1 Namaly Mosesy hoe: "Saingy ahoana raha tsy mino ahy izy ireo na tsy mihaino ahy fa hiteny kosa hoe: 'Tsy niseho taminao ve Yaveh'?" 2 Hoy Yaveh taminy: "Inona iny an-tananao iny?" Namaly Mosesy hoe: "Tehina." 3 Hoy Yaveh hoe: "Atsipazo eo amin'ny tany izany." Nanipy izany tamin'ny tany i Mosesy, ary nivadika bibilava izany. Nandositra izany i Mosesy. 4 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ahinjiro ny tananao ary raiso amin'ny rambony io." Koa dia naninjitra izy ary nandray ilay bibilava. Dia lasa tehina teny an-tanany indray izany. 5 "Izany dia mba hahafahan'izy ireo mino fa Yaveh, ilay Andriamanitry ny razan'izy ireo, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa niseho taminao." 6 Hoy ihany Yaveh taminy hoe: "Izao dia atsofohy ao anaty akanjonao ny tananao." Dia natsofok'i Mosesy tao anaty akanjony ny tanany. Rehefa namoaka izany izy, indro, boka ny tanany, fotsy tahaka ny oram-panala. 7 Hoy Yaveh: "Atsofohy ao anaty akanjonao indray ny tananao." Dia natsofok'i Mosesy tao anaty akanjony ny tanany, ary rehefa navoakany izany, dia hitany fa sitrana indray izany, toy ny ambin'ny nofony rehetra. 8 Hoy Yaveh hoe: "Raha tsy mino anao izy ireo—raha tsy miraharaha ny famantarana voalohany ny heriko na tsy mino izany izy ireo, dia hino ny famantarana faharoa. 9 Raha tsy mino na dia ireo famantarana ny heriko roa ireo aza izy ireo, na tsy mihaino anao, dia manovoza rano any amin'ny renirano ary hararaho amin'ny tany maina izany. Ny rano izay ho alainao dia hivadika rà eo amin'ny tany maina." 10 Dia hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: "Ry Tompo, tsy mahay mandaha-teny aho, na tamin'ny lasa na hatramin'ny niresahanao tamin'ny mpanomponao. Miadam-piteny sy miraiki-dela aho." 11 Hoy Yaveh taminy hoe: "Iza ilay nanamboatra ny vavan'ny olona? Izay nanao ny olona ho moana na marenina na mahiratra na jamba? Moa tsy Izaho, Yaveh? 12 Noho izany mandehana, ary Izaho momban'ny vavanao ary hampianatra anao izay ho lazaina." 13 Fa hoy Mosesy: "Ry Tompo, maniraha olona hafa, izay sitrakao hirahina." 14 Dia tezitra tamin'i Mosesy Yaveh. Hoy Izy hoe: "Ahoana ny momba an'i Arona rahalahinao, ilay Levita? Fantatro fa afaka miteny tsara izy. Fanampin'izany, ho avy hihaona aminao izy, ary rehefa mahita anao izy, dia ho faly ao am-pony. 15 Hiteny aminy ianao ary hametraka ny teny hotenenina eo am-bavany. Izaho homba ny vavanao sy ny vavany, ary hasehoko anareo roa izay hatao. 16 Hiteny amin'ny vahoaka ho anao izy. Ho vavanao izy, ary aminy ianao dia ho tahaka Ahy, Andriamanitra. 17 Ho entinao eo an-tananao io tehina io. Amin'izany no hanaovanao ireo famantarana." 18 Dia niverina tany amin'i Jetro rafozan-dahiny i Mosesy ary niteny taminy hoe: "Avelao aho handeha mba hahafahako miverina any amin'ireo havako izay any Egypta ary hijery raha mbola velona izy ireo." Hoy Jetro tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana amim-piadanana." 19 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy tany Midiana hoe: "Mandehana, miverena any Egypta, fa efa maty ireo lehilahy rehetra izay nikasa haka ny ainao." 20 Naka ny vadiny sy ireo zanany lahy i Mosesy ary nametraka azy ireo teo ambon'ny boriky. Niverina tany amin'ny tanin'i Egypta izy, ary noraisiny teny an-tanany ny tehin'Andriamanitra. 21 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Rehefa miverina any Egypta ianao, aoka ho ataonao eo anatrehan'i Farao ireo fahagagana rehetra izay efa napetrako teo amin'ny fahefanao. Saingy hanamafy ny fony Aho, ary tsy hamela ireo vahoaka handeha izy. 22 Tsy maintsy hiteny an'i Farao ianao hoe: 'Izao no nolazain'i Yaveh: Israely dia zanako lahy, lahimatoako, 23 ary milaza aminao Aho: "Avelao handeha ny zanako, mba hahafahany manompo Ahy." Fa satria nandà ny hamela azy andeha ianao, dia hovonoiko tokoa ny zanakao lahy, dia ny lahimatoanao.'" 24 Ary teny an-dalana, rehefa nijanona ho amin'ny alina izy ireo, dia nihaona tamin'i Mosesy ary nikasa hamono azy Yaveh. 25 Dia naka fiharatra vato i Zipora ary namora ny zanany lahy, ary nanakasoka izany tamin'ny tongony. Dia hoy izy: "Azo antoka fa vady amin'ny alalan'ny rà amiko ianao." 26 Dia namela azy irery Yaveh. Hoy izy hoe: "Vady amin'ny alalan'ny rà ianao" nohon'ilay famorana. 27 Hoy Yaveh tamin'i Arona hoe: "Mandehana any an'efitra mba hihaona amin'i Mosesy." Nandeha i Arona, nihaona taminy tany an-tendrombohitr'Andriamanitra, ary nanoroka azy. 28 Nolazain'i Mosesy tamin'i Arona avokoa ireo Tenin'i Yaveh izay nanirahany azy ho lazaina sy ny momba ireo famantaran'ny fahefan'i Yaveh rehetra izay nandidiany azy ho ataony. 29 Dia nandeha i Mosesy sy Arona ary namory ireo loholon'ireo Israelita rehetra. 30 Nambaran'i Arona avokoa ireo teny rehetra izay nolazain'i Yaveh tamin'i Mosesy. Nampiharihariany teo imason'ireo vahoaka ihany koa ireo famantaran'ny herin'i Yaveh. 31 Dia nino ny vahoaka. Rehefa henon'izy ireo fa efa nandinika ireo Israelita Yaveh ary efa nahita ny fampahoriana azy ireo, dia nampiankohoka ny lohany izy ireo ary nanompo Azy.