1 Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanaka lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, no nahatongavan'izao teny avy tamin'i Yaveh izao tamin'i Jeremia, ary hoy Izy: 2 "Mangalà horonan-taratasy iray ho anao ary soraty ao amin'izany ny teny rehetra izay efa nolazaiko anao mahakasika an'Israely sy Joda, ary ny firenena rehetra. Ataovy izany ho an'ny zava-drehetra efa nolazaiko nanomboka tamin'ny andron'i Josia ka hatramin'ity andro ity. 3 Angamba hihaino ny loza rehetra izay kasaiko entina eo amin'izy ireo ny mponin'i Joda. Angamba hivily amin'ny lalan-dratsiny ihany ny olona rehetra, ka dia afaka hamela ny helony sy ny fahotan'izy ireo Aho." 4 Ary niantso an'i Baroka zanakalahin'i Neria I Jeremia, ary nosoratan'i Baroka tao anaty horonan-taratsy ny teny rehetra izay nolazain''i Yaveh tamin'i Jeremia. 5 Avy eo dia nanome baiko an'i Baroka i Jeremia. Hoy izy: "Ato an-tranomaizina aho ary tsy afaka mankany an-tranon'Andriamanitra. 6 Koa tsy maintsy mandeha ianao ary hamaky ny teny izay notononiko ary nosoratanao tao anaty horonan-taratasy. Amin'ny andron'ny fifadian-kanina, dia tsy maintsy vakianao eo an-tsofin'ny vahoaka ao an-tranony ny tenin'i Yaveh, ary eo an-tsofin'ny Joda rehetra izay avy amin'ny tanànany ihany koa. Ambarao azy ireo ireo teny ireo. 7 Angamba ho tonga eo anatrehan'i Yaveh ihany ny fitalahoan'izy ireo famindram-po. Angamba hiala amin'ny lalan-dratsiny ihany ny olona tsirairay, satria mafy ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay efa nambaran'i Yaveh tamin'ireo vahoakany ireo." 8 Koa dia nataon'i Baroka zanaka lahin'i Neria izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany hatao. Novakiany mafy tao an-tranon'i Yaveh ireo tenin'i Yaveh. 9 Ary tamin'ny volana fahasivin'ny taona fahadimy nanjakan'i Joiakima zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda, no nanambaran'ny vahoaka rehetra tao Jerosalema sy ireo olona izay tonga tao Jerosalema avy any amin'ireo tanànan'i Joda ny fifadian-kanina ho voninahitr'i Yaveh. 10 Novakian'i Baroka mafy tao an-tranon'i Yaveh ny tenin'i Jeremia, avy eo amin'ny efitranon'i Gemaria zanaka lahin'i Safana mpanora-dalàna, tao ambonin'ny kianja, akaikin'ny vavahady fidirana ny tranon'i Yaveh. Nataony teo an-tsofin'ny vahoaka rehetra izany. 11 Ary ren'i Mikaia zanaka lahin'i Gemaria zanaka lahin'i Safana ny tenin'i Yaveh rehetra tao amin'ny horonan-taratasy. 12 Nidina tany an-tranon'ny mpanjaka izy, tao amin'ny efitrin'ny mpitan-tsoratra. Indreo, fa nipetraka teo avokoa ny manam-pahefana rehetra: Elisama mpitan-tsoratra, Delaia zanaka lahin'i Semaia, Elnatana zanaka lahin'i Akbora, Gemaria zanaka lahin'i Safana, sy Zedekia zanaka lahin'i Hanania, ary ny manam-pahefana rehetra. 13 Ary notaterin'i Mikaia tamin'izy ireo ny teny rehetra izay reny izay novakian'i Baroka mafy teo an-tsofin'ny vahoaka. 14 Ary nalefan'ireo manam-pahefana rehetra ho any amin'ny Baroka i Jehody zanaka lahin'i Netanaia zanaka lahin'i Selemia zanaka lahin'i Kosa. Hoy i Jehody tamin'i Baroka hoe : "Raiso eo an-tananao ny horonan-taratasy, dia ilay horonan-taratasy izay novakiana teo an-tsofin'ny vahoaka, ary avia." Ary Baroka zanaka lahin'i Neria nandray ny horonan-taratasy teny an-tananany ary nandeha tany amin'ireo manam-pahefana. 15 Ary hoy izy ireo taminy: "Mipetraha ary vakio eto an-tsofinay ity." Ka dia novakian'i Baroka ny horonan-taratasy. 