Toko faha 31

1 ''Tamin'izany fotoana izany—izao no fanambaran'i Yaveh—ho Andriamanitrin'ny fianakavian'ny Israely rehetra Aho, ary ho vahoakako izy ireo.'' 2 Izao no lazain'i Yaveh: ''Ny olona izay tsy matin'ny sabatra dia nahita sitraka tany an'efitra; hivoaka Aho mba hanome fitsaharana ho an'ny Israely." 3 Niseho tamiko Yaveh tany aloha ary niteny hoe: ''Nitia anao Aho, ry Israely, tamin'ny fitiavana maharitra mandrakizay. Koa nisarika anao hanatona Ahy tamin'ny fanekena mahatoky Aho. 4 Hanangana anao indray Aho ka hitsangana ianao, ry Israely virijiny. Handray ny ampongatapakareo ianareo ary hivoaka amin'ny dihim-pifaliana. 5 Hamboly tanim-boaloboka indray eo amin'ireo tendrombohitr'i Samaria ianareo; ireo mpamboly dia hamboly ary hametraka ny vokatra amin'ny tokony ampiasana azy. 6 Fa ho avy ny andro hanambaran'ireo mpiambina eo amin'ireo tendrombohitr'i Efraima hoe: 'Mitsangàna, andeha isika hiakatra any Ziona any amin'i Yaveh Andriamanitsika.' 7 Fa izao no lazain'i Yaveh: ''Mihikà am-pifaliana ho an'i Jakoba! Mihikà am-piravoravoana ho an'ireo lehiben'ny vahoakan'ireo firenena! Aoka ho re ny fiderana. Lazao hoe: 'Efa namonjy ny vahoakany Yaveh, ny ireo sisa tavela tamin'ny Israely.' 8 Indro, efa hitondra azy ireo avy ao amin'ireo tany avaratra Aho. Hanangona azy ireo avy amin'ireo faritra lavitry indrindra ny tany Aho. Ho anisan'izy ireo ny jamba sy ny malemy; hiaraka amin'izy ireo ny vehivavy bevohoka sy ireo izay efa ho teraka. Hisy fiangonana lehibe hiverina eto. 9 Ho tonga am-pitomaniana izy ireo; hitarika azy ireo araka izay fangatahany Aho. Hampandehaniko any amin'ny rian-drano any amin'ny lalana mahitsy izy ireo. Tsy ho tafintohina eo amin'izany izy ireo, fa ho rain'ny Israely Aho, ary ho lahimatoako i Efraima.'' 10 ''Henoy ny tenin'i Yaveh, ry firenena. Tatero manerana ny faritany lavitra any. Ianareo firenena dia tsy maintsy hilaza hoe: 'Ilay nanamparitaka an'Israely dia nanangona azy ary miandry azy tahaka ny mpiandry ondry mitandrina ny ondriny.' 11 Fa efa nandoa ny vidim-panavotanan'i Jakoba Yaveh ary nanavotra azy teny amin'ny tanana izay mafy loatra ho azy. 12 Ary ho avy izy ireo ka hifaly eo an-tampon'i Ziona. Hamiratra noho ny fahatsaran'i Yaveh ny tavan'izy ireo, amin'ny tandroka sy divay vaovao, amin'ny menaka sy ny zanakin'ny ondry aman'osy ary ireo omby. Fa ho tonga tahaka ny zaridaina voatondraka ny fianan'izy ireo, ary tsy hahatsapa alahelo intsony izy ireo. 13 Dia hifaly amin'ny dihy ireo virijiny, ary hiaraka ny zatovo sy ny lahy antitra. Fa ho avadiko ho fankalazana ny fisaonan'izy ireo. Hangoraka azy ireo Aho ka hampifaly azy ireo fa tsy ampalahelo. 14 Dia hanototra be tokoa ny fiainan'ireo mpisorona Aho. Hameno ny tenan'izy ireo amin'ny fahatsarako ny vahoakako—izany no fanambaran'i Yaveh.'' 15 Izao no lazain'i Yaveh: "Nisy feo re tany Rama, fidradradradrana sy fitomaniana mafy. Rahely mitomany ireo zanany izany. Nandà tsy ampiononina ny amin'izy ireo izy, satria efa tsy miaina intsony izy ireo.'' 16 Izao no lazain'i Yaveh: "Atsaharo amin'ny fitomaniana ny feonao ary amin'ny ranomaso ny masonao; satria misy valiny ny fijalianao—izany no fanambaran'i Yaveh—hiverina avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireo zanakao. 17 Misy fanantenana ny amin'ny ho avinao—izany no fanambaran'i Yaveh—hiverina ao amin'ny faritanin'izy ireo ny taranakao.'' 18 Efa reko nalahelo tokoa i Efraima hoe: 'Nanasazy ahy Ianao, ary efa nosaziana tahaka ny zanak'omby tsy nozarina aho. Ento miverina aho dia ho tafaverina, fa Ianao no Yaveh Andriamanitro. 19 Fa tao aorian'ny niverenako taminao, dia nanenina aho; tao aorian'ny nanazarana ahy, dia namelaka ny feko aho. Afa-baraka sy menatra aho, fa efa niteraka ny heloky ny fahatanorako.' 20 Moa tsy menakin'ny aiko ve i Efraima? Moa ve tsy malalako izy, zanaka tiako? Fa na oviana na oviana hiresahako azy, dia mbola hahatsiaro am-pitiavana azy tokoa Aho. Izany no alahelovan'ny foko azy. Hangoraka azy tokoa Aho—izany no fanambaran'i Yaveh.'' 