1 Nanohy ny dian'izy ireo avy tany Elima ny vahoaka, ary ny fivondronan'ny Israelita dia tonga tany amin'ny tany efitr'i Sina, izay manelanelana an'i Elima sy Sinay, tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana faharoa taorian'ny fialan'izy ireo avy tao amin'ny tany Egypta. 2 Nitaraina noho i Mosesy sy Aarona ny fivondronan'ny Israelita rehetra tany an'efitra. 3 Ary hoy ny Israelita tamin'izy ireo hoe: ''Raha mba matin'ny tanan'i Yaveh tany amin'ny tany Egypta mantsy isika tamin'ny nipetrahantsika teo akaikin'ireo vilanin-kena ka nihinana mofo dia voky. Fa nentinao nivoaka ho aty amin'ity tany efitra ity izahay mba hahafaty noana ny fivondronanay manontolo.'' 4 Avy eo i Yaveh niteny tamin'ny Mosesy hoe: ''Handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho. Hivoaka ireo olona ary hanangona ny sahaza hohaniny isan'andro mba hahafahako mitsapa azy ireo, hahitàko raha handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia. 5 Ary amin'ny andro fahenina, izy ireo dia hanangona indroa mihoatra amin'izay efa nangonin'izy ireo isan'andro teo aloha, ka hahandro izay ho entin'izy ireo.'' 6 Avy eo dia niteny tamin'ireo vahoakan'Israely i Mosesy sy Arona hoe: ''Anio hariva dia ho fantatrareo fa Yaveh no namoaka anareo avy any amin'ny tany Egypta. 7 Ny maraina dia hahita ny voninahitr'i Yaveh ianareo, fa Izy mandre ny fitarainanareo nohon'ny Aminy. Iza moa izahay no dia mampitaraina anareo?'' 8 Hoy koa Mosesy hoe: ''Ho fantatrareo izany rehefa homen'i Yaveh hena ianareo ny hariva ary sakafo ny maraina mba ho voky— satria reny ny taraina izay ambaranareo nohon'ny Aminy. Mba iza moa izaho sy Aarona? Tsy manohitra anay ny fitarainanareo; fa manohitra an'i Yaveh.'' 9 Mosesy niteny an'i Arona hoe: ''Ambarao amin'ny ny fivondronan'ny vahoakan'Isarely rehetra hoe: 'Manatòna eo anatrehan'i Yaveh, fa efa reny ny fitarainanareo.''' 10 Ary raha niresaka tamin'ny fivondronan'ny vahoakan'Israely rehetra i Arona, dia nijery nanatrika ny tany an'efitra izy ireo, ary indro, niseho tamin'izy ireo teny amin'ny rahona ny voninahitr'i Yaveh. 11 Dia niresaka tamin'i Mosesy Yaveh ary nanao hoe: 12 ''Efa reko ny fitarainan'ireo vahoakan'Israely. Ary miresaha amin'izy ireo ka lazao hoe: 'Hihinan-kena ianareo ny hariva, ary ho vokisana mofo ianareo ny maraina. Dia ho fantatrareo fa izaho ilay Yaveh Andriamanitrareo."' 13 Ary nony hariva dia nisy papelika niakatra sy nandrakotra ny toby. Ny maraina dia nandry manodidina ny toby ny ando. 14 Rehefa lasa ny ando, dia nisy vaingambaingan-javatra manify toa fanala teo amin'ny tany tamin'ny faritry ny efitra. 15 Ary rehefa nahita izany ny vahoakan'Israely, dia nifanontany izy ireo hoe: 'Inona io?'' Tsy fantatr'izy ireo hoe inona ilay izy. Dia hoy Mosesy tamin'izy ireo: "Io no mofo izay nomen'i Yaveh hohanina. 16 Izao no didy izay nomen'i Yaveh: ''Aoka ny tsirairay aminareo hanangona izay sahaza hohaninareo, dia ny fatran'ny gomara iray isan'ny vahoakanao. Toy izao no hanangonanao izany: Manangona izay ampy hohanin'ny olona tsiriaray izay mitoetra ao anaty lainao.''' 17 Ary nataon'ireo vahoakan'Israely izany. Ny sasany nanangona maro, ary ny sasany nanangona vitsy. 