1 Izao no teny tonga tamin'ny Jeremia mahakasika ny olon'i Joda rehetra. Tonga izany tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanak'i Josia, mpanjakan'i Joda. Taona voalohany nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona izany. 2 Jeremia mpaminany nanambara izao tamin'ny olona rehetra tao Joda sy ny mponin'i Jerosalema rehetra. 3 Hoy izy hoe: "Nandritra ny telo amby roapolo taona, tamin'ny fahatelo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josia zanak'i Amona, mpanjakan'i Joda mandrak'ankehitriny, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh ary efa nolazaiko anareo hatrany hatrany, fa tsy nihaino ianareo. 4 Nandefa ireo mpaminany mpanompony rehetra ho eo aminareo hatrany hatrany i Yaveh, fa tsy nihaino azy ianareo na niraharaha. 5 Ireo mpaminany niteny hoe: 'Aoka ny olona tsirairay hiala amin'ny fomba ratsiny sy ny kolikoly fanaony ary hiverena any amin'ny tany izay nomen'i Yaveh ny razambenareo tamin'ny andro fahiny sy ho anareo, ho fanomezana maharitra. 6 Ka aza manaraka amin'ireo andriamanitra hafa mba hanompo na hiankohoka amin'izy ireo, ary aza miantsy Azy amin'ireo asan'ny tananareo mba tsy hanisiany ratsy anareo.' 7 Kanefa tsy nohenoinareo Aho—izao no fanambaran'i Yaveh—koa efa niantsy Ahy ianareo amin'ny asan'ny tananareo mba hanisy ratsy anareo. 8 Koa Yaveh Tompon'ny maro nilaza izao: 'Satria tsy nihaino ireo teniko ianareo, 9 indro, handefa didy hanangonana ny olona rehetra avy any avaratra Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—miaraka amin'i Nebokadnezara mpanompoko, mpanjakan'i Babylona, ary hitondra azy ireo hanohitra izao tany izao sy ireo mponiny Aho, ary hanohitra ireo firenena rehetra manodidina anareo. Fa ho atokako izy ireo amin'ny fandringanana. Ho avadiko ho horohoro, sy zavatra mampisiotsioka, ary faharavana tsy misy fahataperana izy ireo. 10 Hatsahatro ny feon'ny fifaliana ary ny feon'ny firavoravoana, ny feon'ny mpampakatra ary ny feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro. 11 Dia ho tonga faharavana sy horohoro ity tany rehetra ity, ary ireo firenena ireo hanompo ny mpanjakan'i Babylona mandritra ny fitopolo taona. 12 Ary rehefa feno ny fitopolo taona, dia ho faiziko ny mpanjakan'i Babylona sy izany firenena izany, dia ny tanin'ireo Kaldeana—izany no fanambaran'i Yaveh—noho ny helok'izy ireo ary ho ataoko ho faharavana tsy misy fahataperana izany. 13 Koa ho tanterahiko amin'izany tany izany ny teny rehetra izay efa nolazaiko, ary ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ity boky izay naminanian'i Jeremia hanoherana ireo firenena rehetra ity. 14 Fa hamoaka ireo andevo ao amin'ireo firenena ireo koa ny firenena maro hafa sy ireo mpanjaka lehibe maro hafa. Ho valiako araka ny ataony sy araka ny asan'ny tanany avy izy ireo. 15 Fa Yaveh, Andriamanitr'Israely, nilaza izany tamiko manao hoe: "Raiso ety an-tanako ity kapoakan-divain'ny fahatezerana ity ary aoka ireo firenena rehetra izay anirahako anao hisotro izany. 16 Fa hisotro izy ireo sy ho tafintohina noho izany ary hivembena toy ny adala anoloan'ny sabatra izay alefako eo amin'izy ireo." 17 Koa dia noraisiko avy teo an-tanan'i Yaveh ny kapaoka, ary nampisotroiko izany ny firenena rehetra izay nalefan'i Yaveh ahy: 18 dia i Jerosalema, ireo tanàn-dehiben'i Joda sy ny mpanjakany ary ireo manam-pahefana—mba hamadika azy ireo ho faharavana sy zavatra mampatahotra, sy zavatra mampisiotsioka sy fanozonana, tahaka azy ireo amin'izao andro izao. 19 Tsy maintsy nisotro izany koa Ireo firenena hafa: Farao mpanjakan'i Egypta sy ireo mpanompony; ireo manam-pahefany sy ny vahokany; 20 ny olona rehetra samy hafa fiaviana sy ireo mpanjaka rehetra avy amin'ny tanin'i Oza; ireo mpanjaka avy amin'ny tanin'ny Filistia rehetra—Askelona, Gaza, Ekrona , ary ny sisa any Asdoda; 21 Edoma sy Moaba ary ny vahoakan'i Amona. 