Toko faha 12

1 Yaveh niteny tamin'i Mosesy sy Arona tao amin'ny tany Egypta. 2 Hoy Izy hoe: "Ho anareo, ity volana ity no ho fiandohan'ireo volana, dia ny voalohan'ny volana amin'ny taona ho anareo. 3 Lazao amin'ny fiangonan'Israely hoe: 'Amin'ny andro fahafolon'ity volana ity izy ireo dia tsy maintsy maka ondry na zanak'osy avy ho azy ireo, ny fianakaviana tsirairay dia samy hanao izany, zanak'ondry iray isaky ny fianakaviana. 4 Raha vitsy loatra ka tsy hahalany zanak'ondry iray ny fianakaviana iray, ny lehilahy sy ny mpiray vody rindrina aminy dia tokony haka ny henan-janak'ondry na zanak'osy izay ampy hohanin'ny isam-batan'olona. Tokony ho ampy hohanin'ny rehetra izany, noho izany izy ireo dia tsy maintsy maka hena sahaza hamokisana azy rehetra. 5 Tsy tokony hisy kilema mihitsy ny zanak'ondry na ny zanak'osinareo, lahy herintaona. Afaka maka iray amin'ireo ondry na osy ianareo. 6 Tsy maintsy karakarainareo tsara izany mandra-pahatongan'ny andro fahefatra ambin'ny folon'io volana io. Ary tsy maintsy mamono ireo biby ireo ny fiangonan'Israely manontolo amin'ny takariva. 7 Tsy maintsy maka sasany amin'ny rà ianareo ary mametraka izany amin'ny tolàm-baravarana anankiroa sy eo amin'ny tataom-baravaran'ny trano ao amin'izay hihinananareo ny hena. 8 Tsy maintsy hohaninareo amin'io alina io ilay hena, rehefa natono mialoha tamin'ny afo. Hoano miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira, miaraka amin'ny hanitra mafaitra izany. 9 Aza hohanina manta na ampangotrahana amin'ny rano izany. Fa kosa, atonoy amin'ny afo miaraka amin'ny lohany, ny tongony ary ny ao anatiny. 10 Tsy tokony havelanareo ho tratra maraina ny ambin'izany. Tsy maintsy doranareo izay sisa tavela amin'ny maraina. 11 Izao no fomba tsy maintsy hihinanareo izany: mifatotra ny fehi-kibonareo, ny kapanareo eny amin'ny tongotrareo, ary ny tehina eny an-tananareo. Tsy maintsy mihinana haingana izany ianareo. Izany no Paskan' i Yaveh. 12 Izao no lazain'i Yaveh: Handeha hamakivaky ny tany Egypta Aho amin'ity alina ity ka handringana ny voalohan-teraky ny olona sy ny biby rehetra ao amin'ny tany Egypta. Hitondra famaizana ho an'ireo andriamanitr'i Egypta rehetra Aho. Izaho no Yaveh. 13 Ny rà no ho famantarana eo amin'ny tranonareo ny amin'ny fahatongavako ao aminareo. Rehefa mahita ny rà Aho, dia handalo eo aminareo fotsiny rehefa handringana ny tany Egypta. Tsy ho ao aminareo ka handringana anareo ny loza. 14 Ho andro fahatsiarovana ho anareo io andro io, izay tsy maintsy hotandremanareo ho firavoravoana ho an'i Yaveh. Ho lalàna ho anareo mandrakariva, amin'ny taranaky ny vahoakanareo, fa tsy maintsy mitandrina izany andro izany ianareo. 15 Hihinana mofo tsy misy masirasira ianareo mandritra ny fito andro. Amin'ny andro voalohany ianareo dia hanala ny lalivay ao an-tranonareo. Na iza na iza mihinana mofo tsy misy masirasira amin'ny andro voalohany mandra-pahatonga ny andro fahafito, izany olona izany dia tsy maintsy halàna ao Israely. 