Toko faha 2

1 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Mandehana ary manambarà amin'i Jerosalema. Milazà hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: Nahatsiaro ny anaranao Aho tamin'ny tsy fivadiham-pahatokianao tamin'ny fahatanoranao, ny fitiavanao tamin'ny fotoana nivadiantsika, rehefa nanaraka Ahy tany an'efitra ianao, dia ilay tany izay tsy namafazana. 3 Israely dia natokana ho an'i Yaveh, ireo voaloham-bokatry ny vokany! Izay rehetra mihinana amin'ireo voaloham-bokatra dia nomelohina; tonga tamin'izy ireo ny loza—izany no fanambaran'i Yaveh."' 4 Henoy ny tenin'i Yaveh, ry fianakavian'i Jakoba sy ry fianakavian'Israely rehetra. 5 Izao no lazain'i Yaveh: "Inona no olan'ny razambenareo Amiko, no niala lavitra tamin'ny fanarahana Ahy izy ireo? ka lasa nanaraka sampy tsy misy dikany sy lasa tsy misy dikany izy ireo? 6 Izy ireo dia tsy niteny hoe: 'Aiza i Yaveh, izay nitondra anay niakatra avy tao amin'ny tany Egypta? Aiza i Yaveh, izay nitarika anay tany an'efitra, tao amin'ny tanin'i Arabaha sy ny lavaka, tao amin'ny tany hay sy ny aizim-pito, tany iray izay tsy misy na iza na iza mandalo ary tsy misy mitoetra?' 7 Fa nitondra anareo tany amin'ny tany Karmela Aho, mba hihinana ny voany sy ireo zavatra tsara hafa! Fa rehefa tonga ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, nataonareo fahavetavetana ny lovako! 8 Ny mpisorona dia tsy nilaza hoe: 'Aiza i Yaveh?' ary ireo manam-pahaizana manokana amin'ny lalàna dia tsy miraraha ny momba Ahy! Ireo mpiandry ondry nanota tamiko. Ireo mpaminany naminany ho an'i Bala ary nanaraka ireo zavatra tsy mahasoa. 9 Koa mbola hiampanga anareo hatrany Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hiampanga ireo zanaky ny zanakareo Aho. 10 Fa miampità eny amin'ny sisin'i Kitima ka jereo. Mandefasa mpitondra hafatra ho any Kedara ka tadiavo ary jereo raha mbola nisy zavatra tahaka ity taloha. 11 Nifanakalo andriamanitra ve ny firenena, na dia tsy andriamanitra akory aza ireo? Kanefa ny oloko dia nanakalo ny voninahitr'izy ireo tamin'ny zavatra izay tsy afaka manampy azy ireo. (Fanamarihana: Raha tokony hoe: "ny voninahitr'izy ireo", ny dikan-teny sasany taloha kosa dia hoe: "ny voninahitro") 12 Mihovitrovitra ny lanitra noho izany! Aoka ho tohina sy hihorohoro—izany no fanambaran'i Yaveh. 13 Fa efa nanao ratsy roa tamiko ny vahoaka: Izy ireo dia nahafoy ny loharanon'ny ranovelona, nihady famorian-drano ho an'ny tenan'izy ireo, ary namaky famorian-drano izay tsy mahatazona rano akory. 14 Moa andevo ve Israely? Teraka tao amin'ny tranon'ny tompony ve izy? Koa nahoana izy no lasa mpandroba? 15 Nierona taminy ny liona tanora. Nitabataba fatratra izy ireo ka nanao ny taniny ho mahatsiravina. Rava ireo tanànany ka tsy nisy mponina. 16 Ny vahoaka tao Memfisa sy Tapanesa ihany koa dia hanaratra ny karan-dohanao. 17 Moa tsy nanao izany tamin'ny tenanao ve ianao rehefa nahafoy an'i Yaveh Andriamanitrao, raha mbola nitarika anao tamin'ny lalana Izy? 18 Koa ankehitriny, nahoana no mandeha amin'ny lalana ho any Egypta sy misotro ny ranon'i Sihora? Nahoana no mandeha amin'ny lalan'i Asyria ary misotro ny ranon'ny Onin'i Eofrata? 