Toko faha 6

1 Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Anio no hahitanao izay ho ataoko amin'i Farao. Ho hitanao izany, fa hamela azy ireo handeha izy nohon'ny tanako mahery. Noho ny tanako mahery, handroaka azy ireo hiala amin'ny taniny izy. " 2 Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: "Izaho no Yaveh, 3 Amin'ny maha-Ray Tsitoha Ahy no nisehoako tamin'i Abrahama, Isaka ary Jakoba; fa amin'ny anarako, Yaveh, dia tsy nahalala Ahy izy ireo. 4 Nametraka fifanekena tamin'izy ireo ihany koa Aho, mba hanomezana azy ireo ny tanin'i Kanana, tany izay nitoeran'izy ireo amin'ny maha mpiavy azy, tany izay nivezivezen'izy ireo. 5 Ary koa, nahare ny fitarainan'ny Israelita izay nandevozin'ny Egyptianina ihany koa Aho, ka tsaroako ny fanekeko. 6 Noho izany, lazao ireo Israelita hoe: 'Izaho no Yaveh. Hanafaka anareo amin'ny fanandevozan'ny Egyptiana Aho, ary ho afahako amin'ny heriny ianareo. Hanavotra anareo amin'ny fampisehoana ny heriko Aho, ary amin'ireo asa fitsarana mafy. 7 Ho alaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. Ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nanafaka anareo teo ambanin'ny fanandevozan'ny ireo Egyptiana. 8 Ho entiko any amin'ny tany izay efa nampanantenaiko tamin'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba ianareo. Dia homeko ho fanananareo izany. Izaho no Yaveh.'" 9 Rehefa niteny izany tamin'ireo Israelita i Mosesy, dia tsy nihaino azy izy ireo nohon'ny hakivian'izy ireo mahakasikany fanandevozana mafy azy ireo. 10 Koa niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe: 11 "Andeha lazao i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hamela ny vahoakan'Israely hiala ao amin'ny taniny. 12 Hoy i Mosesy niteny tamin'i Yaveh hoe: "Raha tsy nihaino Ahy ireo Israelita, nahoana i Farao no hihaino ahy, satria tsy dia mahay mandaha-teny aho? " 13 Dia niteny tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Nanome baiko azy ireo ho an'ireo Israelita sy ho an'i Farao, mpanjakan'i Egypta Izy, mba hitondra ireo Israelita hiala ny tany Egypta. 14 Ireto no lohan'ny fianakavian'ny razamben'izy ireo: ireo zanaka lahin-dRobena, lahimatoan'Israely, dia i Hanoka, Palo, Hezrona, ary Karmy. Ireto no fokon'ny razamben'i Robena. 15 Ireo zanaka lahin'i Simeona dia Jemoela, Jaminasy, Ohada, Jakinasy, Zohara, ary Saoly_ny zanak'ilay vehivavy Kananita. Ireo no razamben'ny fokon'i Simeona. 16 Ireto tanisaina ireto no zanaka lahin'i Levy, miaraka amin'ny taranak'izy ireo. Izy ireo dia i Gersona, Kehata, ary i Merary. Niaina hatramin'ny faha 137 taonany i Levy. 17 Ireo zanaka lahin'i Gersona dia i Libny sy i Simey. 18 Ireo zanaka lahin'i Kehata dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary i Oziela. Niaina hatramin'ny faha telo amby telopolo amby zato taonany i Kehata. 19 Ireo zanaka lahin'i Merary dia i Maly sy Mosy. Ireo no lasa razamben'ny fokon'ireo Levita, miaraka amin'ireo taranany. 20 Dia nanambady an'i Jekebeda i Amrama, anabavin'ny rainy. Niteraka an'i Arona sy i Mosesy taminy izy. Niaina 137 taona i Amrama dia maty avy eo. 21 Ireo zanaka lahin'i Jezara dia i Nafega, sy i Zikry. 22 Ireo zanaka lahin'i Oziela dia i Misaela, Elzafana, ary i Sitry. 23 Nanambady an'i Eliseba i Arona, zanaka vavin'i Aminadaba, anabavin' i Nasona. Niteraka an' i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary i Itamara taminy izy. 24 Ireo zanaka lahin'i Kora dia i Asira, Elkana, ary i Abiasafa. Ireo no razamben'ny fokon'ny Koraita. 25 Eleazara, zanaka lahin'i Arona, nanambady ny iray tamin'ireo zanaka vavin'i Potiela. Niteraka an'i Fineasa taminy izy. Ireo no lohan'ny fianakaviana teo amin'ireo Levita, miaraka amin'ireo taranany. 26 Ireo lehilahy roa ireo dia i Arona sy Mosesy izay nitenenan'i Yaveh hoe: "Ento miala ny tany Egypta ireo Israelita, amin'ny alalan'ireo vondron-dehilahy mpiady. " 27 Arona sy Mosesy niteny tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hamela azy ireo hamoaka ireo Israelita avy ao Egypta. Ilay Mosesy sy Arona ihany ireo. 28 Rehefa niteny tamin'i Mosesy tao amin'ny tany Egypta Yaveh, 29 dia hoy Izy taminy hoe: "Izaho no Yaveh. Lazao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay rehetra holazaiko aminao." 30 Fa Mosesy niteny tamin'i Yaveh hoe: "Tsy dia mahay miteny aho, ka ahoana no hihainoan'i Farao ahy? "