16 Amin'ny andro voalohany dia hisy vondrona izay atokana ho Ahy, ary amin'ny andro fahafito dia hisy fanangonana hafa toy izany. Tsy misy asa ho atao amin'izany andro izany, afa-tsy ny mahandro sakafo hohanin'ny rehetra. Izany ihany no asa azonareo atao. 17 Tsy maintsy tandremanareo io andron'ny Fankalazana ny Mofo tsy misy Lalivay io satria amin'io andro io no hitondrako ny olonareo, isan-tokony avy, hiala ny tany Egypta. Ka tsy maintsy tandremanareo amin'ny taranaky ny olona izany andro izany. Ho lalàna ho anareo mandrakariva izany. 18 Tsy maintsy mihinana mofo tsy misy lalivay ianareo manomboka amin'ny takarivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohan'ny taona, mandra-pahatongan'ny takarivan'ny andro faha-iraika amby roapolon'ny volana. 19 Mandritra ireo andro fito ireo, dia tsy tokony hisy lalivay hita mihitsy ao an-tranonareo. Izay rehetra mihinana mofo misy lalivay dia ho alàna amin'ny vondron'Israely, na vahiny izany olona izany na olona teraka teo amin'ny taninareo. 20 Tsy tokony hihinana zavatra misy lalivay mihitsy ianareo. Na aiza na aiza honenanao, dia tsy maintsy mihinana mofo tsy misy masirasira."' 21 Ary niantso ny loholon'Israely rehetra i Mosesy ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Mandehana ary misafidiana ondry na zanak'ondry izay ampy hamahanana ny fianakavianareo ka vonoy ny zanak'ondrin'ny Paska. 22 Avy eo dia makà rantsana hysopa ary atsobohy ao anatin'ny rà izay ao anaty koveta izany. Hosory amin'ny tolàm-baravarana roa sy tataom-baravarana ny rà izay tao anaty koveta. Tsy misy na iza na iza mahazo mivoaka ny tranony mandra-piavin'ny maraina. 23 Satria Yaveh dia handalo mba handringana ireo Egyptiana. Rehefa mahita ny rà amin'ny tataom-baravarana sy ny tolàm-baravarana roa Izy, dia handalo fotsiny amin'ny varavaranareo ary tsy hamela ny mpandringana hiditra ao an-tranonareo mba hamely anareo. 24 Tsy maintsy tandremanareo izany fotoana izany. Ho lalàna mandrakariva ho anareo sy ny taranakareo izany. 25 Rehefa hiditra ny tany izay homen'i Yaveh anareo ianareo, araka izay efa nampanantenainy ho ataony, dia tsy maintsy hitandrina izany fomba fivavahana izany ianareo. 26 Rehefa manontany anareo ny zanakareo hoe: 'Inona no dikan'izao fomba fivavahana izao?' 27 dia tsy maintsy hiteny ianareo hoe: 'Soron'ny Paskan'i Yaveh izao, satria nandalo tamin'ny tranon'ireo Israelita tao Egypta Yaveh rehefa namely an'ireo Egyptiana. Nanafaka ny ankohonanay Izy."' Dia niankohoka ny vahoaka ka nidera an'i Yaveh. 28 Nandeha ireo Israelita ka nanao araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy sy Arona. 29 Ary tamin'ny sasak'alina dia naringan'i Yaveh ny voalohan-teraka rehetra tao amin'ny tany Egypta, nanomboka tamin'ny lahimatoan'i Farao, izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, hatramin'ny lahimatoan'ilay olona tany an-tranomaizina mbamin'ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. 30 Nifoha i Farao nony alina—izy, ireo mpanompony rehetra, ary ny Egyptiana rehetra. Nisy fitomaniana mafy tao Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nisy maty tao anatiny. 