1 "Raha misy lehilahy iray misaraka amin'ny vadiny ka miala aminy izy ary lasa vadin'olon-kafa, dia mbola hiverina aminy indray ve izy? Tsy haloto be ve izany tany izany? Efa niaina tahaka ny mpijangajanga izay manana sakaiza maro ianao; dia mbola hiverina amiko?—izany no fanambaran'i Yaveh. 2 Ampiakaro any amin'ireo momba ny masonao ary jereo! Misy toerana mbola tsy niraisanao ara-nofo antsokosoko ve? Teo amoron-dalana ianao no nipetraka niandry ireo sakaizanao, toy ny Araba any an'efitra. Efa nolotoinao tamin'ny fijangajanganao sy ny faharatsianao ny tany. 3 Ka notohanana ny loharano ary tsy tonga ny fara-orana. Fa ny tavanao miavonavona, toy ny tarehim-behivavy mahatsiravina. Nolavinao ny hatsapa henatra. 4 Mba efa niantso ahy ve ianao izao hoe: "Ry raiko! Ny namako akaiky avy amin'ny fahatanorako! 5 Dia ho tezitra amiko foana ve izy? Dia ho tazominy hatramin'ny farany ve ny hatezerany?' Indro! Izany no efa nolazainao, nefa ataonao ny ratsy rehetra afaka ataonao!" 6 Ary hoy Yaveh tamiko tamin'ny andron'i Josia mpanjaka: "Efa itanao ve izay fivadihana nataon'ny Israely? Dia niakatra nanerana ny havoana avo rehetra izy teo ambany ala mikitroka, ary tany no nanaovany toy ny fijangajangana. 7 Hoy aho: 'Aorian'ny anaovany izany zavatra rehetra izany, dia hiverina amiko izy,' saingy tsy niverina izy. Avy eo ny anabavin'ny Joda mpivadika nahita ireo zavatra ireo. 8 Koa dia hitako fa, tamin'ny fomba mitovy no efa nijangajangan'Israely mpivadika ary efa nandroaka azy aho ary efa nomeko hanohitra azy ny vavan'ny fisaraham-panambadiana, ny anabavin'ny Joda mpivadika tsy mba natahotra; nivoaka ihany koa izy ary nanao tahaka ny fijangajangana; 9 tsy nisy dikany taminy ny fijangajangany; nitety ny tany izy; ary nanao fanitsakitsaham-bady tamin'ireo vato sy hazo izy. 10 Ary taorian'izany rehetra izany, ny anabavin'ny Joda mpivadika dia niverina taminy, tsy tamin'ny fony rehetra, fa tamin'ny lainga—izany no fanambaran'i Yaveh." 11 Dia niteny tamiko Yaveh hoe: "Marina kokoa noho ny joda mpivadika ny Israely mpivadika! 12 Mandehana ary ambarao any avaratra ireo teny ireo. Lazao hoe: "Miverena, ry Israely mpivadika!—izany no fanambaran'i Yaveh—tsy ho tezitra aminareo foana Aho. Hatramin'izay maha mpatoky Ahy—Izany no fanambaran'i Yaveh—tsy hijanona ho tezitra mandrakizay aho. 13 Aoka ianao hiaiky ny helokao, satria efa nanota tamin'i Yaveh Andriamanitrao ianao; efa nizara ny fombanao tamin'ireo vahiny ambany ny hazo midoroboka rehetra! Satria ianao tsy nihaino ny feoko!— Izany no fanambaran'i Yaveh. 14 Miverena, ry vahoaka manam-pinoana!—izao no fanambaran'i Yaveh—Izaho no vadinareo! Halaiko ianareo, ny iray avy amin'ny tanàna ary ny roa avy amin'ny fianakaviana, ary ho entiko any amin'ny Ziona ianareo! 15 Homeko mpiandry ondry araka ny foko ianareo, ary hiambina anareo amin'ny fahaizana sy halalinan-tsaina izy ireo. 16 Ary izao no hitranga, hitombo ianao ary hitondra voankazo any amin'ny tany amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh—ary dia hiteny foana izy ireo hoe: "Ny fiaran'ny faneken'i Yaveh!" Izany zavatra izany dia ho avy ao am-pon'izy ireo foana na ho tsaroana; tsy ho banga izany, ary ny iray hafa tsy ho vita.' 17 Amin'io fotoana io dia hanambara mahakasika an'ny Jerosalema izy ireo hoe: 'Ity ny seza fiandrianan'i Yaveh,' ary ireo firenen-kafa rehetra dia hiangona any Jerosalema amin'ny anaran'i Yaveh. Dia handeha amin'ny hamafisan-dohan'ny faharatsian'ny fony foana izy ireo. 18 Amin'izany andro izany ny ankohonan'ny Joda dia handeha ao amin'ny ankohonan'ny Israely. Dia hiara tonga avy any amin'ny tany avaratra izy ireo mankany amin'ny tany izay nomeko ny razambenareo ho lova. 19 Fa amiko, hoy aho hoe: "Endrey ny faniriko hanome voninahitra anao tahaka ny zanako lahy ary hanome anao tany tsara, lova tsara indrindra noho izay an'ny firenen-kafa! Tsy maintsy hiteny aho hoe: "Hiantso ahy ianao hoe: "Raiko". Dia niteny aho hoe tsy tokony nivadika tamin'ny fanarahana ahy ianareo. 20 Saingy tahaka ny vehivahy mahatoky ny vadiny, efa namadika Ahy ianao, ry ankohonan'Israely—izany no fanambaran'i Yaveh." 21 Re teny amin'ireo tany lemaka ny feo, ny tomany sy ny fiangavian'ny vahokan'Israely! Fa nanova ireo fombany izy ireo, efa hadinon'izy ireo Yaveh Andriamanitr'izy ireo. 22 "Miverena, ry vahoaka tsy manam-pinoana! Ho sitraniko amin'ny fitaka ianareo." Indro! Hoavy any Aminao izahay, fa Ianao no Yaveh Andrimanitray! 23 Ho avy eny amin'ireo havoana tokoa ireo lainga, ny feo mampisafotofoto avy amin'ireo tendrombohitra; Yaveh Andriamanitra tokoa no famonjen'Israely. 24 Fa efa nanimba ny asan'ny razambe antsika Ireo sampy mahamenatra— ireo ondry aman'osy sy ny biby fiompin'izy ireo, ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo! 25 Avelao izahay handry eo amin'ny fahamenarana. Andrakotra anay anie ny henatray, fa efa nanota tamin'i Yaveh Andriamanitray izahay! Izahay tenanay sy ny razambe anay, tamin'ny fotoan'ny fahatanoranay ka hatramin'izao andro izao, dia mbola tsy naheno ny feon'i Yaveh Andriamanitray!"