18 Raha nafatran'izy ireo tamin'ny gomara famarana izany, ireo izay nanangona betsaka dia tsy nisy ambiny, ary izay nanangona kely dia nanana ny ampy. Ny olona tsirairay dia nanangona izay ampy ho an'ny filany. 19 Dia hoy Mosesy tamin'izy ireo: ''Aoka tsy hisy hamela sisa amin'izany mandra-pahatonga ny maraina.'' 20 Na izany aza, dia tsy nihaino an'i Mosesy izy ireo. Nisy sasany tamin'izy ireo no namela sisa tamin'izany mandra-maraina, fa nivoaka olitra sy lasa maimbo izany. 21 Dia nanjary tezitra tamin'izy ireo Mosesy. Dia nangonin'izy ireo isa-maraina izany. Samy nanangona ny sahaza azy ny olona tsirairay mba hohanina tamin'io andro io. Rehefa nahamay ny masoandro, dia levona izany. 22 Ary tamin'ny andro fahenina dia nanangona mofo indroa mihoatra isan'olona izy ireo, gomara roa isan'olona. Ny lehiben'ny fivondronana rehetra dia nanatona ary nilaza izany tamin'i Mosesy. 23 Ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: ''Izao no voalzan'i Yaveh: 'Fitsaharana masina rahampitso, Sabata masina ho fanajana an'i Yaveh. Hendaso izay tianareo hendasina, ary andrahoy izay tianareo handrahoina. Ary tehirizo ho anareo, hatramin'ny maraina ny ambiny rehetra amin'izany."' 24 Dia nampirimin'izy ireo mandra-maraina izany, araka izay nandidian'i Mosesy. Ary tsy maimbo izany, na nahitana olitra taminy. 25 Hoy Mosesy: ''Hano anio ireto sakafo ireto, fa anio dia andro voatokana ho Sabata mba hanajana an'i Yaveh. Ary anio dia tsy hahita izany any an-tsaha ianareo. 26 Ary hanangona izany mandritra ny enina andro ianareo, fa ny andro fahafito dia andro Sabata. Ny andro Sabata dia tsy hisy mana. 27 Ary tamin'ny andro faha fito dia maro ireo olona no nandeha nivoaka nanangona mana, fa tsy nahita na inona na inona izy ireo. 28 Ary hoy Yaveh tamin'i Mosesy: ''Mandra-pahovina no handavanareo hitandrina ireo didiko sy ireo lalàko? 29 Indro, nomen'i Yaveh anareo ny andro Sabata. Ary amin'ny andro fahenina dia hanome anareo ireo mofo mandritra ny roa andro Izy. Aoka hijanona eo amin'ny toerana misy azy avy ianareo; tsy misy mahazo mivoaka eo amin'ny toerana misy azy amin'ny andro fahafito.'' 30 Noho izany dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito ny vahoaka. 31 ''Mana'' no niantsoan'ireo vahoakan'Israely izany sakafo izany. Fotsy toy ny voan-drafy ireo, ary manana tsiro toy ny koriandra manify misy tantely. 32 Hoy Mosesy: ''Izao no didin'i Yaveh: 'Aoka hisy mana iray gomara ho voatahiry mandritra ny taranaky ny vahoakanao, mba hahita ireo mofo namahanako anareo tany an'efitra ny taranakareo, taorian'ny nitondrako anareo nivoaka avy tany Egypta."' 33 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: ''Mangalà vilany ary asio mana iray gomara ao. Ataovy eo alohan'Yaveh izany mba ho voatahiry mandritra ny taranaky ny vahoaka.'' 34 Araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy, dia notehirizin'i Arona tamin'ny lalàn'ny fanekena tao anaty fiara izany. 35 Nihinana mana nandritra ny efapolo taona ny vahoakan'Israely mandra-pahatonga azy ireo tany amin'ny tany misy mponina. Nihinana izany izy ireo mandra-pahatonga azy ireo teo amin'ny sisin-tanin'ny tany Kanana. 36 Ary ny gomara iray dia mira ampahafolon'ny efaha iray.