Toko faha-13

1 Niteny tamin'ny Mosesy Yaveh ary nanao hoe: 2 "Atokany ho ahy ny teraka voalohany rehetra, ireo lahimatoa rehetra ao amin'ireo Israelita, na olona na ireo biby. Ahy ireo voalohan-teraka ." 3 Ary hoy i Mosesy tamin'ny vahoaka hoe: "Tsarovy sy ankalazao izao andro izao, dia ny andro izay nivoahanareo avy tany Egypta, avy tamin'ny trano fanandevozana, satria tamin'ny tanana maherin'i Yaveh no nitondrany anareo nivoaka avy tao amin'io toerana io. Tsy misy mofo misy lalivay azo hohanina. 4 Hivoaka an'i Egypta amin'ity andro ity ianareo, amin'ny volan'i Abiba. 5 Rehefa entin'i Yaveh ao amin'ny tanin'ny Kananita, Hitita, Amorita, Hivita, ary ny Jebosita, ny tany izay nianianany tamin'ireo razanareo homeny anareo, dia ny tany tondra-dronono sy tantely— dia tsy maintsy hitandrina izany fomba fivavahana izany ianareo amin'io volana io. 6 Mandritra ny fito andro dia tsy maintsy mihinana mofo tsy misy lalivay ianareo; amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravonana mba hanomezam-boninahitra an'i Yaveh. 7 Mofo tsy misy lalivay no tsy maintsy hohanina mandritra ny fito andro; tsy tokony hisy mofo misy lalivay akory hita eo aminareo. Tsy misy lalivay tokony ho hita miaraka aminareo ao anatin'ny sisin-taninareo. 8 Amin'izany andro izany dia hilaza amin'ireo zanakao ianao hoe: 'Izany dia noho izay nataon'i Yaveh tamiko rehefa nivoaka tany Egypta aho.' 9 Izany dia ho fampatsiahivana ho anareo eo amin'ny tananareo, ary fampatsiahivana eo amin'ny handrinareo. Izany dia mba ho eo am-bavanareo ny lalàn'i Yaveh, fa tamin'ny tanana maherin'i Yaveh no nitondrana anareo nivoaka avy tao Egypta. 10 Noho izany dia tsy maintsy tandremanareo ity lalàna ity amin'ny fotoana efa voatondro isan-taona isan-taona. 11 Rehefa mitondra anareo ao amin'ny tanin'ireo Kananita Yaveh, araka ny nianianany taminareo sy ireo razanareo fa ho ataony, ary rehefa manome ny tany ho anareo Izy, 12 dia tsy maintsy hanokana ho Azy ny zaza voalohan-teraka rehetra sy ny voalohan-terak'ireo bibinareo. Ary ho an'i Yaveh ireo lahy. 13 Ireo voalohan-teraky ny boriky rehetra dia tsy maintsy hamidy zanak'ondry. Raha tsy mamerina mividy izany ianao, dia tsy maintsy manapaka ny vozony. Fa ireo lahimatoa rehetra eo aminareo—dia tsy maintsy averinareo vidiana. 14 Raha manontany anao ny zanakao lahy any aoriana hoe: "Inona no dikan'izao?" dia ho lazainao azy hoe: "Tamin'ny tana-maherin'i Yaveh no nitondrany anay nivoaka avy tao Egypta, tao amin'ny trano fanandevozana. 15 Rehefa nandà mafy ny hamela anay handeha i Farao, dia novonoin'i Yaveh ny voalohan-teraka tao amin'ny tany Egypta, ny voalohan-teraky ireo vahoaka sy ny voalohan-terak'ireo biby. Izany no antony anaovako sorona ho an'i Yaveh ny lahy voalohan-teraky amin'ny biby rehetra, ary ny antony hamerenako ny vidin'ny lahimatoa amin'ireo zanako.' 16 Ho zary fampatsiahivana eo amin'ny tananao, sy fampatsiahivana eo amin'ny handrinao izany, fa tamin'ny tana-mahery no namoahan'i Yaveh antsika avy tao Egypta. " 17 Rehefa namela ny vahoaka nandeha i Farao, dia tsy nitarika azy ireo tamin'ny làlana tany amin'ny tanin'ireo Filistina Andriamanitra, na dia teo akaiky teo aza izany tany izany. Fa hoy Andriamanitra hoe: "Angamba hiova hevitra ireo vahoaka raha mandalo ady ary hiverina any Egypta." 18 Fa nentin'Andriamananitra nanodidina ny efitry ny Ranomasina Mena ireo vahoaka. Niakatra avy tao amin'ny tany Egypta ireo Israelita ary nivonona ho amin'ny ady. 19 Ary nentin'i Mosesy niaraka taminy ny taolam-balon'i Josefa, fa Josefa nampianiana mafy ireo Israelita ka nilaza hoe: "Azo antoka fa hamonjy anareo Andriamanitra, ary tsy maintsy hitondra ny taolam-baloko miaraka aminareo ianareo." 20 Nandeha avy tany Sokota ireo Israelita ary nitoby tao Etama teo amin'ny sisin'ny tany efitra. 21 Yaveh nandeha teo alohan'izy ireo tao amin'ny andri-rahona tamin'ny atoandro mba hitarika azy ireo eny an-dalana. Ary ny alina Izy dia nandeha toy ny andri-afo mba hanome azy fahazavana. Tamin'izany fomba izany no nahafahan'izy ireo nandeha ny andro sy ny alina. 22 Tsy nanaisotra ny andri-rahona ny atoandro na ny andri-afo ny alina nanoloana ireo vahoaka Yaveh.