21 Mametraha famantaran-dalana ho anareo. Mametraha takela-by tari-dalana ho an'ny tenanareo. Saino ny lala-marina, dia ny lalana izay tokony alehanao. Miverena, ry Israely virijiny! Miverena any amin'ireo tanànanao ireo. 22 Mandra-pahoviana no hihozongozona ianao, ry zanakavavy tsy manam-pinoana? Fa efa namorona zava-baovao ho an'ny tany Yaveh—dia vehivavy manodidina lehilahy matanjaka. 23 Yaveh Tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'i Israely, dia milaza hoe: ''Rehefa mitondra ny vahoaka miverina amin'ny tanin'izy ireo Aho, dia hilaza izany any amin'ny tanin'ny Joda sy ireo tanàn-dehibeny izy ireo hoe: 'Hitahy anao anie Yaveh, ianao ry toerana marina izay itoerany, ianao ry tendrombohitra masina.' 24 Fa hiara-hipetraka any i Joda sy ireo tanànany rehetra, tahaka ireo mpamboly sy ireo mpiandry ondry miaraka amin'ireo ondry aman'osy. 25 Fa hanome rano ho sotroin'ireo olona reraka Aho, ary hampisotro ireo izay matin'ny hetaheta Aho.'' 26 Tao aorian'izany dia nifoha Aho, ary nahatsapa fa nahavelombelona ny torimasoko. 27 ''Indro, tonga ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hamafazako ireo ankohonan'Israely sy Joda mbamin'ireo taranak'olombelona sy bibidia. 28 Tany aloha, dia narahako maso izy ireo mba hanongotana azy ireo sy hanimbana azy ireo, mba handravana, hamotehana, ary hanasiana ratsy azy ireo. Fa amin'ny andro ho avy, dia hiambina azy ireo Aho, mba hanangana azy ireo sy hamboly azy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh. 29 Amin'ireo andro ireo dia tsy hisy na iza na iza hiteny intsony hoe: "Nihinana voaloboka marikivy ireo ray aman-dreny, kanefa ny nifin'ireo zaza no nadilo.' 30 Fa ny olona tsirairay dia ho fatin'ny helony ihany; ny olon-drehetra izay mihinana voaloboka marikivy, dia hadilo ny nifiny. 31 Indro, tonga ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hanorenako fanekena vaovao amin'ny ankohonan'i Israely sy ny ankohonan'i Joda. 32 Tsy ho tahaka ny fanekena izay naoriko tamin'ireo rain'izy ireo tamin'ny andro izay nitantanako azy ireo mba hamoahana azy ireo tao amin'ny tany Egypta. Ireo no andro izay nandravan'izy ireo ny fanekeko, na dia vady tamin'izy ireo aza Aho—izany no fanambaran'i Yaveh. 33 Fa izao no fanekena izay haoriko miaraka amin'ny ankohonan'ny Israely aorian'ireo andro ireo—izany no fanambaran'i Yaveh: Hametraka ny lalàko ao anatin'izy ireo Aho ary hanoratra izany ao am-pon'izy ireo, fa ho Andriamaniny Aho, ary ho vahoakako izy ireo. 34 Dia tsy hampianatra ny mpiara-monina aminy intsony ny lehilahy tsirairay, na hampianatra ny rahalahiny ny lehilahy iray ka hiteny hoe: 'Fantaro Yaveh!' Fa izy rehetra, manomboka amin'ny kely indrindra amin'izy ireo ka hatramin'ny lehibe indrindra, dia hahafantatra Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hamela ny helok'izy ireo Aho ary tsy hahatsiaro ny fahotan'izy ireo intsony.'' 35 Izao no lazain'i Yaveh—Yaveh, no Ilay mampibaliaka ny masoandro amin'ny andro ary mandamina ny volana sy ireo kintana hamiratra ny alina. Izy Ilay mampihetsika ny ranomasina mba hierona ny onjan'izany. Yaveh Tompon'ny maro no anarany. Izao no lazainy: 36 "Raha mba manjavona eto imasoko ireo zavatra maharitra ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—dia hitsahatra mandrakizay tsy ho firenena eo anatrehako ny taranak'Israely.'' 37 Izao no lazain'i Yaveh: "Raha mba azo refesina ny lanitra avo indrindra, ary raha mba hita ny fanambanin'ny tany, dia hanary ireo taranak'Israely rehetra noho izay rehetra nataony Aho—izany no fanambaran'i Yaveh.'' 38 ''Indro, ho avy ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hanamboarana indray ny tanàna ho Ahy, manomboka ao amin'ny Tilikambon'i Hananela ka hatrany amin'ny Vavahady An-jorony. 39 Dia hivoaka hatrany lavitra indray ny tsipika fandrefesana, hatrany amin'ny havoan'i Gareba sy manodidina an'i Goa. 40 Ny lohasahan'ireo faty sy lavenona manontolo, ary ny faritry ny saha rehetra mivoaka mankany amin'ny Lohasahan'i Kidrona ka hatrany lavitra any amin'ireo zoron'ny Vavahadin-tsoavaly any atsinanana, dia ho atokana ho an'i Yaveh. Tsy hongotana ny tanàna na ho ravàna indray, mandrakizay.''