Toko faha 28

1 Tamin'izany taona izany, tamin'ny fiantombohan'ny fanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Joda, tamin'ny fahefa-taona sy fahadimin'ny volana, Hanania zanaka lahin'i Azora mpaminany, izay avy any Gibeona, dia niteny tamiko tao an-tranon'i Yaveh teo anatrehan'ireo mpaminany sy ny vahoaka rehetra. Hoy izy hoe: 2 "Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, milaza izao: Efa novakiako ny zioga izay napetraky ny mpanjakan'i Babylona. 3 Ao anatin'ny roa taona dia haveriko eto amin'ity toerana ity ireo zavatra rehetra tao an-tranon'i Yaveh izay nalain'i Nebokadnezara mpanjaka an'i Babylona teto amin'ity toerana ity ka notaominy nankany Babylona. 4 Ary dia ho entiko miverina amin'ity toerana ity i Jekonia zanaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, ary ireo babo rehetra izay nirahina nankany Babylona—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hamotika ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona aho." 5 Koa niteny tamin'i Hanania mpaminany teo anatrehan'ireo mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay nijoro tao an-tranon'Yaveh i Jeremia mpaminany. 6 Hoy Jeremia mpaminany hoe: "Hanao izany anie Yaveh! Yaveh anie hanamafy ireo teny izay naminanianao ka hamerina ireo zavatrin'ny tranon'i Yaveh eto amin'ity toerana ity, sy ireo babo rehetra avy any Babylona. 7 Na izany aza, mihainoa izao teny izay ambarako eo an-tsofinao sy eo an-tsofin'ny vahoaka rehetra. 8 Ireo mpaminany izay nisy teo alohako sy teo alohanao taloha ela be ihany koa dia naminany mahakasika ireo firenena maro sy hanohitra ireo fanjakana lehibe, momban'ny ady, mosary, ary ny areti-mandringana. 9 Fa ny mpaminany izay maminany fa hisy fiadanana—raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra fa mpaminany nirahan'i Yaveh tokoa izy." 10 Fa noraisin'i Hanania mpaminany ilay zioga teny an-tendan'i Jeremia mpaminany ary novakiany izany. 11 Avy eo dia niteny teo anatrehan'ny vahoaka rehetra i Hanania ka nanao hoe: "izao no tenin'Yaveh: Tahaka izany koa, ao anatin'ny roa taona dia ho vakiako avokoa ireo zioga izay napetrak'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona teo an-tendan'ny firenena rehetra." Dia nizotra tamin'ny lalany i Jeremia mpaminany. 12 Taorian'ny namotehan'i Hanania mpaminany ny zioga teo amin'ny tendan'i Jeremia mpaminany, dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 13 "Mandehana ary miresaha amin'i Hanania ary lazao hoe: 'izao no lazain'i Yaveh: namaky zioga hazo Ianao, fa Izaho kosa hanao zioga vy.' 14 Fa izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Efa nametraka zioga vy tamin'ny tendan'ireo firenena rehetra izay manompo an'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona ireo Aho, ka hanompo azy izy ireo. Efa nanome azy bibidia ihany koa Aho mba hanapaka eo aminy. " 15 Taorian'izany i Jeremia mpaminany dia niteny tamin'i Hanania mpaminany hoe: "Mihainoa ry Hanania! Tsy naniraka anao i Yaveh, fa ianao tenanao no nahatonga ireo vahoaka hino lainga. 16 Koa izao no lazain'i Yaveh: Indro, hanala anao eto an-tany Aho. Ho faty amin'ity taona ity ianao, satria nanambara fikomiana an'i Yaveh ianao." 17 Tamin'ny fahafiton'ny volan'izany taona izany ihany, dia maty i Hanania mpaminany.