1 Melkizedeka izany, mpanjakan'i Salema, mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, izay nifanena tamin'i Abrahama rehefa niverina avy nandresy ireo mpanjaka ary nitahy azy. 2 Izy no nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. Ny anarany hoe "Melkizedeka" dia midika hoe "mpanjakan'ny fahamarinana." Ny anarany hafa dia "mpanjakan'i Salema," izany dia: "mpanjakan'ny fiadanana." 3 Izy dia tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana razambe, ary tsy manana fiantombohan'ireo andro sady tsy manana fiafaran'ny fiainana. Fa kosa, mitovy amin'ny Zanak'Andriamanitra izy, satria mitoetra ho mpisorona mandrakizay. 4 Jereo ny halehiben'io lehilahy io. Ny razambentsika Abrahama dia nanome ny ampahafolon'ireo zavatra izay azony tamin'ny ady. 5 Amin'ny lafiny iray, ireo zanaka lahin'i Levy izay mandray ny fisoronana dia manana baiko avy amin'ny lalàna mba hanangona ny ampahafolon-karena avy any amin'ireo olona, izany dia, avy amin'ireo rahalahin'izy ireo, na izany aza izy ireo, ihany koa, dia avy amin'ny vatan'i Abrahama. 6 Fa amin'ny lafiny iray, Melkizedeka, izay tsy voasoritra avy amin'izy ireo ny taranany, dia nandray ampahafolon-karena avy amin'i Abrahama, ary nanome tso-drano azy, ilay iray izay nanana ireo fampanantenana. 7 Tsy misy fandavana fa ny olona ambany indrindra dia omen'ny olona ambony indrindra tso-drano. 8 Amin'izany tranga izany, ny olona mety maty dia mandray ampahafolon-karena, fa amin'ity tranga ity dia voaporofo fa mbola velona izy. 9 Ary, amin'ny fomba firesaka, Levy, izay nandray ampahafolon-karena, dia nandoa ampahafolon-karena tamin'ny alalan'i Abrahama ihany koa, 10 satria Levy dia tao anatin'ny tenan'ny razambeny rehefa nihaona tamin'i Abrahama i Melkizedeka. 11 Ankehitriny raha azo atao amin'ny alalan'ny fisoronana levitika ny fahatanterahana (fa tao ambanin'izany ny olona no nandray ny lalàna), dia filàna bebe kokoa inona no mety nisy ho an'ny mpisorona hafa mba hitsanganana araka ny fomban'i Melkizedeka, ary tsy raisina araka ny fomban'i Arona? 12 Fa rehefa novàna ny fisoronana, dia tsy maintsy hovàna ihany koa ny lalàna. 13 Fa ilay iray izay nilazana ny momban'ireo zavatra ireo dia an'ny foko hafa, izay tsy misy olona manompo eo amin'ny alitara mihintsy. 14 Fa mazava ankehitriny, fa avy amin'i Joda no nahaterahan'ny Tompontsika, foko izay tsy nolazain'i Mosesy mihintsy ny mahakasika ireo mpisorona. 15 Izay lazaintsika dia efa mazava kokoa raha misy mpisorona hafa mitsangana amin'ny endrik'i Melkizedeka. 16 Tsy avy tamin'ny fototry ny lalànan'ny taranaky ny nofo no nahatonga azy ho mpisorona, fa kosa avy tamin'ny fototry ny herin'ny fiainana tsy mety levona. 17 Fa ny Soratra Masina dia mijoro vavolombelona momba azy hoe: "Ianao dia mpisorona mandrakizay araka ny fomban'i Melkizedeka. 18 Fa nisy fanafoanana ny didy teo aloha satria nalemy sy tsy nisy dikany izany. 19 Fa tsy nisy zavatra nataon'ny lalàna tonga lafatra. Kanefa, misy ny fampidirana fahatokiana tsara kokoa ho an'ny ho avy izay hanatonantsika an'Andriamanitra. 20 Tsy nitranga izany raha tsy nisy ny fandraisana fianianana. Amin'ny lafiny iray, ireo hafa ireo dia tonga mpisorona tsy nila fianianana. 21 Fa amin'ny lafiny iray hafa, ity iray ity, Jesosy, dia tonga mpisorona tamin'ny alalan'ny fianianana nataon'ilay nilaza taminy hoe: "Ny Tompo dia nianiana ary tsy hiova amin'ny heviny hoe: 'Ianao dia mpisorona mandrakizay.'" 22 Tamin'ny alalan'izany ihany koa Jesosy no nanome antoka ny fanekem-pihavanana tsara kokoa. 23 Amin'ny lafiny iray, maro no tonga mpisorona satria ny fahafatesana no manakana azy ireo hanohy. 24 Amin'ny lafiny iray hafa, satria Jesosy mitoetra mandrakizay, dia manana fisoronana mandrakizay izy. 25 Noho izany izy ihany koa dia afaka mamonjy tanteraka ireo izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany, satria izy dia miaina foana mba hanelanelana ho azy ireo. 26 Fa ny mpisoronabe tahaka izany dia mety ho antsika. Izy dia tsy manam-pahotana, tsy manan-tsiny, madio, nosarahana tamin'ireo mpanota, ary tonga ambony noho ireo lanitra. 27 Tsy mila izy, tsy tahaka ireo mpisoronabe, hanolotra sorona isan'andro, ny voalohany ho an'ireo fahotany manokana, ary avy eo ho an'ireo fahotan'ny olona. Efa nanao izany indray mandeha ho an'ny rehetra izy, rehefa nanolotra ny tenany. 28 Fa ny lalàna manondro ny olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe. Fa ny tenin'ny fianianana, izay tonga taorian'ny lalàna, dia nanendry Zanaka lahy, izay natao tonga lafatra mandrakizay.