Toko faha 15

1 Dia nihira izao hira izao ho an'i Yaveh i Mosesy sy ny vahoakan'Israely. Nihira izy ireo hoe: "Hihira ho an'i Yaveh aho, fa efa nandresy tamim-boninahitra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina izany dia natsipiny tao anaty ranomasina. 2 Yaveh no tanjako sy hirako, ary efa nanjary famonjena ahy Izy. Izany no Andriamanitro, ary hidera Azy aho, Andriamanitr'ireo razako, ary hanandratra Azy aho. 3 Yaveh dia mpiady; Yaveh no anarany. 4 Nanipy ny kalesin'i Farao sy ny tafika tao anaty ranomasina Izy. Ireo manam-boninahitra voafidin'i Farao dia nilentika tao anatin'ny Ranomasina Mena. 5 Ny lalina nanarona azy ireo; dia nilentika tany amin'ny lalina tahaka ny vato izy ireo. 6 Ny tananao ankavanana, ry Yaveh, dia manam-boninahitra amin'ny hery; ny tananao ankavanana, ry Yaveh, dia nanorotoro ny fahavalo. 7 Tamin'ny voninahitra lehibe no nanjeranao ireo izay nitsangana hanohitra Anao. Nalefanao ny fahatezeranao; nandevona azy ireo tahaka ny mololo izany. 8 Tamin'ny fofonain'ny vavoronao no nampiangona ireo rano; ireo rano mikoriana nijoro mahitsy toy ny antontan-javatra; ny rano lalina dia nivaingana tany amin'ny fanambanin'ny ranomasina. 9 Hoy ny fahavalo: 'Hanenjika aho, hisambotra aho, hizara izay babo aho; ny faniriako dia ho tanteraka amin'izy ireo; hamoaka ny sabatro aho; hamotika azy ireo ny tanako.' 10 Nitsoka tamin'ny rivotrao ianao, ka nandrakotra azy ireo ny ranomasina; nilentika tahaka ny firaka anatin'ny rano mahery izy ireo. 11 Iza no tahaka Anao, ry Yaveh, eo amin'ireo andriamanitra? Iza no tahaka Anao, manam-boninahitra amin'ny fahamasinana, omem-boninahitra amin'ny dera, manao fahagagana? 12 Naninjitra ny tananao ankavanana Ianao, dia nitelina azy ireo ny tany. 13 Tao amin'ny fanekenao tsy mivadika no nitarihinao ny vahoaka izay navotanao. Tamin'ny tanjakao no nitarihinao azy ireo tany amin'ny toerana masina izay nitoeranao. 14 Handre ireo vahoaka, ary hangovitra izy ireo; hisambotra ireo mponin'i Filistia ny horohoro. 15 Dia hatahotra ireo lehiben'i Edoma; ireo miaramilan'i Moaba dia hihozongozona; ny mponin'i Kanana rehetra dia ho ketraka. 16 Ny horohoro sy ny tahotra dia hianjera amin'izy ireo. Noho ny herin'ny sandrinao, dia ho hanjary hijanona tahaka ny vato mandra-pandalon'ny vahoakanao izy ireo, ry Yaveh— mandra-pandalon'ireo vahoaka navotanao. 17 Hitondra azy ireo ary hametraka azy ireo eny an-tendrombohitry ny lovanao Ianao, ilay toerana, ry Yaveh, izay efa nataonao hitoerana, ny fitoerana masina, ry Tomponay, izay efa namboarin'ny tananao. 18 Hanjaka mandrakizay doria Yaveh." 19 Fa ireo soavalin'i Farao dia nandeha niaraka tamin'ireo kalesiny sy ireo mpitaingin-tsoavaliny tany anaty ranomasina. Namerina ny ranon'ny ranomasina tamin'izy ireo i Yaveh. Nefa ireo Israelita nandeha tamin'ny tany maina teo anelanelan'ny ranomasina. 20 Miriama ilay mpaminany vavy, anabavin'i Arona, naka ampongatapaka, ary ireo vehivavy rehetra nivoaka niaraka tamin'ny ampongatapaka, nandihy nanaraka azy. 21 Nihira tamin'izy ireo Miriama hoe: "Mihirà ho an'i Yaveh, fa nandresy am-boninahitra Izy. Ny soavaly sy ny mpitaingina izany dia natsipiny tao anaty ranomasina." 22 Dia nitarika ny Israely nanomboka teo amin'ny ranomasina Mena i Mosesy. Nivoaka avy tao amin'ny efitr'i Sora izy ireo. Nandeha hateloana tany an'efitra ary tsy nahita rano izy ireo. 23 Dia tonga tany Mara izy ireo, nefa tsy afaka nisotro ny rano tao satria nangidy izany. Dia nantsoin'izy ireo hoe Mara izany toerana izany. 24 dia nitaraina tamin'i Mosesy ireo vahoaka ary niteny hoe: "Inona no azonay sotroina?" 25 Niantso mafy an'i Yaveh i Mosesy, ary nampiseho azy hazo iray i Yaveh. Nanipy izany tao anatin'ny rano Mosesy, ka lasa azo sotroina ny rano. Teo no nanomezan'i Yaveh lalàna hentitra azy ireo, ary teo no nitsapany azy ireo. 26 Hoy Izy: "Raha mihaino tsara ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, ary manao izay marina eo imasony, ary raha manongilan-tsofina amin'ireo didiny ka mankatoa ireo lalàny rehetra ianareo— dia tsy misy ataoko aminareo ireo aretina izay nataoko tamin'ireo Egyptiana, fa Izaho no Yaveh izay manasitrana anareo." 27 Ary ireo vahoaka tonga tany Elima, izay nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazon-drofia fitopolo. Nitoby tany teo akaikin'ny rano izy ireo.