1 Noho izany, andeha havelantsika ny fiantombohan'ny hafatr'i Kristy ka handroso amin'ny fahamatorana. Andeha isika tsy hametraka indray ny fototry ny fibebahana nohon'ny asan'ny maty sy ny finoana an'Andriamanitra, 2 na ny fototry ny fampianarana momban'ny batisa, ny fametrahan-tanana, ny fitsanganan'ireo olona maty, ary ny fitsarana mandrakizay. 3 Hanao izany ihany koa isika raha avelan'Andriamanitra. 4 Fa tsy hay atao ho an'ireo izay efa nohazavaina indray mandeha izany, izay nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra, izay nandray ny Fanahy Masina, 5 ary izay nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ireo herin'ny vanim-potoana ho avy, 6 saingy avy eo dia lavo—tsy hay atao ny mamerina azy ireo amin'ny fibebahana indray. Izany dia satria nomboan'izy ireo ho an'ny tenan'izy ireo indray ny Zanak'Andriamanitra, ary nalainy baraka ampahibemaso. 7 Fa ny tany izay mitroka ny orana mateti-piavy amin'izany, sy izay mamokatra ireo zava-maniry ilain'ireo olona izay niasana ny tany—io no tany izay mandray fitahiana avy amin'Andriamanitra. 8 Fa raha mamokatra tsilo izany, dia tsy misy ilàna azy ary efa akaikin'ny fanozonana. Ny fiafaran'izany dia amin'ny firehetana. 9 Fa izahay dia resy lahatra ny amin'ireo zavatra tsara kokoa momba anareo, ry malala, zavatra izay mahakasika ny famonjena, na dia miteny tahaka izany aza izahay. 10 Fa Andriamanitra dia tsy mba tsy marina ka hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo nohon'ny anarany, satria ianareo dia nanompo ireo mpino ary mbola manompo azy ireo hatrany. 11 Maniry mafy izahay mba haneho fahazotoana tahaka izany hatramin'ny farany ny tsirairay aminareo ho an'ny antoky ny fahatokiana feno. 12 Izany dia mba tsy ho lasa kamo ianareo, fa ho mpaka-tahaka an'ireo izay mandova ireo fampanantenana amin'ny finoana sy faharetana. 13 Fa tamin'Andriamanitra nanao ny fampanantenany tamin'i Abrahama, dia nianiana tamin'ny Tenany Izy, rehefa tsy afaka nianiana tamin'ny olona lehibe kokoa. 14 Hoy Izy hoe: "Izaho dia hitahy anao tokoa, ary tena hahamaro anao." 15 Tamin'izany fomba izany, dia nahazo izay nampanantenaina taorian'ny niandrasany tamim-paharetana Abrahama. 16 Fa ny olona dia mianiana amin'ny olona izay lehibe kokoa noho ny tenan'izy ireo. Isakin'ny tapitra ny fifamalian'izy ireo, dia misy voady iray natao ho fanamafisana. 17 Rehefa nanapa-kevitra ny hampiseho mazava kokoa tamin'ireo mpandovan'ny fampanantenana ny tsy fiovan'ny kalitaon'ny tanjony Andriamanitra, dia nomeny antoka tamin'ny voady izany. 18 Nataony izany mba ho amin'ny alalan'ny zavatra tsy azo ovaina anankiroa— izay tsy hain'Andriamanitra ny mandainga amin'izany—dia hanana fampaherezana matanjaka mba hihazonana mafy ny fahatokiana izay napetraka teo anoloantsika, isika, izay nandositra mba hanana fialofana. 19 Manana izany toky izany isika ho aro sy vatofantsika azo hiankinana ho an'ny fanahintsika, fahatokiana izay miditra ao amin'ny fitoerana anatiny ao ambadiky ny lamba. 20 Jesosy niditra tao amin'izany fitoerana izany toy ny mpialoha lalana ho antsika, ka tonga mpisoronabe mandrakizay manaraka ny fomban'i Melkizedeka.