1 Tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Joiakima zanaka lahin'i Josia, dia tonga avy amin'i Yaveh izao teny izao, nanao hoe: 2 "Yaveh niteny hoe : "Mitsangàna eo amin'ny kianjan'ny tranoko ary lazao amin'ny tanànan'i Joda rehetra izay tonga hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranoko. Ambarao ny teny rehetra izay nandidiko anao ho lazainao amin'izy ireo. Aza misy teny hanalana! 3 Angamba mba hihaino izy ireo, ka hiala amin'ireo lalan-dratsiny ny olona tsirairay, ka hihazona ny loza izay efa nokasaiko ho entina eo amin'izy ireo nohon'ny faharatsian'ny fomba fanaon'izy ireo Aho. 4 Koa tsy maintsy milaza amin'izy ireo ianao hoe :'Izao no nambaran'i Yaveh: Raha tsy mihaino ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalàko izay napetrako teo anatrehanareo— 5 raha tsy mihaino ny tenin'ireo mpaminany mpanompoko ianareo izay nikirizako nalefa taminareo ianareo— fa tsy nihaino ianareo!— 6 dia ho ataoko tahaka an'i Silo ity trano ity; ho ataoko ozona eo imason'ireo firenena rehetra eran'ny tany ity tanàna ity.'" 7 Ireo mpisorona, ireo mpaminany, sy ny olona rehetra dia naheno an'i Jeremiah nanambara izany teny izany tao an-tranon'i Yaveh. 8 Ary raha vao nifarana ny fanambaran'i Jeremia ny teny rehetra izay nandidin'i Yaveh azy ho lazainy tamin'ny olona rehetra, dia nisambotra azy ireo mpisorona, ireo mpaminany, sy ny olona rehetra ka nanao hoe :"tena ho faty ianao! 9 Nahoana ianao no naminany tamin'ny anaran'i Yaveh ary nilaza fa ity trano ity dia ho tonga tahaka an'i Silo ary ity tanàna ity dia ho lao, ary tsy hisy mponina? Fa ny vahoaka rehetra nitangorona nanohitra an'i Jeremia tao an-tranon'i Yaveh. 10 Ary naheno izany teny izany ireo manam-pahefan'i Joda ary niakatra avy any an-tranon'ny mpanjaka ho any an-tranon'i Yaveh. Nipetraka teo am-bavahady teo amin'ny Vavahady Vaovaon'ny tranon'i Yaveh izy ireo. 11 Ireo mpisorona sy ireo mpaminany niresaka tamin'ireo manam-pahefana sy ny olona rehetra. Hoy izy ireo: "Rariny ho an'ity lehilahy ity ny ho faty, fa naminany nanohitra ity tanàna ity izy, araka izay renareo tamin'ny sofinareo!" 12 Koa niresaka tamin'ireo manam-pahefana rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia ka nilaza hoe: "Yaveh no nandefa ahy haminany hanohitra ity trano sy tanàna ity, mba hilaza ny teny rehetra izay efa renareo. 13 Koa ankehitriny, hatsarao ny lalanareo sy ny fanaonareo, ary mihainoa ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo mba hanenenany ny mahakasika ny loza izay nambarany hanoherana anareo. 14 Izaho mihintsy no eo an-tananareo_jereo aho! Ataovy amiko izay tsara sy marina eo imasonareo. 15 Fa tokony ho fantatrareo tokoa fa raha mamono ahy ianareo, dia hitondra rà marina ho an'ny tenanareo sy ho an'ity tanàna ity sy ny mponina ao aminy, fa Yaveh tokoa no nandefa ahy teo aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo ho ren'ny sofinareo. 16 Ary ireo manam-pahefana sy ny olona rehetra niteny tamin'ireo mpisorona sy ireo mpaminany hoe: "Tsy mendrika ny ho faty ity lehilahy ity satria nanambara zavatra tamintsika tamin'ny anaran'i Yaveh Andriamanitsika izy." 17 Koa dia nitsangana ireo loholon'ny tany ka niteny tamin'ny fiangonan'ny olona manontolo. 18 Hoy izy ireo hoe: "Mika Morastita dia naminany tamin'ny andron'i Hezekia mpanjakan'ny Joda. Niresaka tamin'ny vahoakan'i Joda rehetra izy ka nanao hoe: 'Yaveh Tompon'ny maro nilaza izao: ho hasaina tahaka ny saha i Ziona, ho tonga korontam-bato iJerosalema, ary ny tendrombohitrin'ny tempoly dia ho tonga havoana rakotra kirihitrala.' 19 Namono azy ve i Hezekia mpanjakan'ny Joda sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an'i Yaveh ve izy ka nampitony ny tavan'i Yaveh mba hanajanonan'i Yaveh ny loza izay efa nambarany azy ireo? Koa hanao zava-dratsy lehibe amin'ny aintsika ihany ve isika?" 20 Teo anilan'izany ihany koa dia nisy lehilahy hafa izay naminany tamin'ny anaran'i Yaveh—Oria zanaka lahin'i Semaia avy amin'i Kiriata Jearima—izy koa dia naminany hanohitra ity tanàna sy tany ity, nifanaraka tamin'ny tenin'i Jeremia rehetra. 21 Fa rehefa ren'i Joiakima mpanjaka sy ny miaramilany rehetra sy ny manam-pahefany ny teniny, dia niezaka ny hamono azy ny mpanjaka, saingy nandre izany i Oria ka natahotra, dia nandositra ary lasa nankany Egypta. 22 Ary nandefa lehilahy ho any Egypta ny mpanjaka Joiakima—Elnatana zanaka lahin'i Akbora sy lehilahy handeha ho any Egypta hanaraka an'i Oria. 23 Nalain'izy ireo hivoaka avy tao Egypta i Oria ary nentina teo amin'i Joiakima mpanjaka izy. Ary dia novonoin'i Joiakima tamin'ny sabatra izy ary nalefany tany amin'ireo fasan'ny olon-tsotra ny fatiny. 24 Fa ny tanan'i Ahikama zanaka lahin'i Safana dia niaraka tamin'i Jeremia, ka tsy natolotra teo ampelan-tanan'ny vahoaka mba ho vonoina izy.