaizina? 19 Aiza ireo mpaminaninareo, ireo izay naminany ho anao sy nilaza fa tsy ho avy hanohitra anao na ity tany ity ny mpanjakan'i Babilona? 20 Fa ankehitriny mihainoa, ry mpanjaka tompoko! Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fitalahoako. Aza averina any an-tranon'i Jonatana mpanora-dalàna aho, fa ho faty any aho." 21 Ka nanome baiko i Zedekia Mpanjaka. Notanan'ireo mpanompony teo amin'ny kianjan'ny mpiambina i Jeremia. Nomena mofo isan'andro avy eo amin'ny lalan'ireo mpanao mofo izy, mandra-pahalanin'ny mofo rehetra teo an-tanàna. Ka dia nitoetra teo an-kianjan'ny mpiambina i Jeremia.