Toko faha 3

1 Ary mbola niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, ilay mpisoron'ny Midiana ihany i Mosesy. Dia nentin'i Mosesy tany ankoatry ny efitra ny ondry aman'osy ka tonga tany Horeba, ilay tendrombohitr'Andriamanitra. 2 Teo no nisehoan'ilay anjelin'i Yaveh taminy tamin'ny lelan'afo tao anaty voaroy. Nijery i Mosesy, ary indro, nirehitra ilay voaroy, nefa ilay voaroy dia tsy nety levona. 3 Dia hoy Mosesy hoe: "Hanatona akaiky aho mba hizahako izao zava-mahagaga izao, nahoana no tsy levona ilay voaroy." 4 Koa rehefa hitan'i Yaveh fa nanatona akaiky izy mba hizaha, dia niantso azy avy eo amin'ilay voaroy Andriamanitra ka nanao hoe: "Mosesy, Mosesy." Dia hoy Mosesy hoe: "Inty aho." 5 Dia hoy Andriamanitra hoe: "Aza manakaiky loatra! Esory eny an-tongotrao ny kiraronao, fa ny toerana izay ijoroanao dia tany efa voatokana ho Ahy." 6 Nampiany hoe: "Izaho no Andriamanitry ny razanao, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba." Dia nanarona ny tavany iMosesy, satria natahotra ny hijery an'Andriamanitra izy. 7 Hoy Yaveh hoe: "Hitako tokoa ny fahorian'ny vahoakako izay tao Egypta. Efa reko ny fitarainan'izy ireo nohon'ny amin'ireo mpifehy azy, satria fantatro ny momban'ny fijalian'izy ireo. 8 Koa nidina aho mba hanafaka azy ireo amin'ny fahefan'ireo Egyptiana ary hitondra azy ireo hiakatra avy amin'izany tany izany ho any amin'ny tany soa, sy midadasika, ho any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely; ho any amin'ny faritr'ireo Kananita, Hetita, Amorita, Perizita, Hivita, ary ireo Jebosita. 9 Ankehitriny efa tonga aty amiko ireo fitarainan'ny vahoakan'i Israely. Ary koa, efa hitako ny fampahoriana nataon'ireo Egyptiana. 10 Noho izany, haniraka anao ho any amin'i Farao Aho mba hahafahanao hitondra ny vahoakako, ireo Israelita, hiala ao Egypta." 11 Saingy hoy i Mosesy tamin'Andriamanitra hoe: "Iza moa aho, no handeha any amin'i Farao ka hitondra ireo Israelita hiala ao Egypta?" 12 Dia namaly Andriamanitra hoe: "Homba anao tokoa Aho. Izao no famantarana ho anao fa efa naniraka anao Aho. Rehefa tafavoakanao avy ao Egypta ny vahoaka, dia hanompo Ahy eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo." 13 Dia hoy Mosesy tamin'Andriamanitra hoe: "Raha ho any amin'ireo Israelita aho ka hilaza amin'izy ireo hoe: 'Ny Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho aty aminareo,' ka raha hoy izy ireo amiko hoe: 'Iza no anarany?' Dia inona no ho lazaiko amin'izy ireo?" 14 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy hoe: "IZAHO NO IZAHO." Dia hoy Andriamanitra hoe: "Tsy maintsy hilazanao ireo Israelita hoe: 'IZAHO no naniraka ahy ho aty aminareo.'" 15 Dia hoy ihany koa Andriamanitra tamin'i Mosesy hoe: 'Yaveh, Andriamanitry ny razanareo, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, Andriamanitr'i Jakoba, no naniraka ahy ho aty aminareo. Izany no anarako mandrakizay, izany no hatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara-mandimby rehetra.' 16 Mandehana ka vorio miaraka ireo loholon'ny Israely. Lazao amin'izy ireo hoe: "Yaveh, Andriamanitry ny razanareo, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, Andriamanitr'i Jakoba, efa niseho tamiko ka nanao hoe: "Efa nandinika anareo tokoa aho, ary nahita izay natao taminareo tany Egypta." 17 Efa nampanantena Aho fa hitondra anareo hiala amin'ny fampahoriana ao Egypta ho any amin'ny tanin'ireo Kananita, Hetita, Amorita, Perizita, Hivita, ary ireo Jebosita, tany tondra-dronono sy tantely." 18 Hihaino anao izy ireo. Tsy maintsy mankany amin'ny mpanjakan'i Egypta ianao sy ireo loholon'Israely, ka izao no tsy maintsy ho lazainareo aminy hoe: "Yaveh, Andriamanitry ny Hebreo, dia efa nihaona taminay. Koa aoka izahay handeha hateloana any an'efitra, mba hahafahanay hanao sorona ho an'i Yaveh, Andriamanitray.' 19 Nefa fantatro fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan'i Egypta, raha tsy hoterena izy. 20 Haninjitra ny tanako Aho ary hanafika ireo Egyptiana amin'ireo fahagagana izay ho ataoko eo amin'izy ireo. Rehefa afaka izany dia hamela anareo handeha izy. 21 Dia hampahitako fitia amin'ny Egyptiana ireo vahoaka ireo, koa rehefa handeha ianareo, dia tsy handeha amin'ny tanam-polo. 22 Ny vehivavy rehetra dia hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ireo Egyptiana mpiara-monina aminy sy izay vehivavy rehetra mitoetra ao an-tranon'ireo mpiara-monina aminy. Hampitondranareo ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy izany. Izany no fomba handrobanareo ny Egyptiana."