1 Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana any amin'i Farao ary lazao izy hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: "Aoka ny vahoakako handeha mba hahafahan'izy ireo manompo ahy. 2 Raha tsy mamela azy ireo handeha ianao, dia hampahory ny firenenao manontolo amin'ny sahona Aho. 3 Ho feno sahona ny renirano. Hiakatra ireo ary hiditra ao an-tranonao, ny efitrano fatorianao, sy ny fandrianao. Ho any amin'ny tranon'ireo mpanomponao ireo. Ho any amin'ny olonao, ny lafaoronao, ary ireo lovia jobo fanaovanao mofo. 4 Hanafika anao, ny vahoakanao, ary ny mpanomponao rehetra ireo sahona."'" 5 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Lazao i Arona hoe: 'Ahinjiro eo ambonin'ny renirano, ny lakan-drano, sy ireo dobo ny tananao sy ny tehinao, ary ento hanenika ny tany Egypta ny sahona."' 6 Dia nahinjitr'i Arona teo amin'ny ranon'i Egypta ny tanany, ka tonga ireo sahona ary nandrakotra ny tany Egypta. 7 Nefa nanao torak'izany ihany koa ireo ombiasy tamin'ny odin'izy ireo: nitondra sahona niakatra ny tany Egypta izy ireo. 8 Ary niantso an'i Mosesy sy Arona i Farao ka nilaza hoe: "Mivavaha amin'i Yaveh mba hanaisotra ny sahona eto amiko sy amin'ireo vahoakako. Dia hamela ny olona handeha aho, mba hahafahan'izy ireo manao sorona ho Azy." 9 Hoy Mosesy tamin'i Farao hoe: "Ianao dia manana fahafahana hilaza amiko hoe rahoviana aho no tokony hivavaka ho anao, ireo mpanomponao, ary ireo vahoakanao aho, mba hanesorana ireo sahona eo aminao sy ny ankohonanao ka hijanona any an-drenirano ihany." 10 Farao nilaza hoe: "Rahampitso." Ary Mosesy nilaza hoe: "Aoka hatao araka ny teninao izany, mba hahalalanao fa tsy misy tahaka an'i Yaveh, ilay Andriamanitray. 11 Hiala eo aminao, ny tranonao, ireo mpanomponao, ary ireo vahoakanao ny sahona. Fa hijanona eo amin'ny renirano ihany. 12 Nivoaka niala teo amin'ny Farao i Mosesy sy Arona. Ary Mosesy nihiaka mafy tamin'i Yaveh mahakasika ny sahona izay nentiny teo amin'ny Farao. 13 Ary Yaveh nanao araka izay nangatahin'i Mosesy: maty tao amin'ireo trano, tokotany, sy saha ireo sahona. 14 Nangonin'ireo vahoaka nitsitokotoko ireo, ka dia namofona ny tany. 15 Nony hitan'i Farao fa nisy fitoniana, dia nohamafisiny ny fony ary tsy nihaino an'i Mosesy sy Arona izy, araka ny nolazain'i Yaveh fa ho ataony. 16 Yaveh nilaza tamin'i Mosesy hoe: "Lazao i Aarona hoe: 'Ahinjiro ny tehinao ary kapohy ny vovoka eo amin'ny tany, mba ho tonga moka manerana ny tany Egypta rehetra."' 17 Nanao toy izao izy ireo: Nahinjitr'i Arona ny tanany sy ny tehiny. Nokapohiny ny vovoka teo amin'ny tany. Ary tonga teo amin'ny olona ny moka sy ny biby. Tonga moka avokoa ny vovoka rehetra nanerana ny tany Egypta. 18 Ireo ombiasy dia niezaka ny hampisy moka tamin'ny odin'izy ireo, fa tsy afaka izy ireo. Nisy moka teo amin'ny olona sy ny biby. 19 Dia hoy ireo ombiasy tamin'i Farao hoe: "Tanan'Andriamanitra izao." Fa nihamafy kosa ny fon'i Farao, ka nandà ny hihaino azy ireo izy. Izany dia tahaka ny efa nolazain'i Yaveh fa hataon'i Farao. 20 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mifohaza maraina be ary mitsangana manoloana an'i Farao rehefa miala ho any amin'ny renirano izy. Lazao izy hoe: 'Izao no nolazain'i Yaveh: "Aoka ny oloko handeha mba hahafahan'izy ireo manompo Ahy. 21 Fa raha tsy avelanao handeha ny oloko, dia handefa andian-dalitra eo aminao, ireo mpanomponao, sy ireo olonao, ary ireo izay ao an-tranonao Aho. Ny tranon'ireo Egyptiana dia ho feno andian-dalitra, ary na ny tany izay hitsanganan'izy ireo aza dia ho feno lalitra. 22 Fa amin'izany andro izany dia hitondra ny tanin'i Gosena amin'ny fomba hafa aho, ilay tany izay onenan'ny oloko, mba tsy hisy andian-dalitra any. Izany dia hiseho mba hahalalanao fa Izaho no Yaveh eo afovoan'ity tany ity. 23 Hanao fanavahana eo amin'ny vahoakako sy ny vahoakanao Aho. Izany famatarana ny heriko izany dia hitranga rahampitso."'" 24 Nanao izany i Yaveh, ka tonga tao an-tranon'i Farao sy ireo manompony ireo andian-dalitra matevina. Nanerana ny tany Egypta rehetra, simba ny tany noho ireo andian-dalitra. 25 Nampiantso an'i Mosesy sy Arona i Farao ka nilaza hoe: "Mandehana, manaova sorona ho an'Andriamanitrareo ao amin'ny taninareo manokana." 26 Hoy i Mosesy hoe: "Tsy mety aminay ny manao izany, fa ireo sorona izay ataonay ho an'i Yaveh Andriamanitray dia maharikoriko ho an'ireo Egyptiana. Raha manao sorona marina eo imason'izy ireo izahy izay maharikoriko an'ireo Egyptiana, tsy ho torahan'izy ireo vato va izahay? 27 Tsia, ny mandeha hateloana makany an-efitra no tsy maintsy hataonay, mba hanaovana sorona ho an'i Yaveh Andriamanitray, araka ny nandidiany anay." 28 Hoy i Farao hoe: "Hamela anareo handeha sy hanao sorona ho an'i Yaveh andriamanitrareo any an-efitra aho. Fa aoka kosa tsy handeha lavitra loatra ianareo. Mivavaha ho ahy." 29 Hoy i Mosesy hoe: "Vantany vao mivoaka avy ato aminao aho, dia hivavaka amin'i Yaveh mba hialan'ny andian-dalitra eo aminao, ry Farao, sy ireo mpanomponao ary ny vahoakanao rahampitso. Fa aoka ianao tsy hamitaka intsony amin'ny tsy famelana ny olonay handeha hanao sorona ho an'i Yaveh." 30 Nivoaka avy tao amin'ny Farao i Mosesy ary nivavaka tamin'i Yaveh. 31 Nataon'i Yaveh izay nangatahin'i Mosesy: nanaisotra ny andian-dalitra teo amin'ny Farao, sy ireo mpanompony, ary ireo vahoakany Izy. Tsy nisy na iray aza tavela. 32 Nefa Nanamafy ny fony ihany koa i Farao tamin'izany fotoana izany, ary tsy namela ny vahoaka handeha.