1 Ireto ny teny tao amin'ilay horonan-taratasy izay nalefan'i Jeremia mpaminany avy any Jerosalema ho an'ireo loholona sisa tavela tamin'ireo babo sy tamin'ireo mpisorona, ireo mpaminany, ary ireo vahoaka izay nataon'i Nebokadnezara sesitany avy any Jerosalema nankany Babylona. 2 Izany dia taorian'ny nandefasana an'i Jekonia mpanjaka, sy ny reny mpanjaka vavy, sy ireo manam-pahefana ambony, ny mpitarika an'i Joda sy Jerosalema, ary ireo mpanao asa-tanana tany Jerosalema. 3 Nampitondrainy an'i Elasa zanak'i Safana ary Gemaria zanak'i Hilkia izay nirahin'i Zedekia mpanjakan'i Joda, tany amin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ilay horonan-taratasy. 4 Izao no lazain'ilay horonan-taratasy: ''Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, milaza izao amin'ireo babo rehetra izay nataoko sesitany avy tany Jerosalema ho any Babylona: 5 'Manamboara trano ary mitoera ao amin'ireo. Mambole zaridaina ary hano ny voan'ireo. 6 Makà vady ary miteraha zanaka lahy sy zanaka vavy. Dia hakao vady ireo zanakareo lahy, ary tolory vady ireo zanakareo vavy. Aoka izy ireo hiteraka zanaka lahy sy zanaka vavy ary ampitomboy ireo mba tsy hanjary ho vitsy loatra ianareo. 7 Katsaho ny fiadanan'ny tanàna izay nanaovako anareo ho sesitany, ary mivavaha amiko ho an'izany satria hisy fiadanana ho anao ao raha ao ny fiadanana.' 8 Fa Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nilaza izao: 'Aza mamela an'ireo mpaminany izay eo anivonareo sy ireo mpisikidy hamitaka anareo, ary aza mihaino ireo nofy izay nofisinareo. 9 Fa izy ireo dia maminany am-pitaka aminareo amin'ny anarako. Tsy nandefa azy ireo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh.' 10 Fa izao no nolazain'Yaveh: 'Rehefa nanapaka anareo nandritry ny fitopolo taona i Babylona, dia hanampy anareo Aho ary hanatanteraka ny teny soako ho anareo mba hamerenana anareo amin'ity toerana ity. 11 Fa Izaho tenako no mahafantatra ny fikasako ho anareo—izany no fanambaran'i Yaveh—fikasana fiadanana fa tsy loza, mba hanome ho avy sy ny fanantenana ho anareo. 12 Dia hiantso Ahy ianareo, ary andeha ka hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. 13 Fa hitady Ahy ianareo ka hahita Ahy, satria hitady Ahy amin'ny fonareo manontolo. 14 Ary ho hitanareo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—dia ho averiko ny harenareo; ho angoniko avy any amin'ny firenena sy toerana rehetra nampielezako anareo ianareo—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hamerina anareo any amin'ilay toerana izay nanaovako sesitany anareo Aho.' 15 Satria ianareo nilaza fa Yaveh dia nanandratra mpaminany ho anay any Babylona, 16 dia izao no lazain'i Yaveh amin'ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy amin'ireo olona rehetra izay mipetraka ao amin'izany tanàna izany, ireo rahalahinareo izay mbola tsy nivoaka ho babo niaraka taminareo— 17 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: 'Indro, handefa sabatra, mosary, sy aretina eo amin'izy ireo Aho. Fa ho ataoko toy ny aviavy lo izay tena ratsy raha hohanina izy ireo. 18 Dia hanenjika azy ireo amin'ny sabatra, mosary, sy areti-mandringana Aho ary hanao azy ireo ho mahatsiravina imason'ny fanjakan'ny tany rehetra—horohoro, fitaovana fanozonana sy mampisiotsioka, ary zavatra mahamenatra eo amin'ny firenena rehetra izay nampielezako azy. 19 Izany dia satria tsy nihaino ny teniko izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—izay nalefako azy ireo tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompoko. Nandefa azy ireo ombieny ombieny Aho, nefa tsy nihaino ianareo— izany no fanambaran'i Yaveh.' 20 Koa henoy ny tenin'i Yaveh, ianareo sesitany rehetra izay nalefany avy any Jerosalema ho any Babylona: 21 'Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nilaza izao momba an'i Ahaba zanak'i Kolaia sy Zedekia zanak'i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin'ny anarako: Indro, hametraka azy ireo eo an-pelatanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona Aho. Hamono azy ireo eo imsonareo Izy. 22 Dia hisy ozona ho lazain'ireo babon'i Joda rehetra any Babylona momba ireo olona ireo. Ilay ozona dia hilaza hoe: Ho ataon'i Yaveh tahaka an'i Zedekia sy Ahaba anie ianareo, izay natonon'ny mpanjakan'ny Babylona tamin'ny afo. 23 Hiseho izany noho ireo zava-mahamenatra izay nataon'izy ireo tany Israely rehefa nijangajanga tamin'ny vadin'ny namany sy nilaza teny lainga tamin'ny anarako, zavatra izay tsy mbola nandidiko azy ireo ho lazaina mihitsy. Fa Izaho ilay mahalala; Izaho no vavolombelona—izany no fanambaran'i Yaveh.''' 24 ''Raha ny amin'i Semaia Nehelamita, dia izao lazaina: 25 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely: Satria ianao nandefa taratasy tamin'ny anaranao ihany tamin'ny olona rehetra tany Jerosalema, tamin'i Zefania zanak'i Masaia mpisorona, ary tamin'ny mpisorona rehetra, ary niteny hoe: 26 ''Yaveh nanao anareo ho mpisorona fa tsy Joiada mpisorona, mba hiandraiketanareo ny tranon'i Yaveh. Ianao no mifehy ny olona rehetra izay very saina sy manao ny tenan'izy ireo ho mpaminany. Tokony ho gadraina sy fatorana amin'ny rojo vy izy ireo. 27 Koa ankehitriny, Nahoana ianareo no tsy niteny mafy an'i Jeremia ny amin'i Anatota, izay manao ny tenany ho mpaminany manohitra anareo? 28 Fa efa naniraka ho anay tany Babylona izy ary niteny hoe: 'ho fotoana ela izany. Manorena trano ary mitoera ao amin'ireo, mambole zaridaina ary hano ny voan'ireo.''''' 29 Namaky ity taratasy ity i Zefania mpaminany teo an-tsofin'i Jeremia mpaminany. 30 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 31 ''Mandefasa teny amin'ireo sesitany rehetra ary lazao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh momba an'i Semaia Nehelamita: Satria efa naminany taminareo i Semaia rehefa tsy nandefa azy Izaho tenako, ary nitarika anareo hino ireo lainga, 32 noho izany dia izao no lazain'i Yaveh: Indro, efa hanafay an'i Semaia Nahalemita sy ireo taranany Aho. Tsy hisy olona hijanonany eo amin'ny oloko—izany no fanambaran'i Yaveh—fa efa nitory fikomiana hanohitra an'i Yaveh izy.'''