31 Niantso an'i Mosesy sy Arona i Farao ny alina ary niteny hoe: "Mitsangàna, mialà eo amin'ny vahoakako, ianareo sy ireo Israelita. Mandehana, manompoa an'i Yaveh, araka izay nambaranareo fa tianareo hatao. 32 Ento ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo, araka izay nolazainareo, ary mandehana, ka tsofy rano ihany koa aho." 33 Tao anaty fahamaikana tanteraka no nandroahan'ireo Egyptiana azy ireo hiala ny tany, satria hoy izy ireo: "ho faty daholo isika rehetra." 34 Koa dia naka ny koba tsy misy lalivay ny vahoaka. Efa nifatotra tao amin'ny akanjon'izy ireo sy teo amin'ny sorok'izy ireo ny lovia fihinanana. 35 Ary nanao araka izay nolazain'i Mosesy azy ireo ny vahoakan'Israely. Nangataka volafotsy, volamena, ary akanjo tamin'ireo Egyptiana izy ireo. 36 Nataon'i Yaveh nila sitraka tamin'ireo Israelita ny Egyptiana. Ka nomen'ireo Egyptiana azy ireo avokoa izay rehetra nangatahin'izy ireo. Tamin'izany fomba izany no nandroban'ireo Israelita an'ireo Egyptiana. 37 Nandeha avy tany Ramesesy nankany Sokota ireo Israelita. Teo ho eo amin'ny 600.000 lahy izy ireo no nandeha tongotra, niampy ireo zaza amam-behivavy. 38 Vahoaka nifangaro izay tsy Israelita ihany koa no nandeha niaraka tamin'izy ireo, niaraka tamin'ny ondry aman'osy sy omby, ary biby fiompy marobe. 39 Nanao mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba izay nentiny avy tany Egypta izy ireo. Tsy nisy masirasira izany satria noroahina avy tao Egypta izy ireo ka tsy afaka nitaraikiraiky tamin'ny fikarakarana sakafo. 40 430 taona no niainan'ireo Israelita tao Egypta. 41 Tamin'ny fiafaran'ny 430 taona, tamin'izany andro izany indrindra, no nialan'ireo antokon'i Yaveh rehetra tao amin'ny tany Egypta. 42 Alina tsy fatoriana io alina io, satria Yaveh no nitondra azy ireo hiala ny tany Egypta. Izany no alin'i Yaveh izay tokony ho tandreman'ireo Israelita rehetra hatramin'ny taranaky ny vahoakan'izy ireo. 43 Hoy i Yaveh tamin'i Mosesy sy Arona: "Ity no fitsipika amin'ny Paska: tsy misy vahiny manana anjara amin'ny fihinanana izany. 44 Kanefa, ny andevon'ny Israelita rehetra, izay novidiam-bola, dia afaka mihinana rehefa avy noforainareo izy. 45 Ireo vahiny sy ireo mpanompo nokaramaina dia tsy mahazo mihinana amin'ny sakafo. 46 Ny sakafo dia tsy maintsy hohanina ao an-trano. Tsy tokony hitondra ny hena any ivelan'ny trano ianareo, ary tsy tokony hanapaka taolana amin'izany mihitsy. 47 Tsy maintsy mitandrina ny firavoravoana avokoa ny fiaraha-monina Israely rehetra. 48 Raha misy vahiny miara-mipetraka aminareo ka te-hitandrina ny Paskan'i Yaveh, dia tsy maintsy foraina avokoa ireo havany lehilahy rehetra. Ary afaka tonga izy ka mitandrina izany. Na izany aza, dia tsy misy olona tsy voafora afaka mihinana amin'ny sakafo. 49 Izany lalàna izany sady hihatra amin'ny teratany sy ny vahiny izay mipetraka eo aminareo." 50 Koa dia tena nanao araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy sy Arona ireo Israelita rehetra. 51 Ary tamin'io andro io indrindra no nitondran'i Yaveh ny isan-tokon'Israely nivoaka ny tany Egypta.