1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Indro, nanao anao toy ny andriamanitra ho an'i Farao Aho. Arona rahalahinao no ho mpaminaninao. 2 Ianao no hilaza ny zavatra rehetra izay handidiako anao ho teneninao. Hiresaka amin'i Farao i Arona rahalahinao mba hamelany ny vahoakan'Israely hiala amin'ny taniny. 3 Fa hanamafy ny fon'i Farao aho, ary izaho haneho famantarana ny heriko maro, sy fahagagana maro, any amin'ny tany Egypta. 4 Nefa tsy hihaino anao i Farao, noho izany dia hametraka ny tanako ao Egypta aho ary hamoaka ireo vondrona lehilahy mpiady, ny vahoakako, sy ireo zanak'i Israely, hiala ny tany Egypta amin'ny famaizana lehibe. 5 Dia ho fantatry ny Egyptiana fa izaho no Yaveh rehefa hanatsotra ny tanako amin'ny Egypta sy hanafaka ireo Israelita tsy ho eo amin'izy ireo Aho." 6 Dia nanao toy izany i Mosesy sy Arona; araka izay nandidian'i Yaveh azy ireo. 7 Valopolo taona i Mosesy, ary telo amby valopolo taona i Arona rehefa niresaka tamin'i Farao izy ireo. 8 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy sy tamin'i Arona hoe: 9 "Rehefa miteny aminao i Farao hoe: 'Manaova fahagagana,' dia hiteny an'i Arona ianao hoe: 'Raiso ny tehinanao ary atsipazo eo anoloan'i Farao, mba hivadika bibilava izany.''' 10 Dia nankany amin'i Farao i Mosesy sy i Arona, ary nanao araka izay nandidin' Yaveh izy ireo. Natsipin'i Arona teo anoloan'i Farao sy ireo mpanompony ilay tehiny, ka lasa bibilava izany. 11 Nantsoin'i Farao ihany koa ireo olon-kendriny sy ireo mpanao ody. Ka nanao toy izany koa izy ireo tamin'ny alalan'ny odin'izy ireo. 12 Nanipy ny tehiny ny lehilahy tsirairay, ary lasa bibilava ireo tehina ireo. Nefa natelin'ny tehin'i Arona ny bibilavan'izy ireo. 13 Nihamafy ny fon'i Farao, ary tsy nihaino izy, araka ny efa nolazain'i Yaveh mialoha. 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mafy ny fon'i Farao, ary tsy manaiky ny handehan'ireo vahoaka. Mandehana vao maraina any amin'i Farao rehefa mivoka ho any amin'ny rano izy. 15 Mijanona eny amin'ny amoron'ny renirano mba hihaona aminy, ary raiso eny an-tananao ilay tehina izay nivadika bibilava. 16 Lazao izy hoe: 'Yaveh, Andriamanitr'ireo Hebreo, no efa nandefa ahy aty aminareo hiteny hoe: "Avelao ny oloko handeha, mba hanompoan'izy ireo ahy any an-tany efitra. Efa tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny." 17 Izao no lazain'i Yaveh: "Amin'izao no hahalalanao fa izaho no Yaveh. Hikapoka ny reniranon'i Neily amin'ny tehina izay ety an-tanako aho, ka hivadika rà ny renirano. 18 Ny trondro izay ao anatin'ny renirano dia ho faty, ary dia hamofona maimbo ny renirano. Tsy ho afaka ny hisotro ny rano avy amin'ny renirano ireo Egyptiana.''''' 19 Ary hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Teneno i Arona hoe: 'Raiso ny tehinao ary ahinjiro miaraka amin'ny tananao eo amin'ny ranon'ny Egypta, ary eo amin'ireo reniranon'izy ireo, ireo rano mandeha, ny farihy, sy ny dobo izy ireo rehetra, mba hivadika rà ireo rano ireo. Ataovy izany mba hisy rà manerana ny tany Egypta rehetra, na ao amin'ny fitoeran-kazo sy vato aza.''' 20 Nanao araka izay nandidian'i Yaveh i Mosesy sy Arona. Nanandratra ny tehiny Arona ary nokapohiny ilay rano teny amin'ny renirano, teo imason'i Farao sy ireo mpanompony. Ary nivadika rà ny rano rehetra teny amin'ny renirano. 21 Maty ireo hazandrano tao anaty renirano, ary nanomboka namofona maimbo ny renirano.Tsy afaka nisotro rano avy tao amin'ny renirano ireo Egyptiana, ary feno rà maneranany tany Egypta. 22 Fa nanao toy izany tamin'ny odin'izy ireo ihany koa ireo mpanao odin'i Egypta. Koa dia nihamafy ny fon'i Farao, ary nandà tsy hihaino an'i Mosesy sy Arona izy, araka izay efa nolazain'i Yaveh fa hiseho. 23 Dia nitodika i Farao ary niverina tao an-tranony. Tsy norarahiany akory izany. 24 Nandavaka rano ho sotroina nanodidina ny renirano ireo Egyptiana rehetra, nefa tsy afaka misotro ny ranon'ny ony izy ireo. 25 Fito andro no lasa taorian'ny namelezan'i Yaveh ny renirano.