Toko faha 8

1 Ary ny fototry ny zavatra lazainay dia izao: Isika dia manana mpisoronabe izay nipetraka teo an-tanan'ankavanan'ny seza fiandrianan'ilay be Voninahitra any an-danitra. 2 Izy dia mpanompo ao amin'ny toerana masina, ilay tabernakely marina izay ny Tompo, fa tsy ny olona, no nanorina azy. 3 Fa ny mpisoronabe rehetra dia notendrena hanolotra fanomezana sy sorona. Noho izany dia ilaina ny manana zavatra ho atolotra. 4 Ary raha teto an-tany Kristy, dia tsy ho mpisorona akory Izy, satria misy ireo izay manolotra fanomezana araka ny lalàna. 5 Izy ireo dia manompo ao amin'ny tabernakely izay tandindona sy aloky ny zavatra any an-danitra. Izany dia toy ny nampitandreman' Andriamanitra an'i Mosesy raha izy handeha hanamboatra tabernakely: hoy Andriamanitra hoe: "Jereo mba ho ataonao araka ny modely izay efa naseho anao teny an-tendrombohitra ny zavatra rehetra." 6 Fa ankehitriny Kristy dia nandray asa fanompoana tsara lavitra. Izany dia noho izy mpanelanelana ihany koa amin'ny fanekena tsara kokoa, izay mifototra amin'ny fampanantenana tsara kokoa. 7 Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy nisy nilana fanekena faharoa. 8 Fa rehefa nahita tsiny tamin'ny olona Andriamanitra, dia hoy Izy hoe: "Indro, ho avy ny andro—hoy ny Tompo—rehefa hanao fanekena vaovao amin'ny olon'Israely sy ny olon'i Joda Aho. 9 Dia tsy ho toy ny fanekena izay nataoko niaraka tamin'ny razan'izy ireo tamin'ny andro izay nitondrako azy ireo tamin'ny tanany hiala avy tamin'ny tany Egypta izany. Fa izy ireo dia tsy nitoetra tao amin'ny fanekeko, ary Izaho tsy niraharaha azy ireo—hoy ny Tompo. 10 Fa izao no fanekena izay ho hataoko amin'ny olon'Israely aorian'ireny andro ireny—hoy ny Tompo. Hataoko ao an-tsain'izy ireo ny lalàko, ary ho soratako ao am-pon'izy ireo ihany koa izany. Ho Andriamanitr'izy ireo Aho, ary izy ireo ho oloko. 11 Izy ireo dia tsy hampianatra ny mpiara-monina ary ny rahalahiny avy, hiteny hoe: 'Fantaro ny Tompo.' Fa hahafantatra Ahy ny rehetra, manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra amin'izy ireo. 12 Fa Izaho dia hamindra fo amin'ny tsy fahamarinan'izy ireo, ary tsy hahatsiaro ireo fahotany intsony." 13 Amin'ny fitenenana hoe "vaovao", dia nanao ny fanekena voalohany ho taloha izy, ary izay efa lany andro sy antitra dia efa akaiky ho levona.