Toko 1

1 Ireto no tenin'i Jeremia zanak'i Hilkia, iray amin'ireo mpisorona tao Anatota tao amin'ny tanin'i Benjamina. 2 Tonga taminy ny tenin'i Yaveh tamin'andron'i Josia zanak'i Amona, mpanjakan'i Joda, tamin'ny fahatelo ambin'ny folo taona nanjakany. 3 Tonga ihany koa izany tamin'ny andron'i Joiakima zanak'i Josia, mpanjakan'i Joda, hatramin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia zanak'i Josia, mpanjakan'i Joda, rehefa nalaina ho gadra ny vahoakan'i Jerosalema. 4 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 5 "Talohan'ny nanaovako anao tao am-bohoka, dia efa nifidy anao Aho; talohan'ny nivoahanao tao am-bohoka dia efa natokako ianao; dia efa nanao anao ho mpaminany amin'ireo firenena Aho." 6 "Oh, ry Yaveh Tompo!" Hoy aho hoe: "Tsy mahay miresaka aho, fa mbola tanora loatra." 7 Fa i Yaveh nilaza tamiko hoe: "Aza manao hoe 'tanora loatra aho.' Fa tsy maintsy mandeha ianao na aiza na aiza hanirahako anao, ary tsy maintsy milaza izay rehetra handidiako anao ianao! 8 Aza matahotra azy ireo, fa momba anao mba hamonjy anao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh." 9 Koa dia naninjitra ny tanany i Yaveh, nikasika ny vavako, ary nilaza tamiko hoe: "Ankehitriny, efa napetrako eo am-bavanao ny teniko. 10 Anio Aho dia manendry anao eo amin'ireo firenena sy eo amin'ireo fanjakana, mba hanongotra sy handrodana, mba handringana sy handrava, mba hanorina ary hamboly. 11 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: "Inona no hitanao, ry Jeremia?" Hoy aho hoe: "Mahita rantsan-kazo amygdala aho." 12 Hoy i Yaveh tamiko: "Efa nahita tsara ianao, fa mitandrina ny teniko Aho mba hanatanteraka izany." 13 Tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Yaveh, manao hoe: "Inona no hitanao?" Ary hoy aho: "Vilany mahamay no hitako, izay mangotraka ny tampony, mitongilana mianavaratra." 14 Hoy i Yaveh tamiko hoe: "Hisokatra avy any avaratra amin'izay rehetra monina ao amin'io tany io ny loza. 15 Ambaran'i Yaveh, fa hiantso ny foko rehetra avy any avaratran'ny fanjakana Aho. Ho tonga izy ireo, ary ny rehetra dia hametraka ny seza fiandrianany eo amin'ny vavahady fidirana ao Jerosalema, hanohitra ireo manda rehetra manodidina izany, ary hanohitra ireo tanàn'i Joda rehetra. 16 Izaho dia hanonona didim-pitsarana hanohitra azy ireo noho ny faharatsian'izy ireo rehetra tamin'ny fahafoizana Ahy, amin'ny fandoroana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamani-kafa, ary amin'ny fanompoana ireo izay namboarin'ny tanan'izy ireo ihany. 17 Aoka ho vonona ny tenanao! Mitsangàna ary lazao azy ireo izay rehetra nandidiako anao. Aza torotoro manoloana azy ireo, sao hanorotoro anao manoloana azy ireo Aho ! 18 Indro! Anio Aho dia efa nanao tanàna voaaro mafy, sy andry vy, ary manda varahina hanohitra ny tany manontolo ho anao— hanohitra ny mpanjakan'i Joda, ireo manam-pahefany, ireo mpisorony, ary ireo olona amin'ny tany. 19 Hiady hanohitra anao izy ireo, fa tsy haharesy anao, fa homba anao Aho mba hamonjy anao—izany no fanambaran'i Yaveh."