Toko faha 2

1 Ary nisy lehilahy iray avy amin'ny fokon'i Levy nanambady zanaka vavin'i Levy. 2 Nitoe-jaza ilay vehivavy ka niteraka zazalahy. Rehefa hitany fa zazalahy salama izy, dia nafeniny nandritra ny telo volana. 3 dia naka sobika norariana tamin'ny ahitra ary noraiketiny tamin'ny ditin-tany sy dity izany. Avy eo dia nampidiriny tao ilay zazakely ka napetrany teny amoron'ny volotara manaraka ny moron'ny ony izany. 4 Nijoro avy lavitra ny anabaviny mba hijery izay hanjo azy. 5 Nidina nandro teny amin'ny ony ny zanakavavin'i Farao raha nandehandeha nanaraka ny moron'ny ony ireo mpanompony. Nahita ny sobika teo amin'ny volotara izy ka naniraka ny mpanompony haka izany. 6 Rehefa nanokatra izany izy, dia nahita ilay zazakely. Indro, nitomany ilay zaza. Nangoraka azy izy ka hoy izy hoe: "Azo antoka fa iray amin'ireo zanaky Hebreo ity." 7 Ary hoy ny anabavin'ilay zazakely tamin'ny zanaka vavin'i Farao hoe: "Tokony handeha ary hitady vehivavy Hebreo mba hitaiza ilay zaza ho anao ve aho?" 8 Dia hoy ny zanaka vavin'i Farao taminy hoe: "Mandehana." Koa dia nandeha ilay tovovavy ary naka ny renin'ilay zaza. 9 Hoy ny zanaka vavin'i Farao tamin'ny renin'ilay zazak hoe: "Raiso ity zaza ity ka tezao ho ahy, ary homeko karama ianao." Dia noraisin'ilay vehivavy ilay zaza ary notazainy. 10 Rehefa nihalehibe ilay zaza, dia nentiny tany amin'ny zanaka vavin'i Farao, ka dia lasa zanany. Nomeny ny anarana hoe Mosesy izy ary hoy izy hoe: "Satria namoaka azy avy teny amin'ny rano aho." 11 Rehefa lehibe i Mosesy, dia nivoaka teny amin'ireo vahoakany ary nanara-maso ny asa mafin'izy ireo. Nahita Egyptiana iray namono Hebreo iray izy, iray amin'ireo vahoakany. 12 Nijery tetsy sy teroa izy, ary rehefa hitany fa tsy nisy olona teo, dia novonoiny ilay Egyptiana ary nafeniny tao anaty fasika ny fatiny. 13 Nivoaka izy ny ampitso, ary, indro, nisy Hebreo roa lahy niady. Hoy izy tamin'ilay iray izay diso hoe: "Nahoana ianao no mikapoka ny namanao?" 14 Fa hoy ilay lehilahy hoe: "Iza no nametraka anao ho mpitarika ka hitsara anay? Mitetika ny hamono ahy tahaka ny namonoanao ilay Egyptiana ve ianao?" Avy eo dia niha-natahotra i Mosesy ka nanao hoe: "Lasa fantatr'ireo hafa tokoa ny zavatra nataoko." 15 Ary rehefa ren'i Farao ny mahakasika izany, dia nitady ny hamono an'i Mosesy izy. Saingy nandositra an'i Farao i Mosesy ka nipetraka tany amin'ny tanin'ny Midiana. Ary nipetraka teo akaikin'ny lava-drano tany izy. 16 Ary nanana zanaka fito vavy ilay mpisoron'ny Midiana. Tonga izy ireo, naka rano, ary nameno ny tavy fisotroana mba hanomezana rano ny ondry aman'osin'ny rain'izy ireo. 17 Tonga ireo mpiandry ondry ka niezaka nandroaka azy ireo, saingy nandeha ary nanampy azy ireo i Mosesy. Rehefa izay dia nampisotroiny rano ireo ondry aman'osin'izy ireo. 18 Rehefa nandeha tany amin'i Regoela rainy ireo vehivavy, dia hoy izy hoe: "Nahoana no tonga aloha aty an-trano ianareo androany?" 19 Ary hoy izy ireo hoe: "Nisy Egyptiana iray nanavotra anay tamin'ireo mpiandry ondry. Mbola naka rano ho anay sy nampisotro rano ireo ondry aman'osy aza izy." 20 Dia hoy izy tamin'ireo zanany vavy hoe: "Dia aiza ary izy? Nahoana no nilaozanareo ralehilahy? Antsoy izy mba hiara-hisakafo amintsika." 21 Nanaiky hiara-hipetraka tamin'ilay lehilahy i Mosesy, izay nanome azy an'i Zipora zanany vavy ihany koa mba ho vadiny. 22 Niteraka zazalahy izy, ary nantsoin'i Mosesy hoe Gersoma ny anarany; hoy izy hoe: "Efa vahiny aty amin'ny tanin'ny firenena hafa aho." 23 Fotoana maro taty aoriana, dia maty ny mpanjakan'i Egypta. Nisento nohon'ny asa fanandevozana ireo Israelita. Niantso vonjy izy ireo, ary niakatra tany amin'Andriamanitra ny fitarainan'izy ireo nohon'ny fanandevozana azy ireo. 24 Rehefa ren'Andriamanitra ny senton'izy ireo, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka, ary tamin'i Jakoba Andriamanitra. 25 Hitan'Andriamanitra ireo Israelita, ka tsapany ny nahazo azy ireo.