Toko faha 27

1 Tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Zekedia zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda, dia tonga tamin'i Jeremia ity teny avy amin'i Yaveh ity. [Na dia manao hoe "Joiakima" aza ny ankamaroan'ireo dika-teny Hebreo, ny ankamaroan'ireo dikan-teny amin'izao fotoana dia manao hoe "Zedekia", satria ireo tranga ao amin'ity toko ity dia niseho nandritry ny fanjakany] 2 Izao no nolazain'i Yaveh tamiko hoe: "Manamboara famatorana sy zioga ho an'ny tenanao. Apetraho eo amin'ny hatokao ireo. 3 Avy eo dia alefaso any amin'ny mpanjakan'i Edoma, mpanjakan'i Moaba, mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, mpanjakan'i Tyro, ary amin'ny mpanjakan'i Sidona ireo. Alefaso amin'ny alalan'ny tanan'ireo masoivohon'ny mpanjaka izay tonga tao Jerosalema ho any amin'i Zedekia mpanjakan'i Joda ireo. 4 Omeo baiko izy ireo ho an'ireo tompon'izy ireo ary lazao hoe: "Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nanambara izao: Izao no tsy maintsy ho lazainareo amin'ireo tomponareo: 5 "Izaho tenako dia nanao ny tany tamin'ny alalan'ny heriko lehibe sy ny sandriko nitsangana. Izaho ihany koa no nanao ny olona sy ireo biby eo ambonin'ny tany, ary nomeko an'izay marina teo imasoko izany. 6 Koa ankehitriny, Izaho tenako dia hanome ireo tany rehetra ireo ho eo am-pelan-tanan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko. Omeko azy ihany koa ireo zava-manan'aina eny an-tsaha mba hanompo azy. 7 Fa ny firenena rehetra dia hanompo azy, ireo zanany lahy, ary ireo zafikeliny mandra-pihavin'ny fotoanan'ny taniny. Ary hisy firenena maro sy mpanjaka lehibe handresy azy. 8 Noho izany ny firenena sy ny fanjakana izay tsy manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy mametraka ny hatony ao ambanin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona—dia ho saziako amin'ny sabatra, mosary, ary aretin-mandringana izany firenena izany—izany no fanambaran'i Yaveh—mandra-paharavako azy ireo amin'ny alalan'ny tanany. 9 Koa aza mihaino an'ireo mpilaza ny ho avy, ireo mpisikidinareo, ireo mpahitanareo, ireo mpijery ny ho avy, ary ireo mpamosavy, izay niresaka taminareo ary nilaza hoe: 'Aza manompo ny mpanjakan'i Babylona .' 10 Fa izy ireo dia maminany lainga aminareo mba handefasana anareo lavitra ny taninareo, fa ho roahiko ianareo, ary ho faty ianareo. 11 Fa ireo firenena izay mametraka ny hatony ao ambanin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ka manompo azy, dia ho avelako hijanona eo amin'ny taniny izany—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hamboly eo amin'izany izy ireo ary hanorina ny tranon'izy ireo eo amin'izany."" 12 Koa niresaka tamin'i Zedekia mpanjakan'i joda Aho ary nanome azy izao hafatra izao: "Apetraho ao ambanin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ny hatokareo ary manompoa azy sy ny vahoakany, ary ho velona ianareo. 13 Nahoana ianareo no ho faty—ianao sy ny vahoakanao—amin'ny alalan'ny sabatra, mosary, sy ny aretin-mandringana, tahaka ny efa nambarako momban'ny firenena izay mandà ny hanompo ny mpanjakan'i Babylona? 14 Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminany izay miresaka aminareo ary milaza hoe: 'Aza manompo ny mpanjakan'i Babylona,' satria maminany lainga aminareo izy ireo. 15 'Fa tsy nandefa azy ireo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—fa izy ireo dia maminany fitaka amin'ny anarako mba handroahako anareo ka ho faty ianareo, ianareo sy ireo mpaminany izay naminany taminareo.'" 16 Nambarako tamin'ireo mpisorona sy ny olona rehetra izany ary nanao hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminaninareo izay maminany aminareo ary manao hoe: 'Indro! Ireo zavatra tao an'ny tranon'i Yaveh dia naverina tany Babylona ankehitriny!' Maminany lainga aminareo izy ireo. 17 Aza mihaino azy ireo. Tokony hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo ary ho velona. Nahoana no tokony ho rava ity tanàna ity? 18 Raha mpaminany izy ireo, ary raha tonga tamin'izy ireo marina ny tenin'i Yaveh, dia aoka izy ireo hitalao amin'i Yaveh tompon'ny maro mba tsy handefa amin'i Babylona ireo zavatra izay tavela ao an-tranony, ilay tranon'ny mpanjakan'i Joda, sy Jerosalema. 19 Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao momban'ireo andry, ny tavin-drano lehibe, sy ny fitoeran'ny tavin-drano, ary ny ambin'ireo zavatra izay tavela ao amin'io tanàna io— 20 ireo zavatra izay tsy noraisin'i Nebokadnezara rehefa nilanja an'i Jekonia zanaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, ho babo avy any Jerosalema ho any Babylona niaraka tamin'ireo manan-kajan'i Joda sy Jerosalema. 21 Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao momban'ireo zavatra izay tavela ao amin'ny tranon'i Yaveh, ilay tranon'ny mpanjakan'i Joda, sy Jerosalema hoe: 22 'Ho entina any Babylona ireo, ary hipetraka any mandra-pahatongan'ny andro hiaviako ho azy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—avy eo Aho hitondra ireo hiakatra ary hamerina ireo any amin'io toerana io.'"