Toko faha 17

1 Ireo fiarahamonin'Israely manontolo dia nandeha avy any amin'ny efitr'i Sina, nanaraka ireo torolalan'Andriamanitra. Nitoby tao Refidima izy ireo, nefa tsy nisy rano ho sotroin'ny vahoaka tao. 2 Dia nanome tsiny an'i Mosesy noho izany zava-nisy tamin'izy ireo izany ny vahoaka ary nanao hoe: "Omeo rano hosotroina izahay." Hoy Mosesy hoe: "Nahoana no mifanditra amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an'i Yaveh ianareo?" 3 Nangetaheta mafy ireo vahoaka, ka nitaraina tamin'i Mosesy izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Nahoana no nitondra anay niakatra avy tao Egypta ianao? Mba hamono anay sy ireo zanakay ary ireo biby fiompinay amin'ny hetaheta?" 4 Dia niantso mafy an'i Yaveh i Mosesy hoe: "Inona no tokony ataoko amin'ity vahoaka ity? Efa saika vonona hitora-bato ahy izy ireo.'' 5 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mandehana eo alohan'ireo vahoaka, ary ento miaraka aminao ireo loholon'i Israely sasany. Ento miaraka aminao ny tehina izay nikapohanao ny renirano, ary mandehana. 6 Hijoro eo alohanao any eo amin'ny vatolampy ao Horeba Aho, ary hikapoka ny vatolampy ianao. Hisy rano hivoaka amin'izany mba hosotroin'ny vahoaka." Dia nanao izany teo imason'ireo loholon'Israely i Mosesy. 7 Niantso izany toerana izany hoe Masa sy Meriba noho ny fitarainan'ireo Israelita izy, ary satria efa naka fanahy ny Tompo izy ireo tamin'ny nitenenany hoe: "Eto aminay ve Yaveh sa tsia?" 8 Dia tonga ary nanafika an'Israely tao Refidima ny tafiky ny vahoaka Amalekita. 9 Dia hoy Mosesy tamin'i Josoa: "Mifidiana lehilahy maromaro ary mivoaha. Miadia amin'ny Amalekita. Rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana miaraka amin'ny tehin'Andriamanitra eo an-tanako aho." 10 Dia niady tamin'ny Amalekita araka ny nandidian'i Mosesy azy Josoa, raha niakatra tao an-tampon'ny havoana kosa Mosesy, Arona, ary Hora. 11 Rehefa nanangana ny tanany ho ambony Mosesy, dia nandresy Israely; rehefa namela ny tanany haka aina izy, dia nanomboka nandresy ny Amalekita. 12 Rehefa nihanavesatra ny tanan'i Mosesy, dia naka vato i Arona sy Hora ary nametraka izany tao ambaniny mba hipetrahany. Tamin'io fotoana io ihany, dia nihazona ny tanany ho ambony i Arona sy Hora, ny olona iray teo andaniny, ary ny olona iray hafa teo amin'ny ankilany. Ary dia voatazona mafy ireo tanan'i Mosesy mandra-pilentiky ny masoandro. 13 Dia nandresy ny vahoakan'ny Amalekita tamin'ny sabatra i Josoa. 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Soraty amin'ny boky izao ka vakio eo an-tsofin'i Josoa, satria hamono tanteraka ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eto ambany lanitra Aho." 15 Dia nanorina alitara i Mosesy ary niantso izany hoe: "Yaveh no fanevako." 16 Hoy izy: "Fa ny tanana dia nasandratra ambony ho amin'ny seza fiandrianan'i Yaveh—fa Yaveh hiady amin'ny Amalekita amin'ireo taranaka fara mandimby rehetra."