Toko faha 35

1 Tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh tamin'ny andron'i Joiakima zanaka lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, nanao hoe: 2 "Mandehana any amin'ny fianakavian'ireo Rekabita ary miresaha amin'izy ireo. Avy eo ento ho aty amin'ny tranoko izy ireo, ao amin'ny iray amin'ireo efitra ao, ary omeo divay ho sotroina izy ireo." 3 Koa nalaiko Jazania zanaka lahin'i Jeremia zanaka lahin'i Habazinia sy ireo rahalahiny, ny zanany lahy rehetra, ary ny fianakavian'ireo Rekabita. 4 Nentiko tao amin'ny tranon'i Yaveh izy ireo, tao amin'ny efitr'ireo zanaka lahin'i Hanana zanaka lahin'i Jigdalia, ilay lehilahin'Andriamanitra. Ireo efitra ireo dia teo anilan'ny efitr'ireo mpitarika, izay ambonin'ny efitr'i Mahaseia zanaka lahin'i Saloma, ilay mpiandry vavahady. 5 Ary napetrako teo anoloan'ireo Rekabita ireo siny sy kapoaka ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Misotroa divay." 6 Saingy hoy izy ireo hoe: "Tsy hisotro divay izahay, satria ny razambenay, i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba, no nandidy anay hoe: "Aza misotro divay mandrakizay, na ianareo na ny taranakareo. 7 Aza manangana trano, mamafy voa, na mamboly tanim-boaloboka ihany koa; tsy ho anareo izany. Fa ianareo dia tsy maintsy hipetraka anaty lay mandritry ny andronareo rehetra, mba hipetrahanareo ela eo amin'ilay tany izay itoeranareo toy ny vahiny.' 8 Efa nankatoa ny tenin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba, razambenay izahay, tamin'izay rehetra nandidiany anay, mba tsy hisotro divay mandritra ny androm-piainanay manontolo, izahay, ireo vadinay, ireo zanakay lahy, ary ireo zanakay vavy. 9 Tsy hanangana trano hipetrahana mihintsy izahay, ary tsy hisy tanim-boaloboka, saha, na voa ho fanananay. 10 Efa niaina tanaty lay izahay ary efa nankatoa sy nahavita izay rehetra nandidian'i Jonabada razambenay. 11 Saingy rehefa nanafika ilay tany i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, dia hoy izahay hoe: 'Avia, tsy maintsy ho any Jerosalema isika mba handositra ireo tafiky ny Kaldeana sy Syriana.' Koa nipetraka tao Jerosalema izahay." 12 Avy eo dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 13 "Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: 'Mandehana ary lazao ireo lehilahin'i Joda sy ireo mponin'i Jerosalema hoe: "Tsy handray fanitsiana sy hihaino ireo teniko ve ianareo?—izany no fanambaran'i Yaveh. 14 Ireo tenin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba izay nomeny ny zanany lahy ho didy, tsy hisotro divay, dia hita hatramin'izao andro izao. Nankatoa ny didin'ny razambeny izy ireo. Fa raha ny amiko, izaho tenako dia efa nanao fanambarana mandrakariva taminareo, saingy tsy mihaino ahy ianareo. 15 Naniraka ireo mpanompoko rehetra, ireo mpaminany taminareo Aho. Entitra Aho tamin'ny fandefasana azy ireo hiteny hoe: 'Aoka ny olona tsirairay hiala amin'ny fomba ratsiny ka hanao ny asa tsara; aoka tsy hisy hanaraka andriamanitra hafa ary hanompo azy ireo intsony. Fa miverena kosa any amin'ilay tany izay nomeko anareo sy ny razambenareo.' Na izany aza mbola tsy hihaino ahy na hifantoka amiko ianareo. 16 Nefa ireo taranak'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba dia efa nintandrina ireo didin'ireo razamben'izy ireo izay nomeny azy ireo, saingy mandà ny hihaino Ahy ireo vahoaka ireo.'" 17 Koa niteny izao Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro sy Andriamanitr'Israely hoe: 'Indro, entiko eo amin'i Joda sy ny olona rehetra miaina ao Jerosalema ireo loza rehetra notononiko satria niresaka tamin'izy ireo Aho, saingy tsy nihaino izy ireo; niantso azy ireo Aho, saingy tsy namaly izy ireo.'" 18 Hoy Jeremia tamin'ny taranak'ireo Rekabita hoe: "Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia mialaza izao: Nihaino ireo didin'i Jonadaba razambenareo ianareo ary nitandrina azy rehetra—nankatoa izay rehetra nandidiany ho ataonareo ianareo— 19 ka Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: 'Tsy maintsy hisy olona avy amin'ny taranak'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba hanompo Ahy mandrakariva.'"