1 Fa ny mpisoronabe rehetra, voafidy avy tamin'ny olona, dia notendrena mba hiasa amin'ny anaran'ny olona amin'ireo zavatra mahakasika an' Andriamanitra, ka mba hanolorany fanomezana sy fanatitra ho an'ny ota. 2 Izy dia afaka mifanaraka mora amin'ny tsy mahalala sy ny maniasia satria izy tenany ihany koa dia voadidin'ny fahalemena. 3 Noho izany, izy ihany koa dia notakiana hanolotra sorona ho an'ireo otany manokana, tahaka ny nataony ho an'ireo otan'ny olona. 4 Tsy ho an'ny tenany no handraisan'ny olona izany voninahitra izany. Fa kosa, izy dia nantsoin' Andriamanitra, tahaka an'i Arona. 5 Dia toy izany, Kristy tsy mba nanome haja ny tenany mihintsy tamin'ny fanaovany ny tenany ho mpisoronabe. Fa kosa, ilay iray izay niresaka taminy niteny hoe: "Zanako Ianao; anio dia tonga Rainao Aho." 6 Toy izany ihany koa no nolazainy tany amin'ny toeran-kafa hoe: "Ianao dia mpisorona mandrakizay araka ny fomban'i Melkizedeka." 7 Nandritr'ireo andron'ny nofony, Kristy nanolotra vavaka sy fangatahana niaraka tamin'ny hiaka mafy sy ranomaso an'Andriamanitra, ilay iray izay afaka mamonjy Azy amin'ny fahafatesana. Re Izy nohon'ny fangorahany. 8 Na dia zanaka aza Izy, dia nianatra fankatoavana tamin'ireo zavatra izay niaretany. 9 Natao ho tonga lafatra Izy ka tonga, ho an'ny olona rehetra izay mankatoa Azy, ilay loharanon'ny famonjena mandrakizay. 10 Dia notendren' Andriamanitra tahaka ny mpisoronabe Izy araka ny fomban'i Melkizedeka. 11 Manan-kambara betsaka momban'i Jesosy izahay, fa sarotra ny manazava izany hatramin'ny naha-lalindalovana ny fandrenesanareo. 12 Fa amin'izao fotoana izao dia tokony ho mpampianatra ianareo, ianareo dia mbola mila olona hampianatra anareo ireo fitsipika fototry ny hafatr'Andriamanitra. Ronono no ilainareo, fa tsy ventin-tsakafo! 13 Fa ny olona izay misotro ronono fotsiny dia tsy ampy traikefa amin'ny hafatry ny fahamarinana, satria izy dia mbola zaza kely. 14 Fa ny ventin-tsakafo dia ho an'ireo lehibe. Ireo dia izay voahofana tamin'ny fanavahana ny tsara amin'ny ratsy ny fahatakarany noho'ny fahamatoran'izy ireo.