22 Ireo mpanjakan'i Tyro sy Sidona, ireo mpanjakan'ny moron-tsiraka eny ampitan'ny ranomasina, 23 Dedana, Tema, ary Boza miaraka amin'ireo olona rehetra izay nanapaka ny sisin'ny volondohan'izy ireo, tsy maintsy nisotro izany ihany koa izy ireo. 24 Ireto olona ireto dia tsy maintsy nisotro izany ihany koa: ny mpanjakan'i Arabia rehetra ary ny mpanjakan'ny vahoaka samy hafa fiaviana rehetra izay monina any an'efitra; 25 ny mpanjakan'i Zimry rehetra, ny mpanjakan'i Elama rehetra, ary ny mpanjakan'i Media rehetra; 26 ny mpanjakan'ny avaratra rehetra, na ny akaiky ary na ny lavitra—ny olona tsirairay miaraka amin'ny rahalahiny ary ny fanjakana rehetra eo amin'izao tontolo izao izay eo ambonin'ny tany. Tao aorian'izy rehetra ireo dia ny mpanjakan'i Babylona no hisotro farany. 27 Nilaza tamiko Yaveh hoe: "Ankehitriny tsy maintsy hilaza amin'izy ireo ianao hoe: 'Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, nilaza izao: misotroa ary mimamoa, ary mandoava, mianjerà, ary aza mitsangana manoloana ny sabatra izay nalefako eo aminareo.' 28 Ary raha mandà tsy handray ilay kapoaka ho sotroina eny an-tananao izy ireo, dia lazao izy ireo hoe: 'nilaza izao Yaveh tompon'ny maro hoe: tsy maintsy misotro izany tokoa ianareo. 29 Fa indro, hitondra loza eo amin'ilay tanàna izay nantsoina tamin'ny anarako Aho, dia tokony ho afaka amin'ny famaizana ve ianareo? Tsy ho afaka ianareo, satria hiantso ny sabatra hanohitra ny mponina rehetra amin'ilay tany Aho!—izany no fanambaran' i Yaveh Tompon'ny maro.' 30 Tsy maintsy maminany ireo teny rehetra amin'izy ireo ianao, ary lazao azy ireo hoe: 'Hierona avy any amin'ny avo i Yaveh ary hanandratra ny feony avy eny amin'ny fitoerany masina, ary hierona mafy amin'ny fiforetany Izy; ary hihiaka Izy, tahaka ireo izay manitsakitsaka ny voaloboka manohitra ireo rehetra izay miaina eto tany. 31 Ny feon'ady hanakoako hatrany amparan'ny tany, fa Yaveh mitondra fiampangana amin'ireo firenena, ary mitondra fitsarana eo amin'ny nofo rehetra Izy. Hanolotra ireo ratsy fanahy eo amin'ny sabatra Izy—izany no fanambaran'i Yaveh.' 32 Yaveh Tompon'ny maro nilaza izao hoe: ' Indro, hivoaka hitety firenena ny loza, ary miala avy any amin'ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany ny tafio-drivotra mahery. 33 Ary ireo izay novonoin'i Yaveh amin'izany andro izany dia hihitatra hatrany amin'ny fiafaran'ny tany iray ka hatramin'ny ilany hafa; tsy hisaonana izy ireo, na hoangonina, na ho alevina. Ho tahaka ny zezika eo ambonin'ny tany izy ireo. 34 Midradradradrà, ry mpiandry ondry, ary miantsoa vonjy! Mihodikodina eo amin'ny vovoka, ianareo ry mpitarika ny ondry, fa efa tonga ny andro famonoana anareo; hiparitaka toy ny vilany manify ianareo rehefa mianjera. 35 Tsy misy fialofana ho an'ireo mpiandry ondry, tsy ho afa-mandositra ireo mpitarika ny ondry. 36 Henoy ny tomanin'ireo mpiandry ondry sy ny fidradradradran'ireo mpitarik'ondry, fa simbain'i Yaveh ny ahitr'izy ireo. 37 Koa ho ravarava ireo ahitra noho fasiahan'ny fahatezeran'i Yaveh. 38 Tahaka ny liona tanora, nandao ny zohiny izy, satria ny tanin'izy ireo dia ho tonga horohoro noho ny fahatezeran'ny mpampahory, noho ny firehetan'ny fahatezerany." [ Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Fahatezeran'ny mpampahory", ny dikan-teny taloha sy taty aoriana manao hoe: "Sabatrin'ny mpampahory."]