Toko faha 30

1 Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia avy amin'i Yaveh dia manao hoe: 2 "Izao no lazain'i Yaveh, Andriamanitr'Israely: 'Soraty anaty horonan-taratasy ho anao ny teny rehetra izay nambarako taminao tao amin'ny horonan-taratasy. 3 Fa indro, ho avy ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hamerenako ny haren'ny oloko, dia Israely sy Joda. Izaho, Yaveh, no nilaza izany. Fa ho entiko miverina any amin'ny tany izay nomeko ny razany izy ireo, ary ho fananan'izy ireo izany."' 4 Izao no teny izay nambaran'i Yaveh mahakasika an'Israely sy Joda: 5 "Fa izao no lazain'i Yaveh: 'Nandre feo nangovitry ny horohoro izahay fa tsy fiadanana. 6 Manontania ary jereo raha misy lehilahy mitondra vohoka. Nahoana Aho no mahita ny tovolahy rehetra mametraka ny tanany eo am-balahany tahaka ny vehivavy mitondra vohoka? Nahoana no mihafotsy hatsatra avokoa ny tarehin'izy ireo? 7 Loza! Fa ho lehibe izany andro izany, ary tsy misy toy izany. Ho fotoan'ny tebiteby ho an'i Jakoba izany, saingy ho avotra amin'izany izy. 8 Fa amin'izany andro izany—izao no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—no hanapahako ny zioga hiala amin'ny vozonareo, ary hanorotoroko ny rojo vy anareo, ka tsy hanandevo anareo intsony ny vahiny. 9 Fa hivavaka amin'i Yaveh Andriamaniny izy ireo ary hanompo an'i Davida mpanjakany, izay hataoko mpanjaka eo amin'izy ireo. 10 Koa ianao, ry Jakoba mpanompoko, aza matahotra—izany no fanambaran'i Yaveh—ary aza raiki-tahotra, ry Israely. Fa indro, efa hitondra anao hiverina avy any lavitra Aho, ary ny taranakao any amin'ny tanin'ny fahababoana. Hiverina i Jakoba ary hiadana; hilamina izy, ary tsy hisy horohoro intsony. 11 Fa miaraka aminao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—mba hamonjy anao. Dia ho taperiko tanteraka ny amin'ireo firenena rehetra izay nampielezako anao. Fa tsy hanapitra anao tokoa Aho, na dia manafay anao amin'ny rariny aza Aho ka tsy hamela anao ho afa-maina.' 12 Fa izao no lazain'i Yaveh: 'Tsy azo sitranina ny ratranao; voaloto ny ferinao. 13 Tsy misy hisolo vava anao; tsy misy fanafody ho an'ny ratranao mba hanasitrana anao. 14 Nanadino anao ireo olon-tianao rehetra. Tsy hitady anao izy ireo, fa efa nandratra anao tamin'ny ferin'ny fahavalo sy tamin'ny famaizan'ny tompo lozabe Aho nohon'ny amin'ireo helokao sy ireo fahotanao tsy tambo isaina. 15 Nahoana ianao no miantso vonjy nohon'ny ratranao? Tsy mety sitrana ny fanaintainanao. Nohon'ny amin'ireo helokao, ireo fahotanao tsy tambo isaina, dia nataoko taminao ireny zavatra ireny. 16 Koa izay rehetra mamotika anao dia ho potehina, ary izay mpifanandrina aminao rehetra dia ho lasan-ko babo. Fa ireo izay manbabo anao dia ho baboina, ary horobaiko izay mandroba anao. 17 Fa hitondra fanasitranana aminao Aho; hanasitrana anao amin'ny ratranao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—ho ataoko izany satria izy ireo dia niantso anao hoe: Ry voaroaka. Tsy mba misy miraharaha an'ity Ziona ity."' 18 Izao no lazain'i Yaveh: "Indro, hamerina ny harenan'ny lain'i Jakoba Aho ary hangoraka ireo tranony. Dia hisy tanàna hiorina eo amin'ny faharavana misavovona, ary hiverina eo amin'ny toerany nisy azy indray ny fiarovana mafy. 19 Dia hisy hira fiderana sy feo fifaliana hivoaka avy amin'izy ireo, fa hampitombo azy ireo Aho fa tsy hampihena; homeko voninahitra izy ireo mba tsy hietry. 20 Dia ho toy ny teo aloha ny olon'izy ireo, ary ny fiangonan'izy ireo dia hiorina eo anatrehako rehefa manafay ireo rehetra izay mampahory azy ireo amin'izao Aho. 21 Hivoaka avy ao amin'izy ireo ny mpitarik'izy ireo. Avy eo afovoanin'izy ireo no hipoirany rehefa ampanakaikeziko ary rehefa manatona Ahy izy. Raha tsy manao izany Aho, dia iza no sahy hanakaiky Ahy?—izany no fanambaran'i Yaveh. 22 Dia ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. 23 Indro, ny tafiotran'Yaveh, ny fahatezerany, fa nivoaka. Tafiotra mitohy izany. Hihodikodina eo an-dohan'ny olona ratsy fanahy izany. 24 Tsy hiverina ny fahatezeran'i Yaveh ambara-pahavitany sy hanatanterahany ny fikasan'ny fo. Amin'ny andro farany, dia ho takatrao izany."