19 Mandatsa anao ny haratsianao, manasazy anao ny fivadihanao. Koa diniho izany ary takaro fa rehefa mahafoy an'i Yaveh Andriamanitrao ianao dia ratsy sy mangidy izany, ary aza matahotra Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh Tompo tompon'ny maro. 20 Fa efa nanapaka ny zioganao izay nanananao tamin'ny andro taloha Aho; efa namaha ireo gadranao Aho. Fa mbola milaza hatrany ianao hoe: 'Tsy hanompo aho!' satria mbola miankohoka amin'ny havoana avo rehetra sy eny ambany hazo mandravina rehetra ianao, ry mpijangajanga. 21 Tahaka ny voaloboka nosafidiana no namboleko anao, avy amin'ny voa tsara tokoa. Tamin'ny fomba ahoana no nanovànao ny tenanao ho ratsy, ho voaloboka ratsy? 22 Fa na manadio ny tenanao amin'ny ony na manasa ny tenanao amin'ny savony mahery aza ianao, dia loto eo anatrehako ny helokao—izany no fanambaran'i Yaveh Tompo. 23 Ahoana no ahafahanao milaza hoe: 'Tsy maloto aho! Tsy nandeha nanaraka an'i Bala aho'? Jereo izay nataonao tao amin'ireo lohasaha! Diniho izay vitanao—rameva vavy haingam-pandeha mihazakazaka etsy sy eroa ianao, 24 ampondradia zatra tany efitra, izay manimbolo hifoka rivotra! Iza no afaka hanakana ny faniriany? Amin'ny fotoana fahatairana dia tsy misy lahy mila manaraka azy; fa hahita azy ho azy izy ireo. 25 Tsy maintsy fehezinao ny tongotrao rehefa tsy manao kapa ary ny tendanao rehefa mangetaheta! Fa niteny ianao hoe: 'Tsy misy fanantenana izany! Tsia, tiako ireo vahiny ary mandeha manaraka azy ireny aho!' 26 Tahaka ny fahafaham-barakan'ny mpangalatra rehefa hita izy, no hahafa-baraka ny ankohonan'Israely—izy ireo, ny mpanjakan'izy ireo, ireo andrian-dahiny, ireo mpisorony ary ireo mpaminaniny! 27 Ireo no miteny amin'ny hazo hoe: 'Ianao no raiko', ary amin'ny vato hoe: 'Ianao no niteraka ahy.' Fa ny lamosin'izy ireo no manatrika ahy fa tsy ny tavan'izy ireo. Na dia izany aza, dia miteny izy ireo amin'ny fotoan'ny olana hoe: 'Mitsangana ary vonjeo izahay!' 28 Aiza ireo andriamanitra nataonareo ho an'ny tenanareo? Aoka izy ireo hiarina raha maniry ny hamonjy anareo amin'ny fotoan'ny olanareo, fa ny isan'ny tanànanareo dia mitovy amin'ny isan'ny sampinareo, ry Joda! 29 Koa nahoana ianareo no miampanga Ahy amin'ny fanaovana ny tsy mety? Efa nanota tamiko avokoa ianareo rehetra—izany no fanambaran'i Yaveh. 30 Zava-poana ny namaizako ny vahoakanao. Tsy hanaiky ny fepetra izy ireo. Ny sabatrareo dia nandrapaka ireo mpaminaninareo tahaka ny liona mpandrava! 31 Ianareo izay an'ity taranaka ity! Tandremo tsara ny teniko, dia ny tenin'i Yaveh! Efa tany efitra tamin'Israely ve aho? Na tanin'ny haizimpito lalina? Nahoana ny vahoakako no milaza hoe: 'Ndeha isika hirenireny, tsy handeha eo aminao intsony izahay'? 32 Hanadino ny firavany ve ny virijiny, ary ny ampakarina ny voaliny? Efa andro tsy hita isaina izay no nanadinoin'izy ireo Ahy! 33 Akory ny hatsaran'ny lalanao hitady fitia. Efa nampianatra ny lalanao tamin'ny vehivavy ratsy fanahy aza ianao. 34 Efa hita teny amin'ny akanjonao ny ràn'ny ain'izay tsy manan-tsiny, ny an'ny olona mahantra. Tsy hita nanao asa fandrobana ireo olona ireo. 35 Fa hoy kosa ianao hoe: 'Tsy manan-tsiny aho, efa niala tamiko tokoa ny hatezerany.' Kanefa indro! Izaho dia hitsara anao nohon'ny fitenenanao hoe: 'Tsy nanota aho.' 36 Nahoana no hamaivaninao ity fiovana tamin'ny fombanao ity? Ho diso fanantenana amin'ny Egypta ihany koa ianao, toy ny tamin'i Asyria. 37 Ho kivy ihany koa ianao hiala avy ao, miaraka amin'ny tananao eo an-dohanao, satria i Yaveh efa nandà ireo izay nitokianao, ka tsy ho ampian'izy ireo ianao."