Toko faha 4

1 "Raha miverina ianao, ry Israely— izao no fanambaran'i Yaveh—dia Amiko no tokony hiverenanao. Raha hesorinao tsy ho eo anoloako ireo zavatra maharikorikonao ary tsy hiala eo amiko indray ianao, 2 dia aoka ianao ho feno fahamarinana, hahitsy, ary ho marina rehefa mianiana hoe: 'Raha mbola velona koa Yaveh.' Dia ho sambatra ao aminy ireo firenena, ary ao aminy no hanomezan'izy ireo voninahitra." 3 Fa izao no lazain'i Yaveh amin'ny olona tsirairay tao Joda sy Jerosalema: 'Ny taninao ihany no hasao, ary aza mamafy eny amin'ny tsilo. 4 Forao ho an'i Yaveh ny tenanareo ary esory ny hoditra manarona ny fonareo, ry lehilahin'i Joda sy mponin'i Jerosalema, raha tsy izany dia hivoaka toy ny afo ny fahatezerako, ka hirehitra tsy misy hamono azy, nohon'ny faharatsian'ny asanareo. 5 Tantero any Joda ary aoka izany ho re ao Jerosalema. Lazao hoe: "Tsofy eo amin'ny tany ny trompetra." Torio hoe: "Miangòna. Andeha isika hankany amin'ireo tanàna voaaro." 6 Asandrato ny saina famantarana ary ataovy manondro an'i Ziona izany, ary mitsoaha hitady fiarovana! Aza mijanona, satria hitondra loza avy any avaratra Aho ary fandrodanana lehibe. 7 Misy liona hivoaka avy ao an-kirihiny ary efa miainga ny olona izay handringana ny firenena. Mandao ny toerany izy mba hitondra horohoro eo amin'ny taninao, hamadika ireo tanànanareo ho faharavana, izay tsy hisy honina. 8 Noho izany, rakofy lamba fisaonana ny tenanao, mitomania ary midradradradrà. Fa tsy niala tamintsika ny herin'ny fahatezeran'i Yaveh. 9 Ary hitranga izany amin'izany andro izany—izao no fanambaran'i Yaveh—dia ho ketraka ny fon'ny mpanjaka sy ireo mpifehiny. Hihoron-koditra ireo mpisorona, ary hivarahontsana ireo mpaminany."' 10 Koa hoy aho hoe: "Oh! Ry Tompo Yaveh. Namitaka ity vahoaka ity sy Jerosalema tokoa Ianao tamin'ny filazana hoe: 'Hisy fiadanana ho anareo.' Kanefa ny sabatra dia mamely ny ain'izy ireo." 11 Amin'izany fotoana izany dia ho lazaina amin'ity vahoaka ity hoe: "Hisy rivotra mandoro avy any amin'ny lemak'ireo efitra hanao ny lalany ho any amin'ny zanaka vavin'ny oloko. Tsy hikororoka na hanadio azy ireo izany. 12 Hisy rivotra mahery lavitra noho izany ho avy amin'ny fibaikoako, ary hanome sazy azy ireo Aho. 13 Indro, mamely tahaka ny rahona izy, ary tahaka ny tafiotra ny kalesiny. Haingan-pandeha noho ny voromahery ny soavaliny. Loza ho antsika, fa ho rava isika! 14 Diovy hiala amin'ny faharatsiana ny fonao ry Jerosalema mba ho avotra ianao. Ho Mandra-pahoviana ny fihevitrao lalina indrindra no ho amin'ny fahotana? 15 Fa nisy feo nitondra vaovao avy any Dana, ary ny loza ho avy dia re avy any an-tendrombohitr'i Efraima. 16 Ataovy sainin'ny firenena izao: Indro, ambarao amin'i Jerosalema fa misy mpanao fahirano ho avy avy any an-tany lavitra mba hihiaka ady amin'ny tanànan'i Joda. 17 Ho tahaka ireo mpiambina manodidina ny saha fambolena izy ireo hanohitra azy, satria efa nikomy nanohitra Ahy izy—izany no fanambaran'i Yaveh— 18 ary ny fitondran-tenanareo sy ny asanareo dia nahatonga ireo zavatra ireo taminareo. Izany no ho famaizana anareo. Hatsiravina tokoa izany! Handona ny fonareo mihitsy izany. 19 Ry foko! Ry foko! Mitaintaina ny ao am-poko. Mangorohoro ato anatiko ny foko. Tsy afa-mangina aho satria reko ny feon'anjomara, fanairana ho amin'ny ady. 20 Ny loza omban'ny loza; fa mitoetra amin'y faharavana ny tany manontolo. Tampoka teo dia rava ny laiko, sy ny lambako tao anatin'ny fotoana fohy. 21 Ho mandra-pahoviana no ahitako ny zavatra mitovy amin'izany? No hahenoko ny feon'anjomara? 22 Fa ny fahadalan'ny oloko—tsy mahalala Ahy izy ireo. Vahoaka adaladala izy ireo ary tsy manana fahazavan-tsaina. Kinga amin'ny ratsy izy ireo, saingy tsy mahay manao ny tsara. 23 Hitako ilay tany. Indro! Tsy nisy endriny sady foana izany. Fa tsy nisy fahazavana ho an'ny lanitra teo. 24 Nitazana ny tendrombohitra Aho. Indro, nangovingovitra ireo, ary ny havoana dia nihovitrovitra . 25 Nijery aho. Indro, tsy nisy na iza na iza, ary ny voron'ny lanitra rehetra dia nandositra avokoa. 26 Nijery aho. Indro, tany efitra ny tanim-boly ary ny tanàna dia voasintona nidina teo anatrehan'i Yaveh, teo anatrehan'ny fisafoaky ny fahatezerany." 27 Izao no lazain'i Yaveh: "Ho tonga faharavana avokoa ny tany manontolo, saingy tsy ho potehiko tanteraka izany. 28 Noho izany antony izany, dia hisaona ny tany, ary ny lanitra any ambony dia hihamaizina. Fa efa nambarako ny fikasako; tsy hihemotra Aho; tsy hivadika amin'ny fanatanterahana azy ireo Aho. 29 Handositra amin'ny kotaban'i mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka miaraka amin'ny zana-tsipika ny tanàna rehetra; hihazakazaka ho any an'ala izy ireo. Ny tanàna rehetra dia hianika eny amin'ny toerana feno vatovato; ho foana ireo tanàna, satria tsy hisy olona honina ao amin'ireny. 30 Ary ankehitriny rehefa rava ianao, inona no ho ataonao? Fa na dia miakanjo jaky aza ianao, mihaingo firavaka volamena, ary manabe kokoa ny masonao amin'ny loko, ireo lehilahy izay nitsiriritra anao dia efa nandà anao izao. Fa kosa, mitady hifofo ny ainao izy ireo. 31 Koa reko ny feon'ny fangirifiriana, fahoriana tahaka ny amin'ny fahaterahan'ny zaza voalohan-teraka, dia ny feon'ny zanaka vavin'i Ziona. Misefosefo izy. Mamelatra ny tanany izy hoe: 'Loza ho ahy! Ketrak'ireo mpamono olona ireo aho."'