1 Nandre ny teny izay nambaran'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra i Safatia zanak'i Matana, sy Gedalia zanak'i Pasora, sy Jokala zanak'i Semelia, ary i Pasora zanak'i Malkia. Izy dia nilaza hoe: 2 "Yaveh nilaza izao: Izay rehetra mitoetra amin'ity tanàna ity dia ho fatin'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana. Fa izay rehetra mandeha mankany amin'ireo Kaldeana dia ho velona. Hanavotra ny ainy izy, ary ho velona. 3 Izao no lazain'Yaveh: Ity tanàna ity dia ho atolotra eo an-tanan'ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona, ary hisambotra izany izy." 4 Koa hoy ireo manam-pahefana tamin'ny mpanjaka: "Aoka ho faty ity lehilahy ity, fa tamin'izany fomba izany no nanalefahany ny tanan'ireo lehilahy mpiady tavela ato amin'ity tanàna ity, ary ny tanan'ny vahoaka rehetra. Manambara ireto teny ireto izy, fa tsy niasa hiaro ny vahoakany ity lehilahy ity, fa ho an'ny loza." 5 Ka hoy i Zedekia Mpanjaka: "Indro, eo an-tananao izy satria tsy misy mpanjaka afaka manohitra anao." 6 Ary nalain'izy ireo i Jeremia ka natsipiny tao amin'ny famorian-dranon'i Malkia, zanaky lahin'ny mpanjaka. Tao ankianjan'ny mpiambina ilay famorian-drano. Nampidinin'izy ireo tamin'ny tady i Jeremia. Tsy nisy rano tao amin'ny famorian-drano, fa namotaka izany, ka niletika tao amin'ny fotaka izy. 7 Ary Ebeda-Meleka Kosita dia iray tamin'ireo tandapa tao amin'ny tranon'ny mpanjaka. Henony fa nataon'izy ireo tao anaty famorian-drano i Jeremia. Ary nipetraka teo amin'ny Vavahadin'i Benjamina ny mpanjaka. 8 Koa nandeha avy tao amin'ny tranon'ny mpanjaka i Ebeda-Meleka ary niresaka taminy. Hoy izy: 9 "Ry mpanjaka tompoko, ireto lehilahy ireto dia efa nanao ratsy tamin'ny fomba nitondrany an'i Jeremia mpaminany. Natsipin'izy ireo tao anaty famorian-drano izy mba ho fatin'ny hanoanana ao, satria tsy misy sakafo intsony ao amin'ny tanàna." 10 Dia nanome baiko an'i Ebeda-Meleka Etiopiana ny mpanjaka. Hoy izy: "Mitondrà lehilahy telopolo avy eto ary avohay avy tao amin'ny famorian-drano i Jeremia alohan'ny hahafatesany." 11 Koa nitondra ireo lehilahy ireo izy ary nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka, tany amin'ny trano fitehirizana akanjo tao ambanin'ny trano. Tao izy no naka lamba rovitra sy vorodamba ary nampidina azy ireo tamin'ny tady nankao amin'i Jeremia tao amin'ny famorian-drano. 12 Hoy i Ebeda-Meleka Kosita tamin'i Jeremia: "Ataovy eo ambanin'ny sandrinao sy eo amin'ny lohan'ny tady ny lamba rovitra sy ny vordamba." Ka nataon'i Jeremia izany. 13 Dia nosintomin'izy ireo tamin'ny tady i Jeremia. Izany no fomba namoahan'izy ireo azy tao amin'ny famorian-drano. Ka nijanona teo teo amin'ny tokotanin'ny mpiambina i Jeremia. 14 Nandefa teny i Zedekia Mpanjaka ary nitondra an'i Jeremia mpaminany nankany aminy, ho any amin'ny fidirana fahatelo ao amin'ny tranon'i Yaveh. Hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia: "Te hanontany zavatra anao aho. Aza afenina ahy ny valiny." 15 Hoy i Jeremia tamin'i Zedekia: "Raha mamaly anao aho, dia tsy hamono ahy tokoa ve ianao? Kanefa raha manome torohevitra anao aho, dia tsy hihaino ahy ianao." 16 Saingy nianiana manokana tamin'i Jeremia ny mpanjaka ary niteny hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, ilay nahary antsika, dia tsy hamono anao aho na hanolotra anao eo an-tanan'ireo lehilahy izay mifofo ny ainao ireo." 17 Ka hoy i Jeremia tamin'i Zedekia: "Yaveh, Andriamanitra tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely nilaza izao: "Raha miala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona ianao dia ho velona, ary tsy ho may ity tanàna ity. Ho velona ianao sy ny ankohonanao. 18 Fa raha tsy miala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona ianao, dia ho atolotra eo an-tanan'ireo Kaldeana ity tanàna ity. Ho doran'izy ireo izany, ary tsy ho afa-mandositra eo an-tanan'izy ireo ianao." 19 Hoy i Zedekia Mpanjaka tamin'i Jeremia: "Kanefa matahotra ny vahoakan'i Joda izay nitsoaka nankany amin'ireo Kaldeana aho, satria mety ho atolotra eo an-tanan'izy ireo aho mba ho viravirain'izy ireo." 20 Hoy i Jeremia: "Izy ireo dia tsy hanolotra anao eo amin'izy ireo. Ankatoavy ny hafatr'i Yaveh izay lazaiko anao, mba handeha tsara ny zava-drehetra ho anao, ary mba ho velona ianao. 21 Fa raha mandà ny hiala ianao, dia izao no efa nasehon'i Yaveh tamiko. 22 Indro! Ny vehivavy rehetra izay tavela ao an-tranonao, ry mpanjakan'i Joda, dia ho entina hiala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona. Hiteny aminao ireo vehivavy ireo hoe: 'Voafitak'ireo namanao ianao; efa nanimba anao izy ireo. Ankehitriny dia milentika anaty fotaka ny tongotrao, ary ireo namanao dia hitsoaka .' 23 Fa ho entina hiala eo amin'ireo Kaldeana ny vady aman-janakao rehetra, ary ny tenanao dia tsy ho afaka hitsoaka eny an-tanan'izy ireo. Ho voasambotry ny tanan'ny mpanjakan'i Babylona ianao, ary ity tanàna ity dia ho may." 24 Dia hoy i Zedekia tamin'i Jeremia: "Aza ampahafantarina an'iza na iza ny mahakasika ireo teny ireo, mba tsy ho faty ianao." 25 Raha henon'ny manam-pahefana fa niresaka taminao aho, ary raha tonga izy ireo ka milaza aminao hoe: 'Lazao aminay izay nolazainao tamin'ny mpanjaka, ary aza afenina anay izany, raha tsy izany dia ho vonoinay ianao', 26 dia tsy maintsy hiteny azy ireo ianao hoe: 'Nanao fangatahana teo anatrehan'ny mpanjaka aho mba tsy hamerenany ahy any an-tranon'i Jonatana ka ho faty any."' 27 Dia tonga teo amin'i Jeremia ireo manam-pahefana rehetra ary nanontany azy, ka namaly azy ireo araka izay natoron'ny mpanjaka azy izy. Ka nijanona niresaka taminy izy ireo, satria tsy nahare ny resak'i Jeremia sy ny mpanjaka. 28 Noho izany dia nijanona teo ankianjan'ny mpiambina i Jeremia nandra-pahatongan'ny andro nisamborana an'i Jerosalema.