1 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mbola misy areti-mandringana iray izay ho entiko amin'i Farao sy Egypta. Aorian'izay, dia hamela anareo handeha hiala eto izy. Rehefa mamela anareo izy ny farany, dia handroaka anareo tanteraka. 2 Toroy lalana ny vahoaka fa ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin'ny mpiray vodi-rindrina aminy. 3 Ary nataon'i Yaveh nila fitia tamin'ireo Israelita ny Egyptiana. Ary koa, Mosesy dia ilay lehilahy tena nahavariana teo imason'ireo mpanompon'i Farao sy ireo vahoakan'i Egypta. 4 Hoy Mosesy hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: 'Manodidina ny sasak'alina dia hamakivaky an'i Egypta aho. 5 Ireo lahimatoa rehetra ao amin'ny tany Egypta dia ho faty, manomboka amin'ny lahimatoan'i Farao, izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany, ka hatramin'ny lahimatoan'ny mpanompo vavy izay ao ambadiky ny fikosoham-bary mitoto izany, ary hatramin'ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. 6 Dia hisy fidradradradrana lehibe manerana ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy toy izany ary tsy hisy izany intsony. 7 Fa na dia ny aliaka aza dia tsy hivovo na amin'iza na amin'iza amin'ny vahoakan'Israely, na amin'ny olona na amin'ny biby. Amin'izany fomba izany no hahafantaranao fa samy hafa ny fitondrako ny Egyptiana sy ny Israelita.' 8 Ireo mpanomponao rehetra, ry Farao, dia hidina aty amiko ary hiankohoka eto amiko. Hiteny izy ireo hoe: "Mandehana, ianao sy ireo vahoaka izay manaraka anao!' Aorian'izay dia hivoaka aho." Dia nivoaka tao amin'i Farao tamim-pahatezerana mafy izy. 9 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Tsy hihaino anao i Farao. Izany dia mba hanaovako zava-mahagaga maro eo amin'ny tany Egypta." 10 Nataon'i Mosesy sy Arona teo anoloan'i Farao ireo fahagagana rehetra ireo. Fa i Yaveh nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy namela ny vahoakan'i Israely nivoaka ny taniny i Farao.