1 Yaveh niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 "Ambarao amin'ireo Israelita fa tokony hiverina ary hitoby eo alohan'i Pi-Hahirota, eo anelanelan'i Migdola sy ny ranomasina, eo alohan'i Bahala-Zefona izy ireo. Tokony hitoby eo akaikin'ny ranomasina mifanandrify amin'i Pi-Hahirota ianareo. 3 Fa hilaza ny amin'ireo Israelita i Farao hoe: 'Mirenireny voan'ny tamberintany ireo Israelita. Tampina tamin'izy ireo ny efitra.' 4 Hanamafy ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika azy ireo izy. Hahazo voninahitra Aho nohon'ny amin'i Farao sy ny tafiny rehetra. Ka dia ho fantatry ireo Egyptiana fa Izaho no Yaveh." Koa dia nitoby araka izay natoro azy ireo ny Israelita. 5 Rehefa voalaza tamin'ny mpanjakan'ny Egypta fa nandositra ireo Israelita, dia namadika ny sainy tamin'ny vahoaka i Farao sy ireo mpanompony. Hoy izy ireo hoe: "Fa inona ity nataontsika ity tamin'ny famelana an'Israely andeha an-kalalahana tsy hanompo antsika?" 6 Ary nanomana ny kalesiny i Farao ary nitondra ny tafiny niaraka taminy. 7 Naka kalesy voafidy manokana enin-jato miampy ireo kalesin'i Egypta hafa rehetra izy, niaraka tamina manam-boninahitra tao amin'izy rehetra. 8 Nanamafy ny fon'i Farao, mpanjakan'i Egypta i Yaveh, ka nanenjika ireo Israelita ny mpanjaka. Ary efa lasa lavitra tamim-pandresena ny Israelita. 9 Saingy nanenjika azy ireo ny Egyptiana niaraka tamin'ny soavaly sy ny kalesin'izy ireo rehetra, ireo mpitaingin-tsoavaliny, ary ny tafiny. Tratran'izy ireo nitoby teo amoron'ny ranomasina akaikin'i Pi-Hahirota, teo alohan'i Bala-Zefona ireo Israelita. 10 Rehefa nanatona akaiky i Farao, dia niandrandra ireo Israelita ary taitra. Nanao rodobe taorian'izy ireo ny Egyptiana, ka raiki-tahotra izy ireo. Niantsoa mafy an'i Yaveh ireo Israelita. 11 Hoy izy ireo tamin'i Mosesy hoe: "Satria ve tsy misy fasana any Egypta, no dia nentinao ho faty aty an-tany efitra aty izahay? Nahoana no nataonao tahaka izao izahay, ka nentinao niala tany Egypta? 12 Tsy izao ve no efa nolazainay taminao tany Egypta? Hoy izahay taminao hoe: 'Avelao izahay amin'izao, mba hahafahanay miasa ho an'ny Egyptiana.' Tsara ho anay kokoa ny niasa ho an'ny Egytiana toy izay maty aty an'efitra aty." 13 Hoy Mosesy tamin'ny vahoaka hoe: "Aza matahotra. Mihandrasa ary ho hitanareo ny famonjena izay homen'i Yaveh ho anareo anio. Fa tsy ho hitanareo intsony ireo Egyptiana izay hitanareo androany. 14 Yaveh no hiady ho anareo, ary hiandry fotsiny ianareo." 15 Ary hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Nahoana ianao ry Mosesy, no mbola miantso Ahy ihany? Teneno ireo Israelita mba handroso. 16 Asandrato ny tehinao, ahinjiro eo amin'ny ranomasina ny tananao ka zarao roa izany, mba hahafahan'ny vahoakan'Israely mamakivaky ny ranomasina amin'ny tany maina. 17 Tsarovy fa hanamafy ny fon'ny Egyptiana Aho ka hanenjika azy ireo izy. Hahazo voninahitra aho nohon'ny amin'i Farao sy ireo miaramilany, ny kalesiny, ary ireo mpitaingin-tsoavaliny rehetra. 18 Ary ho fantatr'ireo Egyptiana fa Izaho no Yaveh rehefa nahazo voninahitra nohon'ny tamin'i Farao, ireo kalesiny, ary ireo mpitaingin-tsoavaliny Aho." 19 Ny anjelin'Andriamanitra, izay nandeha teo alohan'ireo Israelita, dia nifindra ary nankao an-damosin'izy ireo. Nifindra avy teo anoloan'izy ireo ry nankao aorian'izy ireo ny andry rahona. 20 Nankeo anelanelan'ny tobin'ny Egypta sy ny tobin'Israely ilay andry rahona. Rahona mainty ho an'ireo Egyptiana izany, saingy nanazava ny alina ho an'ireo Israelita, ka tsy nisy andaniny nankany amin'ny iray hafa nandritry ny alina. 21 Naninjitra ny tanany teo amin'ny ranomasina i Mosesy. Nampihemotra ny ranomasina tamin'ny rivo-mahery avy tany atsinanana Yaveh tamin'io alina io ka namadika ny ranomasina ho tany maina. Tamin'izany no nizara roa ny rano. 22 Nandeha teny afovoan'ny ranomasina teo amin'ny tany maina ireo Israelita. Namorona rindrina teo ankavanana sy ankavian'izy ireo ny rano. 23 Nanenjika azy ireo ny Egyptiana. Nanenjika azy ireo nankao afovoan-dranomasina—ireo soavaly, kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavalin'i Farao rehetra. 24 Saingy vao maraim-be, dia nijery ny tafika Egyptiana teo amin'ny andrin'afo sy rahona i Yaveh. Nahatonga horohoro teo amin'ireo Egyptiana Izy. 25 Nihitsoka ny kodiaran'ireo kalesy, ary nandeha tamim-pahasahiranana ireo mpitaingin-tsoavaly. Koa dia hoy ireo Egyptiana hoe: "Andeha isika handositra an'Israely, fa Yaveh no miady amintsika ho azy ireo." 26 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Ahinjiro eo amin'ny ranomasina ny tananao mba hiverina hidoboka eo amin'ireo Egyptiana, ny kalesin'izy ireo ary ireo mpitaingin-tsoavaliny ny rano." 27 Koa dia nahinjitr'i Mosesy teo amin'ny ranomasina ny tanany, ary niverina tamin'ny laoniny izany rehefa tonga ny maraina. Nandositra tao amin'ny ranomasina ireo Egyptiana, ary nosintonin'i Yaveh teo afovoan'izany izy ireo. 28 Niverina ny rano ka nanarona ireo kalesy, ireo mpitaingin-tsoavaly ary ireo tafika rehetra izay nanaraka ny kalesy tao anaty ranomasina. Tsy nisy tafavoaka velona. 29 Kanefa, ireo Israelita dia nandia tany maina teo afovoan-dranomasina. Rindrina avy teo an-tanana ankavanana sy ankavia ho azy ireo ny rano. 30 Koa namonjy an'Israely tamin'ny tanan'ny Egyptiana i Yaveh tamin'io andro io, ary nahita fatina Egyptiana teo amoron-dranomasina i Mosesy. 31 Rehefa nahita ny hery lehibe nampiasain'i Yaveh hanoherana ny Egyptiana ny Israely, dia nanome voninahitra an'i Yaveh ny vahoaka, ary nino an'i Yaveh sy Mosesy mpanompony izy ireo.