1 Dia hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mankanesa any amin'i Farao ary lazao izy hoe: 'Ry Yaveh, Andriamanitry ny Hebreo, milaza izao: "Avelao ny vahoakako handeha mba hahafahan'izy ireo manompo Ahy." 2 Fa raha mandà ny hamela azy ireo handeha ianao, raha mbola mitazona azy ireo ianao, 3 dia ho eo amin'ny biby fiompinao eny an-tsaha ary ho eo amin'ireo soavaly, ampondra, rameva, omby, ary ireo ondry aman'osy ny tanan'i Yaveh, ary hiteraka areti-mandoza izany. 4 Samy hafa no hitondran'i Yaveh ny biby fiompin'i Israely sy ny biby fiompin'i Egypta: tsy hisy ho faty ny biby izay an'ireo Israelita. 5 Efa nanendry fotoana i Yaveh; hoy Izy hoe: "Rahampitso no hanaovako izany zavatra izany eo amin'ny tany.'"" 6 Nataon'i Yaveh izany ny ampitso: maty ny biby fiompin'i Egypta rehetra. Nefa tsy nisy maty kosa ireo bibin'ireo Israelita, na biby iray aza. 7 Nanadihady i Farao, ary indro, tsy nisy maty na dia iray aza ireo bibin'ny Israelita. Fa mafy fo izy, ka tsy navelany handeha ireo vahoaka. 8 Ary hoy i Yaveh tamin'i Mosesy sy Arona hoe: "Makà lavenona eran'ny tanana avy ao amin'ny lafaoro. Ianao, ry Mosesy, no tsy maintsy hanipy ireo lavenona eny amin'ny rivotra raha i Farao mijery iny. 9 Ho lasa vovoka madinika manerana ny tany Egypta rehetra izany. Hahatonga vay sy fery hipoitra amin'ireo vahoaka sy ireo biby manerana ny tany Egypta rehetra izany." 10 Koa dia naka lavenona avy tao amin'ny lafaoro i Mosesy sy Arona ary nijoro teo anoloan'i Farao. Dia natsipin'i Mosesy teny amin'ny rivotra ny lavenona. Nahatonga vay sy fery nipoitra tamin'ireo olona sy ireo biby ilay lavenona. 11 Tsy nahatohitra an'i Mosesy ireo ombiasy noho ireo vay, satria namely azy ireo sy ireo Egyptiana hafa rehetra ny vay. 12 Nanamafy ny fon'i Farao i Yaveh, ka tsy nihaino an'i Mosesy sy Arona i Farao. Izany dia araka ny nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy fa ho ataon'i Farao. 13 Ary hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mifohaza maraim-be, mijoroa eo anoloan'i Farao, ary teneno izy hoe: "Yaveh, Andriamanitry ny Hebreo, niteny izao: "Avelao ny vahoakako handeha mba hahafahan'izy ireo manompo Ahy." 14 Fa amin'izany fotoana izany dia handefa ireo areti-mandringana rehetra amin'ny tenanao, amin'ireo mpanomponao, sy amin'ireo vahoakanao Aho. Hataoko izao mba hahafantaranao fa tsy misy toa Ahy amin'ny tany rehetra. 15 Fa ankehitriny dia afaka naninjitra ny tanako ary namely anao sy ny vahoakanao tamin'ny aretina aho, ary ho lany ritra eto amin'ny tany ianareo. 16 Fa izao no antony namelako anareo ho velona: mba hanehoako aminareo ny heriko, mba hanambarana ny anarako manerana ny tany rehetra. 17 Mbola manandratra ny tenanao manohitra ireo vahoakako ihany ianao amin'ny tsy famelana azy ireo handeha. 18 Henoy! Rahampitso amin'ny ora toy izao dia hitondra havandra mivatravatra be aho, izay mbola tsy nisy toa izany hita teto Egypta hatramin'ny niandohan'ny andro mandraka ankehitriny. 19 Ankehitriny dia, maniraha lehilahy ary angony ireo biby fiompinareo sy ny zavatra rehetra anananareo eny an-tsaha ho amin'ny toerana azo antoka. Ny olona rehetra sy ny biby izay eny an-tsaha ary tsy nentina nody—hilatsaka eo amin'izy ireo ny havandra, ary ho faty izy ireo.'"" 20 Ary ireo mpanompon'i Farao izay nino ny hafatr'i Yaveh dia nitondra haingana ireo mpanompo sy ireo biby fiompin'izy ireo nankany an-trano. 21 Fa ireo izay tsy nandray ny hafatr'i Yaveh am-pamatorana dia namela ireo mpanompo sy ny biby fiompin'izy ireo teny an-tsaha. 22 Dia hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe : "Ahinjiro mankany amin'ny lanitra ny tananao mba hisian'ny havandra amin'ny tany Egypta rehetra, amin'ny vahoaka, amin'ny biby, ary amin'ny zava-maniry rehetra eny an-tsaha manerana ny tany Egypta rehetra." 23 Naninjitra ny tehiny nankany amin'ny lanitra i Mosesy, ary Yaveh nandefa kotrok'orana, havandra, tselatra tamin'ny tany. Nandatsaka havandra tamin'ny tany Egypta ihany koa Izy. 24 Ary dia nisy havandra sy tselatra miharo havandra, nahery vaika, izay mbola tsy nisy tao amin'ny tany Egypta hatramin'ny naha firenena azy. 25 Nanerana ny tany Egypta rehetra, namely ny zavatra rehetra tany an-tsaha, ary ny olona sy ireo biby ny havandra. Namely ny zava-maniry rehetra teny an-tsaha ary nanapaka ireo hazo izany. 26 Tao amin'ny tany Gosena ihany, izay nipetrahan'ireo Israelita, no tsy nisy havandra. 27 Ary Farao naniraka lehilahy hiantso an'i Mosesy sy Arona. Hoy izy tamin'ireo hoe: "Efa nanota aho ankehihitriny. Yaveh dia marina, ary izaho sy ny vahoakako dia ratsy fanahy. 28 Mivavaha amin'i Yaveh, satria betsaka loatra ny varatra mahery sy ny havandra. Havelako handeha ianareo, ary tsy hijanona eto intsony ianareo.'' 29 Hoy Mosesy taminy hoe: "Raha vantany vao miala eto amin'ity tanàna ity aho, hasandratro any amin'i Yaveh ny tanako. Hitsahatra ny kotroka, ary tsy hisy havandra intsony. Izany ny fomba hahafantaranao fa an'i Yaveh ny tany. 30 Fa ny aminao sy ireo mpanomponao, fantatro fa tsy mbola tena manome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitra ianareo." 31 Dia simba ny rongony sy ny vary hordea, fa ny vary hordea dia masaka am-potony, ary namony ny rongony. 32 Fa ny varim-bazaha sy ny apemby dia tsy naninona satria ireo dia efa vokatra taty aoriana. 33 Rehefa nandao an'i Farao sy ny tanàna i Mosesy, dia nasandrany ho amin'i Yaveh ny tanany; nitsahatra ny kotroka sy ny havandra, ary tsy nilatsaka intsony ny orana. 34 Rehefa hitan'i Farao fa nitsahatra ny orana, ny havandra, ary ny kotroka, dia nanota indray izy ary nanamafy ny fony, niaraka tamin'ireo mpanompony. 35 Nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy namela ny vahoakan'Israely nandeha izy. Izany dia araka ny nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy fa ho ataon'i Farao.