16 Ary rehefa nandre ireo teny rehetra ireo izy ireo, dia nifampijery matahotra tamin'izay teo akaikiny ny olona tsirairay ka nanao tamin'i Baroka hoe: "Tsy maintsy tanterintsika amin'ny mpanjaka tokoa ireo teny rehetra ireo." 17 Avy eo dia nanontanian'izy ireo Baroka hoe : "Lazao anay, tamin'ny fomba ahoana no nanoratanao ireo teny izay notononin'i Jeremia rehetra ireo?" 18 Baroka nanao tamin'izy ireo hoe: "Notononiny tamiko ireo teny rehetra ireo, ary nosoratako tamin'ny ranomainty teo amin'ny horonan-taratasy." 19 Ary hoy ireo manam-pahefana tamin'i Baroka: "Mandehana,miafena ianao, ary i Jeremia koa. Aoka tsy hisy olona ahafantatra ny misy anareo." 20 Koa dia napetrak'izy ireo tao amin'ny efitr'i Eliasama mpitan-tsoratra ny horonan-taratasy, ary nandeha tany amin'ny mpanjaka teo an-kianja izy ireo, ka notanterin'izy ireo teo an-tsofin'ny mpanjaka ny zavatra rehetra. 21 Ary nirahin'ny mpanjaka haka ny horonan-taratasy i Jehody. Nalain'i Jehody tao amin'ny efitr'i Eliasama mpitan-tsoratra izany. Avy eo dia novakiany teo an-tsofin'ny mpanjaka sy ireo manam-pahefana rehetra izay nitsangana teo anilany izany. 22 Nipetraka tao amin'ny tranon-dririnina ny mpanjaka tamin'ny volana faha sivy, ary nisy fatana nirehitra teo anoloany. 23 Ary rehefa namaky tsanganana telo na efatra i Jehody, dia notapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsy izany ka natsipiny tao anaty afo tao am-patana mandra-pahalevon'ny horonan-taratasy rehetra. 24 Nefa tsy nampitahotra na ny mpanjaka na ireo mpanompony izay nandre ireo teny rehetra ireo, na nandrovitra ny ankanjony izy ireo. 25 Nandrara ny mpanjaka mba tsy handoro ny horonan-taratasy i Elnatana, Delaia, ary Gemaria, fa tsy nihaino azy ireo izy. 26 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Jeremela havany, Seraia zanaka lahin'i Azriela, ary Selemia zanaka lahin'i Abdela mba hisambotra an'i Baroka mpanora-dalàna, sy i Jeremia mpaminany, nefa nafenin'i Yaveh izy ireo. 27 Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh taorian'ny nandoran'ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ireo teny izay nosoratan'i Baroka tamin'ny fanononan'i Jeremia, manao hoe: 28 "Miverena, mangalà horonan-taratasy iray hafa ho anao, ary soraty ao amin'izany ny teny rehetra izay tao amin'ilay horonan-taratasy voalohany, dia ilay efa nodoran'i Joiakima mpanjakan'i Joda. 29 Ary tsy maintsy lazainao amin'i Joiakima mpanjakan'i Joda izao: "Nodoranao ity taratasy ity, izay milaza hoe: 'Nahoana ianao no nanoratra teo amin'izany, 'Ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babylona ka handrava ity tany ity, fa haringany na ny olona na ny biby ao amin'izany'?'"" 30 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh ny mahakasika anao, ry Joiakima mpanjakan'i Joda: "Tsy hisy intsony amin'ireo taranakao hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida. Raha ny aminao, ny fatinao dia hariana eny amin'ny hain'andro sy eny amin'ny fanalan'ny alina. 31 Fa ho faiziko ianao, ny taranakao, ary ireo mpanomponao nohon'ny helokareo rehetra. Ho entiko eo aminao, eo amin'ny mponin'i Jerosalema rehetra, ary eo amin'ny olon'i Joda rehetra ny loza rehetra izay efa nandrahonako anareo, nefa tsy notandremanareo akory." 32 Ka naka horonan-taratasy hafa i Jeremia ary nomeny an'i Baroka zanaka lahin'i Neria mpanora-dalàna izany. Nosoratan'i Baroka tamin'izany ny teny rehetra izay tao amin'ny horonan-taratasy nodoran'i Joiakima mpanjakan'i Joda tamin'ny fanononan'i Jeremia. Ary mbola nampiana teny maro hafa mitovitovy tamin'ity horonan-taratasy ity.