Toko faha 10

1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana any amin'i Farao, fa efa nohamafisiko ny fony sy ny fon'ireo mpanompony. Nataoko izany mba hanehoana ireo famantarana ny heriko eo amin'izy ireo. 2 Nataoko ihany koa izany mba hanambaranao amin'ireo zanakao sy zafikelinao izay zavatra vitako, ny hamafin'ny fomba nitondrako an'i Egypta, sy ny fomba nanomezako famantarana ny heriko isan-karazany teo amin'izy ireo. Amin'izany fomba izany no hahafantaranao fa Izaho no Yaveh." 3 Koa dia nankany amin'i Farao i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: "Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo Hebreo, dia nilaza izao: 'Hafiriana no handavanao tsy hanetry ny tenanao eo anatrehako? Avelao andeha ny oloko mba hanompoan'izy ireo Ahy. 4 Fa raha mandà tsy handefa ny oloko ianao, dia indro, hahatonga valala any amin'ny taninao Aho rahampitso. 5 Handrakotra ny tany rehetra ireo ka tsy hisy afaka hahita ny tany. Hihinana izay sisa navelan'ny havandra ireo. Hihinana ny hazo rehetra eny an-tsaha izay maniry ho anao ihany koa ireo. 6 Hameno ireo tranonao, sy ny tranon'ireo mpanomponao, ary ny an'ireo Egyptiana rehetra ireo—zavatra tsy mbola fahitan'ny rainao na ny raibenao, tsy mbola fahita hatramin'ny andro naha-teto ambonin'ny tany azy ireo ka hatramin'izao.'" Avy eo dia lasa Mosesy ka niala teo amin'i Farao. 7 Hoy ireo mpanompon'i Farao taminy hoe: "Mandra-pahoviana io lehilahy io no ho fampitahorana ho antsika? Avelao andeha ireo Israelita mba hanompoan'izy ireo an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. Tsy mbola hitanao fa efa rava ve Egypta?" 8 Dia nentina tany amin'i Farao indray Arona sy Mosesy, izay nilaza tamin'izy ireo hoe: "Mandehana manompo an'i Yaveh Andriamanitrareo. Saingy iza avy ireo olona handeha?" 9 Hoy Mosesy hoe: "Handeha hiaraka amin'ny tanora sy ny antitray izahay, miaraka amin'ny zanaka lahy sy zanaka vavinay. Handeha hiaraka amin'ireo ondry aman'osy sy ombinay izahay, satria tsy maintsy manao firavoravoana ho an'i Yaveh." 10 Hoy i Farao tamin'izy ireo hoe: "Homba anareo tokoa anie i Yaveh, raha handefa anareo sy ny zanakareo aho. Indro, manana sainan--dratsy ianareo. 11 Tsia! Mandehana, ny lehilahy eo aminareo ihany, ka manompoa an'i Yaveh, satria izay no tadiavinareo." Dia nentina nivoaka teo anatrehan'i Farao i Mosesy sy i Arona. 12 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ahinjiro amin'ny tanin'i Egypta ny tananao ho an'ireo valala, mba hanafihan'ireo ny tanin'i Egypta ka hihinana ny zava-maniry ao amin'izany, ny zavatra rehetra izay sisa tsy potiky ny havandra." 13 Dia naninjitra ny tehiny tamin'ny tanin'i Egypta i Mosesy, ka nitondra rivotra avy any atsinanana tamin'ny tany Egypta i Yaveh nandritra ny andro sy alina iny. Nony maraina, dia nentin'ny rivotra avy any atsinanana ireo valala. 14 Nandeha nanerana ny tany Egypta iray manontolo ireo valala ka nanenika ny faritra rehetra tao amin'izany. Tsy mbola nisy andiam-balala tahaka izany tao amin'ilay tany taloha, ary tsy hisy zavatra tahaka ity ho tonga aorian'ity. 15 Nandrakotra ny tany iray manontolo ireo ka maizina ny tany. Nohanin'ireo avokoa ny zava-maniry tao amin'ilay tany sy ny voankazo rehetra teny amin'ny hazo izay sisa navelan'ny havandra. Nanerana ny tany Egypta manontolo, dia tsy nisy tafajanona na zava-maitso, na hazo na zava-maniry teny an-tsaha. 16 Avy eo i Farao dia nampiantso faingana an'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: "Nanota tamin'i Yaveh Andriamanitrareo sy taminareo aho. 17 Koa ankehitriny, mamelà ny heloko amin'izao fotoana izao; ary mivavaha amin'i Yaveh Andriamanitrareo mba hanalany amiko ity fahafatesana ity." 18 Koa nivoaka avy tao amin'i Farao i Mosesy ary nivavaka tamin'i Yaveh. 19 Nitondra rivotra mahery vaika avy any andrefana i Yaveh izay nitondra ireo valala ka namarina ireo ho any amin'ny Ranomasina Mena; tsy nisy na dia valala iray aza tavela tao amin'ny fari-tanin'i Egypta rehetra. 20 Fa nohamafisin'i Yaveh ny fon'i Farao, ka tsy navelan'i Farao handeha ireo Israelita. 21 Dia hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ahinjiro mankany amin'ny lanitra ny tananao, mba hisy haizina eo amin'ny tany Egypta, haizina izay azo tsapaina." 22 Naninjitra ny tanany nankany amin'i lanitra Mosesy, ka dia nisy haizina matevina teo amin'ny tany nanerana an'i Egypta nandritra ny telo andro. 23 Tsy nisy nifankahita ny olona; tsy nisy nivoaka tao an-tranony nandritra ny telo andro. Kanefa, nanana fahazavana kosa ireo Israelita teo amin'ny toerana nipetrahan'izy ireo. 24 Nampiantso an'i Mosesy i Farao ka nanao hoe: "Mandehana manompo an'i Yaveh. Afaka mandeha miaraka aminao na ny fianakavianao aza, fa ireo ondry aman'osinao sy ireo omby kosa dia tsy maintsy hajanona." 25 Fa hoy Mosesy hoe: "Tsy maintsy homenao biby atao sorona sy fanatitra dorana ihany koa izahay mba hanaovanay sorona azy ireo ho an'i Yaveh Andriamanitray. 26 Tsy maintsy miaraka aminay ihany koa ireo biby fiompinay; ka tsy hisy havela na dia kitro iray amin'ireo aza, fa tsy maintsy entinay hanompoana an'i Yaveh Andriamanitray ireo. Satria tsy fantatray hoe amin'ny inona no tsy maintsy hanompoanay an'i Yaveh mandra-pahatonganay any. 27 Fa nohamafisin'i Yaveh ny fon'i Farao, ka tsy hamela azy ireo andeha izy. 28 Hoy Farao tamin'i Mosesy hoe: "Mialà amiko! Fa mitandrema amin'ny zavatra iray, dia ny tsy hahitanao ahy intsony, satria amin'ny andro hahitanao ny tavako, dia ho faty ianao." 29 Hoy Mosesy hoe: "Voalazanao mihitsy. Tsy hahita ny tavanao intsony aho."