1 Taorian'ny nitrangan'ireo zavatra ireo, dia nandeha tany amin'i Farao i Mosesy sy Arona ary niteny hoe: "Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, hoe: 'Avelao ny oloko andeha, mba hanaovan'izy ireo firavoravona ho Ahy any an'efitra.'" 2 Hoy Farao hoe: "Fa iza moa izany Yaveh izany? Nahoana aho no tokony hihaino ny teniny ary hamela an'Israely handeha? Tsy mahafantatra an'i Yaveh aho; ary fanampin'izany, tsy hamela an'Israely handeha aho." 3 Hoy izy ireo hoe: "Efa nihaona taminay ny Andriamanitr'ireo Hebreo. Avelao izahay andeha hateloana any an'efitra ary hanao sorona ho an'i Yaveh Andriamanitray mba tsy hanafihany anay amin'ny loza na amin'ny sabatra." 4 Fa hoy ny mpanjakan'i Egypta tamin'izy ireo hoe: "Ry Mosesy sy Arona, nahoana ianareo no manala ny olona amin'ny asan'izy ireo? Miverena amin'ny asanareo." 5 Hoy ihany koa izy hoe: "Ankehitriny misy vahoaka Hebreo maro eto amn'ny taninay, ary mampitsahatra azy ireo amin'ny asany ianareo." 6 Tamin'io andro io ihany, dia nanome baiko tamin'ireo mpampiasa sy ireo mpiambina i Farao. Hoy izy hoe: 7 "Tsy tahaka ny teo aloha, aoka tsy hanome mololo hanaovana biriky ho an'ny olona intsony ianareo. Avelao izy ireo handeha ary hanangona mololo ho an'ny tenan'izy ireo. 8 Na izany aza, dia tokony mbola hitaky ny isan-biriky mitovy tamin'ny nataon'izy ireo teo aloha ihany ianareo. Aza manaiky izay vitsy noho izany, satria kamo izy ireo. Izany no mahatonga azy ireo miantso mafy sy miteny hoe: 'Avelao izahay andeha sy hanao sorona ho an'ny Andriamanitray.' 9 Ampitomboy ny ora hiasana ho an'ireo lehilahy mba hifantohan'izy ireo amin'izany ka tsy hihaino teny fitaka intsony." 10 Koa dia nandeha nampahafantatra ny vahoaka ny olon'ny mpampiasa sy ireo mpiambina. Hoy izy ireo hoe: "Izao no lazain'i Farao hoe: 'Tsy hanome mololo ho anareo intsony aho. 11 Aoka ianareo ihany no handeha ka haka mololo na aiza na aiza ahitanareo izany, saingy tsy hihena ny asanareo'" 12 Koa dia niely nanerana ny tany Egypta manontolo ireo olona mba hanangona vodivary hatao mololo. 13 Ary ireo mpampiasa nanohy nandrisika azy ireo ka niteny hoe: "Vitao ny asanareo, tahaka ny tamin'ny fotoana nanomezana mololo anareo." 14 Nikapoka ny mpiambina Israelita ireo mpampiasan'i Farao, ireo lehilahy izay efa nampiandraiketin'izy ireo an'ireo mpiasa ihany. Nanontany azy ireo hatrany ny mpampiasa hoe: "Nahoana ianareo no tsy namokatra ny biriky rehetra izay notakiana taminareo, na omaly na androany, toy ny fanaonareo taloha?" 15 Koa dia nanatona an'i Farao ireo mpiambina Israelita ka nitaraina taminy hoe: "Nahoana ianao no mitondra ireo mpanomponao tahaka izao? 16 Tsy hisy mololo homena ireo mpanomponao intsony, kanefa izy ireo dia mbola miteny anay hoe: 'Manamboara biriky!' Izahay, mpanomponao, dia kapohina mihitsy aza ankehitriny, kanefa fahadisoan'ny vahoakanao ihany izany." 17 Fa hoy Farao hoe: "Kamo ianareo! Kamo ianareo! Hoy ianareo hoe: 'Avelao izahay handeha hanao sorona ho an'i Yaveh.' 18 Koa ankehitriny mandehana miverina amin'ny asanareo. Tsy hisy mololo homena anareo intsony, fa tsy maintsy mbola manao isam-biriky mitovy ihany ianareo." 19 Hitan'ireo mpiambina Israelita fa tafalatsaka tanaty kizo izy ireo rehefa nolazaina hoe: "Tsy mahazo mampihena ny isam-biriky vokarina isan'andro ianareo." 20 Nihaona tamin'i Mosesy sy Arona izy ireo, izay nijoro tany ivelan'ny lapa, raha nandeha avy tao amin'i Farao izy ireo. 21 Hoy izy ireo tamin'i Mosesy sy Arona hoe: "Hijery anareo anie i Yaveh ary hanasazy anareo, satria nataonareo nangidy hoditra teo imason'i Farao sy ireo mpanompony izahay. Nasianareo sabatra ny tanan'izy ireo mba hamonoana anay." 22 Nandeha niverina tany amin'i Yaveh i Mosesy ary niteny hoe: "Ry Tompo, nahoana Ianao no nampidi-doza ireo olona ireo? Nahoana aho no nalefanao voalohany? 23 Isaky ny nanatona an'i Farao hitondra ny hafatrao aho, dia nitondra fikorontanana ho an'ireo olona izy, ary tsy nanafaka ny olonao mihitsy Ianao."